Back

ⓘ Tovo JHay



                                     

ⓘ Tovo JHay

I Tovo JHay dia mpanankanto malagasy fantatra amin ny maha mpamorona, sy mpiangaly ny hiranny fo, araka ny maha hiranny fo azy izay dia ny fo avy hatrany no voadona rehefa hiantefanilay mozika, Manana fomba fihira tsy dia faheno sy fahita loatra teto Madagasikara indrindra eo amin ilay angola sy fihetsem-po rehefa mihira. ka somary vaovao taminny sofina teny am-piandohana, Misy ny tonga dia maka fy avy hatrany arakaraky ny fahatakaranny tsirairay ny mozika anefa, na dia hita ihany aza hoe miezaka ny tovolahy hanatsotra ny hira ataony mba ho voarain ny be sy ny maro. Artiste iray nametraka, tsy maty intsony ao am-po ny malagasy i Tovo JHay taty aoriana refa tafapaka tsara tany aminny mpaka fy azy. Nanova ny fomba fijery ny rivotry ny mozika tamin ny fotoanandro ho anny rivotra hafa indray, tamin ny taona 2000 tany ho any, Voasokajy ao anatinny mpihira mpanao hira madinika na variété izy kanefa voasingana noho izy manana ny mampiavaka azy eo amin ny aingam-panahy na Feeling. Artiste feno, Ary miaina hotranny olona rehetra, Manao ny fanaonny olona rehetra, Manambady ary manan janaka, ary manana asa fanaony ny andavanandro.

                                     

1.1. NY MOMBA AZY Ny Fahazazany 1983-1987

Ny anarany feno dia Ratovondrahona Herinirina, teraka ny 05 janoary 1974 teto Antananarivo, I Tovo JHay dia teraka tao anatinny fianakaviana tia mozika, na dia dokotera aza ny dadany dia mahagaga fa mpanao mozika avy ny ralahiny sy ny anabaviny, 6 mianadahy, ary samy mitendry mozika avokoa. Fony faha kely teo aminny faha 9 taonany teo no nanomboka nianatra ny vata maro hafitsoka, Piano i Tovo JHay, ary nitohy hatrany amin ny fianarana aponga maro anaka Batterie izany teo aminny faha 10 taonany. Ny nahitany ani Gilbert Montagné, Stevie Wonder, Ray Charles, Elton Jhon no nanosika ny faniriany ho lasa mphira sady mitendry ny Piano, Vao 11 taona izy tamin izany dia efa niaraka tamin ny rahalahiny Ratovondrahona Minonirina nanao fampisehoana voalohany tao amin ny CGM, izay mbola ny hiran i Gilbert Montagné sy Richard Claiderman no nindraminy nataony tamin izany. Ary tsy nijanona teo fa nanao fampisehona nitety ny college teto Antananarivo amin ny halalanny fifaninanana na Concours isan karazany.

                                     

1.2. NY MOMBA AZY Ny Fatanorany 1987-1991

Teo amin ny faha 13 taonany i Tovo JHay no nanomboka nanoratra sy namoron-hira, "Mahatsiaro "no hira voalohany anisany noforoniny tamin izany. Taminizy vao14 taona no nitsiry ny hevitra fa hamorona Tarika i Tovo JHay, Zareo mpinamana tany an-tsekoly no nikaon-doha ka teraka teo araka izany ny tarika iray antsoina hoe MAXI. Nisy an i Christophe Ramambazafy, Mbolatiana, lohateny anakiray hoe "Friendship" no hira tena nahafatarana ny tarika taminizany. Rehefa nahazo ny loka voalohany taminy fifaninanan-kira tany Antsirabe ny tarika dia nitety faritra maro teto Antananarivo

                                     

1.3. NY MOMBA AZY Trai-kefa1991-1997

Telo taona teo ny faharetanny ny tarika MAXI dia nisy ny fisarahana, nanohy ny lalany ihany anefa i Tovo JHay taminy faha 17 taonany ary niditra taminy tarika iray mpanao Rock hoe "APY" ary nipetraka ho mpitendry ny vata maro hafitsoka, "Synthétiseur" fotsiny ihany, izay nampitombo ny traikefa teo amin ny fitendrena, indrindra ny karazana gadona Rock, Teo amin ny faha 18 taonany izy no namorona indray ny tarika iray izay mpanao Accapela fotsiny nantsoina hoe The Jays" izay tsy naharitra fa amam-bolana fotsiny dia rava ihany ko. Ka teo no niainga ny anarana hoe Tovo Jay izay marihana fa mbola tsy misy haintso "H". Namoaka singa "Single" mitondra ny lohateny hoe "Niandry" izay nandeha tamin ny anarany manokana izy avy eo, Nisy ihany koa ny firaha miasa tamin i Solofo Ranarivelo taty aoriana ka namoaka singa hafa toy ny "Naleoko izy ho any", "Ho ahy sy ho anao" izay Duo niarahana tamin ny Lova Rakoto" izay nandeha tamin ny onjam-peo maro isan-karazany teto an drenivohitra, Nanomboka teo dia niha maro ny nahafantatra azy tamin izany satri nahazo laharana avo teo amin ny Hit parade, tamin ny Radio Tsioka vao, Corail, sy Antsiva, RFV,



                                     

1.4. NY MOMBA AZY Seho voalohany1997

Teo amin ny faha 20 taonany no niakan tsehatra ka nanao seho voalohany tao amin ny ABAKABAKA amin ny anarany irery i Tovo Jay izay tsy nampoizina fa namaly ny antso ny olona maro ary nanomboka teo no nahitany fa niforona ny vondron olona mpakafy azy.

                                     

1.5. NY MOMBA AZY Mozika indray avy eo1997-2000

Telo taona no namitany ny fianarany teny aminny université, taorian izay ka niverina nandray ny mozikany indray ny tovolahy tamin ny faha 23 taonany. Teo no nifankahitany ani ARO zanaky Bessa izay niara niasa taminy akaiky ka namoaka singa iray avy hatrany, Lohateny iray tsy maty ambavanny mpaka fy mandrak-ankehitriny dia i "Mbola hafa" izay namaritra ny lalan-kombany sy ny gadona ho voiziny nanomboka teo. Nisy arak izany ny faham-pahalalana, heno tetsy sy teroa teny aminny haino amn-jery samy hafa aminny alalanny interview sy gazety, nisy araka izany ny fisehoana kely majinijinika tetsy sy teroa, ka anisan voamarika tamin izany ohatra ny fandraisany anjara tamin ny fitokanana ny haino amnjery iray OTV izay nahatonga ny trano mpamokatra na Poducteur maro niantso sy nitady fiaraha miasa taminy, ka safidy manokana tamin ireo mpamokatra ny fiaraha miasa niarahana tamin ny Do SOL

                                     

2. DINGANA EFA VITA

Efa maro be tsy ho voatanisa ireo seho na fampisehona efa vitani Tovo JHay nandritra ny taona maro, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, sombiny vitsivitsy aminireo dingana efa vita mety nanamarika ny lalana

                                     

2.1. DINGANA EFA VITA 2000

  • Fanodonana voalohany ny Clip "Mbola hafa"
  • Voasonia ny fifanarahana taminny trano mpamokatra Do SOL
                                     

2.2. DINGANA EFA VITA 2002

  • Seho voalohany Tovo JHay sy ny Tarika ZAY Antsahamanitra
  • Fisehona Voalohany tany toamasina "Soavita"
  • Seho maherinny 25 sy Fitetezam-paritany maro niarahana taminny RAKOTRA ARTISTE, FITIAVANA MARINA, notarihani Doudou Michel
                                     

2.3. DINGANA EFA VITA 2003

  • Concert, Seho irery voalohany amin ny maha Tovo JHay tao Antsahamanitra,
  • Concert Tovo JHay, ZAY, Nanie, AmbondronA, Antsahamanitra,
  • Concert voalohany tany Antsirabe, St Joseph
  • Fivoahanny raki-kira "Teny mamy"
  • CHE BEL CANTO I: Tovo JHay nirahana tamin i Bodo, Poopy, Malala, Nanie, Lalie, "Rah toa ianao ka tia Mozika", Media consulting
  • Fandraisana anjara voalohany tao anatinny Tana in Love
  • Concert Voalohany Majunga, Maison de la culture
  • Fivoahana Voalohany tany ivelany, Concert niarahana tamin i Jaojoby sy Unik FRANCE
                                     

2.4. DINGANA EFA VITA 2004

  • Concert Y4 Anyah Spydee, Joy K
  • Tournée Nationale, "Teny Mamy Tour"
  • Concert CHE BEL CANTO indroa nisesy niaraka tamin ny Pazzapa, Aina, Tosy, Sitraka, Francia, Henintsoa, Hents, Palais des sports
  • Concert Tovo JHay voalohany niarahana tamnny Loko Do SOL Antsahamanitra
  • Fisehona voalohany Tovo JHay tany Tulear, Soavinandrina, Ambositra, Ambatondrazaka sns.
  • Concert Fiarahana voalohany, Tovo JHay, Ambondrona Antsahamanitra, Loko Do Sol
  • Festival natao voalohany Fianarantsoa.
                                     

2.5. DINGANA EFA VITA 2005

  • Concert 5eme anniversaire Tovo JHay Palais des sports
  • Fermeture 5eme anniversaire Antsahamanitra niaraka tamin ny namana mpihira rehetra. Rija Ramanantoanina, Mahery, Luc, bodo, Poopy, aina Joy K, Nary, Kiady, Rado, Nanie, Lalie
  • Fivoahanny raki-kira "Tia tkoa"
  • 5 eme Anniversaire Cabaret CARLTON
                                     

2.6. DINGANA EFA VITA 2006

  • Tournée Che bel Canto tany Europe, France, Suisse
  • Concert voalohany Tovo JHay nirahana tamin i Poopy, PALAIS DES SPORTS
  • Tournée Accoustique, Cabaret antananarivo sy ny province
  • Ray mpiahy Pazzapa VI, namorina ny hira faneva "Tsaroanay foana"
                                     

2.7. DINGANA EFA VITA 2007

  • Fivoahanny raki-kira "Tsy misy toa anao"
  • Nanomboka miditra no mamorona hira ho anny Artiste Hafa koa i Tovo JHay: Anisany izany Bodo, Joy K, Nanie, Tiji, Poon, sns.
  • Concert Palais des sports Media Consulting.
  • "Tsy misy toa anao tour" Tournée Nationale
  • Loko DO SOL Antsahamanitra,
                                     

2.8. DINGANA EFA VITA 2008

  • O zoma tournée nationale
  • Concert Tovo Jhay voalohany nirahana tamin Mada pro. Palais des sports, O Zoma!
                                     

2.9. DINGANA EFA VITA 2009

Fivoahanny Raki-kira "Antsika roa irery"

  • Tournée niaraka taminny Féstival DONIA, Antsohihy, Abanja, Diego, Nosy Be
  • Concert "Mitsangana Mitraka" niraka tamin i Shyn, Tosy, Denyz, Tovo JHay Antsahamanitra
  • Tournée Europe, France suisse, Berlin, Canada
                                     

2.10. DINGANA EFA VITA 2015

  • Fivoahanny Raki-kira Angolanao
  • Concert Tovo JHay: fiverenana an-tsehatra indray tao Antsahamanitra niaraka tamini DREAMIN
                                     

2.11. DINGANA EFA VITA 2016

  • Concert Tovo JHay CC Esca niaraka tamini MIRITSOKA Pro
  • Tournée Madagascar
                                     

2.12. DINGANA EFA VITA 2017

  • Concert Arena Ivandry
  • Tournée Madagascar
  • Tournée Etas-unis
                                     

2.13. DINGANA EFA VITA 2018

  • Concert Palais des Sports Tovo JHay, Mirado,
  • Tournée EuropeFrance,Suisse
  • Fanombohana ny Fiaraha-Miasa miaraka amin ny IVENCO
                                     

2.14. DINGANA EFA VITA 2019

  • Fidirana tao anatinny Label Nudacy Records Distributeur Digital
  • Concert Tovo JHay PLAZA Ampefiloha
  • Concert La reunion
  • Cabaret Tour MADA.
                                     

3. RAKI-KIRA

Satry foana 2001

  • Ho avy any aho
  • Teo foana
  • Naleoko izy ho any
  • Satry foana
  • Samy tia
  • Hainao atao
  • Niandry
  • Ho ahy sy ho anao
  • Mbola hafa
  • Lazao azy

Teny Mamy 2002

  • Tsy afa-mandao
  • Vanona
  • Tsy mbola misy aloha
  • Teny mamy
  • Te mba ho.
  • Ndao Mba
  • Avia fa
  • Zay sisa
  • Mba Lazao
  • Hitalahoako

Tia TKoa 2004

  • Aza avela
  • Anio
  • Ray, roa, telo
  • Tia tkoa
  • Nofy Lalina
  • Tamberina
  • Dia lasa
  • Mitempo foana
  • Isikireo
  • Lafatra

Tsy misy toa anao 2006

  • Tsy misy toa anao
  • Tampoka avy teo
  • Reny feat Anyah
  • Fihin-tananao
  • Efa Jamba
  • Dia eto indray
  • Hatreto ihany
  • Rendez vous
  • Reny

Antsika roa irery 2010

  • Nifampiantso
  • Firifiry
  • Romotra Fitria
  • Antsika roa irery
  • Tsaroanay foana
  • Ho anjarako
  • Tonga dia Babo
  • Tsy ho haiko irery
  • Hirao tsotra
  • O Zoma


                                     

3.1. RAKI-KIRA Satry foana 2001

  • Ho avy any aho
  • Teo foana
  • Naleoko izy ho any
  • Satry foana
  • Samy tia
  • Hainao atao
  • Niandry
  • Ho ahy sy ho anao
  • Mbola hafa
  • Lazao azy
                                     

3.2. RAKI-KIRA Teny Mamy 2002

  • Tsy afa-mandao
  • Vanona
  • Tsy mbola misy aloha
  • Teny mamy
  • Te mba ho.
  • Ndao Mba
  • Avia fa
  • Zay sisa
  • Mba Lazao
  • Hitalahoako
                                     

3.3. RAKI-KIRA Tsy misy toa anao 2006

  • Tsy misy toa anao
  • Tampoka avy teo
  • Reny feat Anyah
  • Fihin-tananao
  • Efa Jamba
  • Dia eto indray
  • Hatreto ihany
  • Rendez vous
  • Reny
                                     

3.4. RAKI-KIRA Antsika roa irery 2010

  • Nifampiantso
  • Firifiry
  • Romotra Fitria
  • Antsika roa irery
  • Tsaroanay foana
  • Ho anjarako
  • Tonga dia Babo
  • Tsy ho haiko irery
  • Hirao tsotra
  • O Zoma
                                     

3.5. RAKI-KIRA Angolanao 2015

  • Miverina eto amiko ihany
  • Izy ilay mahagaga
  • Neny tiako
  • Mahatsiaro tsy ampy anao
  • Ry zareo
  • Angolanao Piano Bonus
  • Tsy niriany
  • Manomboketo
  • Angolanao
  • Tsy hanaiky intsony
  • Toa maika ery
  • Ilay takariva

The Best Of Tovo Jhay En Live 2020

  • Lazao azy
  • Teny mamy
  • Zay sisa
  • Romotra fitia
  • Mbola hafa
  • Te mba ho
  • Lafatra
  • Fihin-tananao
  • Tsy afa mandao
  • Niandry, Ray roa telo
  • Tsy hanaiky intsony
  • Ndao mba
  • Ho avy any aho
  • Ho anjarako
  • Samy tia
  • Zoma
  • Satry foana
  • Antsiaka roa irery
  • Angolanao
  • Tsy misy toa anao
  • Tia t’koa
  • Hatreto ihany
  • Miverina eto amiko ihany
                                     

4. RAKI-TSARY

Best Of Tovo Jhay, Vol 1, vcd 2010

  • Hatreto ihany
  • Ilay rendez-vous
  • Ho anjarako
  • Tampoka avy teo
  • Fihin-tananao
  • Ndao mba hiaraka
  • Tsy misy toa anao
  • Romotra fitia
  • Te Mba ho
  • O zoma,

mada prod/sm prod. Super music prod

                                     

5. TANTARA AN-TSARY

Efa hita tao anatinny filalaovana horonan-tsary ihany koa i Tovo JHay. "BOKY MAINTY" niarahana taminny Avoko production ny taona 2002: film mampatahotra Horreur raha fintinina, Rôle principal no endrika nisehoany. "FIAINANIZANY", Horonan-tsary faharoa nahitana azy. izay niarahana tamini Light production

                                     

6. MARIM-PANKASITRAHANA

-Artiste de lannée 2003 Midi Madagascar -Meilleur Ballade "TiaKoa" RDJ Mozika 2004 -Artiste le plus Sexy RDJ Mozika 2005 -Trophée Mozika Dance "Romotra Fitia" RDJ Mozika 2008

                                     

7. IREO MPIARA MIASA AKAIKY

Betsaka ireo artiste efa niara niasa na niara nilalao tamini Tovo JHay tao anatinny mozika

  • Ny Eja: Poety nanoratra ani "Teny mamy, Fihin-tananao, Aza avela, Tampoka avy teo, Antsika roa irery.
  • Jhon Oabmar: namorina ani "Tsy niriany"
  • Aro: Namorina ani "Mbola hafa, Lazao azy, Teo Foana"
  • Bessa: Namorina ny "Hainao ho atao"
  • Haingo izay namorina ani "Vanona tonony sy feony

Maro be ihany koa ireo mpitendry musiciens mety tsy ho voatanisa eto daholo fa hialan tsiny, izay niaraka namindra tamini Tovo JHay teny an-dalana teny: anisanizany:

  • Tity, Hasina hita teo aminny Sax
  • Thierry Jack, Ra-Danz, Mamy Tiana,Mino, Philippe, Mika kely, Hita teo aminny Gitara beso
  • Bim hita teo aminny percu
  • Tao ihany koa ny mpandihy izay nisy ani Dihvin sns.
  • Rivo kely, Samy Andriamanoro, Daddy, Solofo bota, Mickael Randrianarisolo, Lanto, Mickael Andriamasindrazana, hita teo aminny Vata maro hafitsoka na Clavier
  • Tahiana, Njaka, Vola, Narindra, Tony, Nathalie, Njara, Miora,Aina, Lalaina, Mahaliana, Sarah, Helisoa, Nancy, Joely, Sonia hita teo aminny feo lafika na Choeur
  • Nins, Naly, Mendrika,Tax, Eric,Rajo, Andry Sylvano,Titan, Zo Nirina Hita teo aminny aponga maro anaka na Batterie
  • By, Manitra, Andry blues Gitara solo


                                     

8. FIAINANA MANOKANA

Manambady ara-dalana ary mana-janaka telo izy, Taona 2000 i Tovo JHay sy Valerie no natao ara-dalana ny Fanambadiana na dia efa niaraka nandritra ny fito taona talohanizay aza ry zareo.ary nomeny anarana hoe: Jhemy, Miangoty ary Keyo no zanaky ry zareo

                                     

9. IREO HIRA NANAMARIKA

Satry foana

Hira iray mora hiraina, mora tononina, gadona tsy dia faheno loatra, Ary lasa Lohateny ny raki-kira voalohany navoaka ny taona 2001 tao amin ny Do Sol mihintsy aza.

Samy Tia

Gadona: Latino Dance, Hira iray manam porofo fa afaka milalao gadona hafa i Tovo JHay fa tsy voafehy na voafaritry ny taranja iray fotsiny.

Te mba ho

Tsy misy tsy mahalala fa i Tovo JHay dia hita matetika eny aminny fanokafana fetim-panambadiana naOuverture Mariage Hita soritra eny aminity hira ity araka ny raki-tsary izany.

Antsika roa irery

Trangam-piainana misy eo aminny maha olombelona no tantaraini Ny eja. Fiainanany namana iray akaikini Tovo JHay no nontantaraina ao anatinny hira

O zoma

"Antsika roa irery" ny Raki-kira misy azy. Hira hakana Ambiance ozy ny fiteny. Na dia vao manomboka aza ny seho dia misy foan ny mikikiaka ho O zoma atao. Asa re no mahatonga an izay?

                                     

9.1. IREO HIRA NANAMARIKA Niandry

Tonony sy feony: Tovo JHay, anisanireo hira nosoratan i Tovo Voalohany niaraka tamin ny "Naleoko izy ho any", sy "Ho ahy sy ho anao" duo miaraka amin Lova Rakoto, Nanomboka teo no niainga ny famoronana, Tsotra ny tonony, tsotra ny mozika, Sary iray tsy hadino ho anizay nahita azy teny am-boalohany, somary lavalava volo nitendry piano ra nahatadidiy tamin izany isika.

                                     

9.2. IREO HIRA NANAMARIKA Satry foana

Hira iray mora hiraina, mora tononina, gadona tsy dia faheno loatra, Ary lasa Lohateny ny raki-kira voalohany navoaka ny taona 2001 tao amin ny Do Sol mihintsy aza.

                                     

9.3. IREO HIRA NANAMARIKA Mbola hafa

Tonony sy feony: ARO, nifanojo ny tadi-dokanga satria dia i Tovo JHay no nametrahani ARO ny fitokisana fa afaka ny hamoaka ny hira izay noforoniny izay tiany indrindra tamin izany andro izany. Anisanireo hira nametraka an i Tovo JHay kosa nefa i "Mbola hafa "ho an ny toerana tsaratsara koakoa.

                                     

9.4. IREO HIRA NANAMARIKA Samy Tia

Gadona: Latino Dance, Hira iray manam porofo fa afaka milalao gadona hafa i Tovo JHay fa tsy voafehy na voafaritry ny taranja iray fotsiny.

                                     

9.5. IREO HIRA NANAMARIKA Teny Mamy

Hira nosoratani Ny Eja ny tonony, Mozika feno fanahy, Hira manome fanantenana ho anny ireo mahatsapa fa mitempo fitiavana, hira tsy mety maty handalovanny vanim-potona rehetra, Ity hira ity no hira nampitombo haingana sy vao maika nametraka ny lazani Tovo JHay. Concert niarahana tamin ny tarika Zay tao Antsahamanitra no nanatsidika azy voalohany, tonga dia voaray avy ahatrany. Anisanny hirani Tovo jhay izay nijanona ela indrindra tamin ny HIT PARADE teny amin ny ojam-peo isan karazany.

                                     

9.6. IREO HIRA NANAMARIKA Te mba ho

Tsy misy tsy mahalala fa i Tovo JHay dia hita matetika eny aminny fanokafana fetim-panambadiana naOuverture Mariage Hita soritra eny aminity hira ity araka ny raki-tsary izany.

                                     

9.7. IREO HIRA NANAMARIKA Ndao mba

Hira manamarika firaisan-kina sy fihavanana, teny am-piandohana dia niarahan Tovo JHay, samoela, Unik, sy artiste hafa. taminy evenement tao RTA tany amin ny taona 2003 tany ho any, Izy no nanoratra ny tonony sy ny feony.

                                     

9.8. IREO HIRA NANAMARIKA Lazao azy

Ny akabiazanny hirani Tovo jHay dia hira tsy mba nasiana raki-tsary Clip tsy mba natao dridrangilo Mattraquage teny aminny haino aman-jery samihafa, indrindra ireo hira taloha nampalaza azy. toy ry Teny Mamy, Tsy afa mandao Tia Tkoa, vanona, Avia fa, Tamberina sns. Kanefa, rehefa misy ny fampisehona dia tsy misaraka ary tsy manaiky ny olona rah tsy atao indrindra i "Lazao azy", namany tsy nahita Tovo JHay rehefa tsy natao io hira io.

                                     

9.9. IREO HIRA NANAMARIKA Raha tia mozika

Fampiaraham-peo niarahana tamini Bodo, Nanie, Poopy, Malala, Lalie, Che Bel Canto. Hira tsotra mora hiraina, Hira matetika hita eny aminny Karaoke fanaonny olona, toy izay koa i "Babo" duo miaraka aminny Aina,

                                     

9.10. IREO HIRA NANAMARIKA Tia tKoa

Hira nanamarina ary koa vao maika nanamafy ny lazany aorianny Teny mamy fa mbola mahay mamorona lary tsy lany aingam-panahy Tovo JHay. Hita soritra amin ity hira ity aminny alalanny angolany izany. Miampita haingana ilay fihetsem-po rehefa mihaino azy.

                                     

9.11. IREO HIRA NANAMARIKA Tamberina

Tia ny tanindrazany i Tovo JHay, Rehefa nanontaniana izy na koa heno aminny interview izay nataony isan-karazany dia tany ivelanny Madagasikara no namoronany azy. Hita soritra ihany izany rehfa mihaino ny tonony. Hafa ihany hoy izy ny tany niaviana.

                                     

9.12. IREO HIRA NANAMARIKA Tsy mbola nisy

Gadona hafa fitempo, Gadona tsy dia faheno loatra ihany koa, Gadona iray mety nahatonga ny olona hilaza angamba fa mpiangaly ny gadona RnB i Tovo JHay. Tsy dia misy hifandraisany loatra anefa fa aingam-panahy miala aminny andavanandro fotsiny ihany. Hira anisany ela indrindra ny namoronany azy satria dia nipetraka ho amam-bolana maro mihintsy vao vita ilay hira,

                                     

9.13. IREO HIRA NANAMARIKA Efa Jamba

Ity hira ity indray dia hira mifanohitra amin ilay tetsy ambony. Fotoana vitsy fotsiny mba tsy ilazana hoe tsy misy ora iray akory no nahavitani "Efa Jamba" araka ny filazany, Ny tonony sy feony io. Nefa tsy dia tsapa loatra izay raha mihaino anilay hira. satri voarindra tsara ny rehetra

                                     

9.14. IREO HIRA NANAMARIKA Hatreto ihany

Slow, Ballade, sy Izay fomba ilazana azy. fa ny manamarika azy dia ny firaiketany ilay mozika avy hatrany no miditra lalina any anaty fo rehefa mihaino azy. anisany ny hira tiany aminireo hira noforoniny ny mihira an 3Hatreto ihany".

                                     

9.15. IREO HIRA NANAMARIKA Aza avela

Tonony: Ny Eja angolam-pivavahana, Ny tiana ho marihina fotsiny eto dia i tovo JHay dia olona mivavaka ary mahatsiaro fa misy ny fahasamihafana eo amin ny fiainana andavanandro ka ny fifanomezan-tanana sy ny fifankatiavana noho izay fahasamihafana izay no tiana tsindriana aminilay hira.

                                     

9.16. IREO HIRA NANAMARIKA Tsy misy toa anao

Rehefa mitia ny olona iray dia mila mahalala sy mahafantatra fa tokana ny fitiavana fa tsy zaraina. indrindra fa eo amin izay anjara nomenAndriamanitra ary tsindriny tsara izay. Hira iray nosoratany ka natolony anny vadiny i "Tsy misy toa anao". Hay ve ka manoratra hira mba niainany ko i Tovo JHay e?

                                     

9.17. IREO HIRA NANAMARIKA Fihin-tananao

Voafehy ao anatinity hira iray nosoratni Ny Eja ity ny fitiavna rehtra.Na fitian-janaka izany na ftiavana eo aminny mpifankatia izany, na koa zanaka sy Ray amn-dreny, eny fa na dia fitiavana avy aminny Nahary aza.

                                     

9.18. IREO HIRA NANAMARIKA Antsika roa irery

Trangam-piainana misy eo aminny maha olombelona no tantaraini Ny eja. Fiainanany namana iray akaikini Tovo JHay no nontantaraina ao anatinny hira

                                     

9.19. IREO HIRA NANAMARIKA Romotra Fitia

Hafa kely raha ity hira ity no resahina, Sofiny samy hafa ary miavaka tsara ny mandray azy. Ny mahagaga dia somary ny mpaka fy Tovo JHay any anstisin-tany "province" no tena mandray sy be maka fy azy tantraka, Ny teto Antananarivo indray aza no somary nanilika ani "Romotra Fitia" raha ny fahitaa azy, Raha nanontaniana i Tovo JHay dia tsotra ny namaliany azy hoe: "Hira ho anny Malagasy". Na dia niezaka ihany aza nametraka sonia i Tovo JHay tao anatinny hira. Betsaka no nilaza fa niova famindra i Tovo JHay. ka nanjary nametram-panontaniana ny mpakafy azy teto ampivoan-tany

                                     

9.20. IREO HIRA NANAMARIKA O zoma

"Antsika roa irery" ny Raki-kira misy azy. Hira hakana Ambiance ozy ny fiteny. Na dia vao manomboka aza ny seho dia misy foan ny mikikiaka ho O zoma atao. Asa re no mahatonga an izay?

                                     

9.21. IREO HIRA NANAMARIKA Ho anjarako

Hita soritra aminity hira ity fa miditra lalina ary mia matotra kokoa hatrany ny fomba fanoratra, safidy ilay izy hoy izy, Hany ka na somary ela aza ny fandraisana azy am-boalohany. dia mateza ary miraikitra tsy miala ao anaty rehfa tafiditra. Tonony sy feony: Tovo JHay

                                     

9.22. IREO HIRA NANAMARIKA Angolanao

Aingam-panahy nifanena tao anatinny mpaka-fy sy Tovo JHay, Hira niainany aminny zavatra hita isanandro no tantarainy ao anatiny. hira tao anatinny Raki-kira farany navoakany

Endrika:Portal box

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →