Back

ⓘ Ravalomanana Marc



                                               

Jacques Sylla

I Jacques Hugues Sylla dia mpanao politika malagasy. Praiministri Madagasikara izy tamini Marc Ravalomanana filoha taminny Febroary 2002 hatraminny Janoary 2007. Filohanny antenimieram-pirenenana izy taminny 2007 hatraminny 2009. Teraka teo Nosy Boraha na Nosy Sainte-Marie ao aminny faritra Analanjirofo Toamasina izy taminny 22 Jolay 1946. Zanak Albert Sylla, minisitra ny raharaham-bahiny taminny androni Philibert Tsiranana until being killed in a plane crash in July 1967., alohanny fahafatesany tanaty lozam-piaramanidina taminny Jolay 1967. Ministry ny raharam-bahoaka izy taminny 1993 hat ...

                                               

Kolikoly

Ny kolikoly, na tsolotra, na risoriso dia fifanarahana ratsy miseho eo aminny ankolafiny anankiroa, aminny alàlanny fanolorana fanomezana na vola tsy ara-dalàna ho tambinny asa na fanomezana tombondahiny anankiray tsy ara-dalàna ihany koa. Azo sokajiana roa ny kolikoly dia ny kolikoly madinika, miseho aminny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany no sarany raha oharina aminny faharoa. Ny anankiray dia ny kolikoly vaventy izay mety hisy tambajotrany mihitsy, miseho eo aminny orinasa lehibe sy ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amini ...

                                               

Ariary

Ny ariary dia sandam-bola miasa ao amin ny Repoblikan i Madagasikara, efa niasa tamin ny andron ny mpanjaka tamin ny taonjato faha-19. Taorian ny nampiasana ny Franc Malagasy tamin ny Repoblika voalohany, dia nampiasaina ny Ariary. Io teny io dia mety avy amin ny teny arabo al rial izay avy amin ny teny espaniôla hoe real.

                                               

12 Desambra

Eugen Baumann 1713: Pierre-Joseph Laurent - injeniera 1843: Marcel Deprez - injeniera 1818: Paul Octave Hébert - injeniera 1846 1766: Nikolaï Karamzine - Poeta, mpanoratra 1821: Gustave Flaubert - mpanoratra, mpanoratra tantara lava Stanisław Szczepanowski - injeniera 1908: Félix Welkenhuysen - mpilalao baolina kitra Henry Armstrong - 1903: Yasujirō Ozu - talen-koronantsary, mpanoratra senariô 1893: Edward G. Robinson - mpilalao, mpilalao aminny horonantsary 1888: Philip Neame - injeniera 1853: Johan Petter Johansson - mpamorona Hans Wunderer 1912 1881: Vincent Hugo Bendix - injeniera 1886 ...

Ravalomanana Marc
                                     

ⓘ Ravalomanana Marc

Marc Ravalomanana no filohanny Repoblikani Madagasikara nanomboka ny 6 Mey 2002.

Teraka tao Imerinkasinina tao Antananarivo izay renivohitri Madagasikara, manambady Lalao Ravalomanana ary manan-janaka efatra.

Na teo aminny resaka politika na taminny ara-barotra teo aminny fiainany manokana, dia olona miavo-tena izy. Fanaovan-dronono kely anny fianakaviana no notantaniny ka nanjary lasa orinasa ngeza, taminny alàlanny fanampianny Banky iraisam-pirenena sy ny fanohananny governemanta taminizany fotoana. Teraka ny orinasa TIKO, mampiasa olona 5000 mivantana sy asa 100 000 hafa ; ary raisina ho ohatra fakan-tahaka eo aminny fahombiazana izy, nefa tsy afaka aminny lazany koa ny tsikera ho orinasa anjakanny didiko fe lehibe sy fanavakavahana eo aminny fampidirana mpiasa.

Lany ho Benny tanànanAntananarivo izy ny taona 1999, na dia tsy notohananantoko politika aza, taminny alàlanny fikambanana Tiako Iarivo izay naoriny. Ny fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna no nimatimatesany, ary goavana ihany koa ny fotodrafitrasa najorony. Betsaka ny sakantsakana nahazo azy noho izay fahombiazana azony izany ary indrindra koa nony namofompofona fifidianana ny vaninandro niainana teto Madagasikara. Nisy ny famatsiam-bola izay tokony ho azonny tanànanAntananarivo nefa nifandrirariràna taminny Minisitry ny Asa vaventy taminizany fotoana, Atoa Herivelona Ramanantsoa. Tao ny nolazainy ho antsojay nataonny orinasa Star orinasa taminireo mpivarotra mandray ny Classiko, mpifaninana aminny vokatry ny Star toy ny Coca-cola, Fanta.

Nanangana ny MBS ihany koa izy, izay fahitalavitra sy onjam-peo tsy miankina, mijoro ao Anosipatrana ; ary anisanny azo heverina fa ny fifidianana ho avy no tena antony nijoroanio fitaovan-tserasera io.

Lany ho filoha lefitry ny FJKM izy ny volana oktobra 2001, sady izy ihany koa no anisanny mpanohana ara-bola izany fiangonana izany. Nalainy ho tombony ho azy ny fiaraha-miasa taminny fiangonana, izay manana fotodrafitrasa sy tambajotra afaka manampy aminny fampielezan-kevitra ihany koa. Novainy ho Tiako i Madagasikara ilay fikambanana Tiako Iarivo, manambara ihany koa izay ny fahasahiany hanao dingana lehibe.

Ny 16 desambra 2001 no natao ny fihodinana voalohany taminny fifidianana filohanny Repoblika teto Madagasikara. Ny ministeranny ati-tany dia nanome voka-pifidianana 46.44% ho ani Marc Ravalomanana, ary 40.61% kosa ho anny filoha am-perinasa Didier Ratsiraka. Ny Kômity Manohana ani Marc Ravalomanana kosa dia manohitra io vokatra io satria manome 52.15% ho ani Marc Ravalomanana. Ny Consortium des Observateurs koa dia nanome vokatra amboninny antsasa-manila ho ani Marc Ravalomanana, na dia nisy resaka projection sy PV tsy feno aza tao. Nandritra izay fotoana izay, dia namory olona isanandro teo aminny Kianjanny Fahaleovan-tena sy nanao fihetsiketsehana ary fitokonana ny mpomba ani Marc Ravalomanana. Mahatratra amanhetsiny isanandro ny vahoaka malagasy vory teo.

Tetsy ankilany, ny fitondrana dia nametraka fa hatao ny volana febroary 2002 ny fihodinana faharoa. Rehefa tsy nahomby izay dia nekeny indray ny hanemotra izany fifidianana izany aminny volana martsa 2002. Kanefa taminny 22 febroary 2002, dia "nanoso-tena" ho filohanny Repoblika tao Mahamasina i Marc Ravalomanana. Tsy nanaiky lembenana ny mpomba ani Didier Ratsiraka, na dia hita ho azon-dRavalomanana aza ny fonAntananarivo, izay Renivohitri Madagasikara. Nifanaraka ny governora taminny faritany dimy hafa ary natsangany ho Renivohitra faharoa ani Madagasikara i Toamasina.

Tsy mbola havanana taminny resaka politika i Marc Ravalomanana, nefa maro ny olona sy antoko politika nanohana azy, toy ny AVI ani Norbert Lala Ratsirahonana, ny MFM tarihini Manandafy Rakotonirina. Taminny ady mafy taminizany fotoana izany dia nanohana azy koa ny ankamaroanny manamboninahitry ny tafika.

Naverina ny fanisana ny vatom-pifidianana ary navoakanny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa lany taminny fihodinana voalohany i Marc Ravalomanana. Nandray ny fahefana feno sy taminny fomba ara-dalàna izy ny 06 Mey 2002, natrehinny olona faharoa isaky ny masoivoho teto Madagasikara. Niverina ho anisanny mpikambana tao aminny Fiombonambe afrikanina i Madagasikara taminny jolay 2002, rehefa nanao sesitany ny tenany tany Frantsa ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny mpomba azy sasany, ary rehefa nekenny OUA taminny fihaonanireo filoham-pirenena afrikanina izany fiverenany izany.

  • Tranonkalani Marc Ravalomanana
  • Takelaka ambonny Marc Ravalomanana
  • Tranokalanny TIM
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →