Back

ⓘ Fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2013



Fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2013
                                     

ⓘ Fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2013

Ny fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara ny taona 2013 dia ny fifidianana ny filoha voalohanny Repoblika Fahaefatra. Nohonny tsifanekena avy aminny Fianakaviambe iraisam-pirenena ary ny fanajanonana ny fanampiana ara-bola vokatrizany, dia nahemotra ho aminny 25 Oktobra ny fihodinana voalohanny fifidianana filoham-pirenena. Ho atao aminny 25 Oktobra ny fihodinana voalohanny fifidianana ary ho anny 20 Desambra 2013 ny fihodinana faharoa. Efa niova im-betsaka ny datinny fihodinana voalohany: Mey 2011, Septambra 2011, May 2012, Novambra 2012, Mey 2013, Jolay 2013 ary Aogositra 2013.

                                     

1. Fifidianana filoham-pirenena

Taminny nahafiloha ani Andry Rajoelina taminny Martsa 2009, dia nambara izy fa ho atao afaka 24 volana ny fifidianana ny lalam-panorenana vaovao. Lasa filoham-pirenena tokoa i Andry Rajoelina taminny 18 Martsa 2009 avy taminny tafika nahazo ny fahefana avy amini Marc Ravalomanana noho ny fialany. Aminny maha-filoha avonny tetezamita ani Rajoelina, dia hitondra ny firenena izy hatraminny fifidianana ny filoham-pirenena manaraka. Izy no filoham-pirenena tanora indrindra taminny tantarani Madagasikara.

                                     

1.1. Fifidianana filoham-pirenena Fametrahana ny kandidatiora

Taminny 8 Aprily hatraminny 28 Aprily ny daty fametrahana ny kandidatiora any aminny CES

Ny 8 Aprily 2013 dia nametraka ny kandidatiorany i Hajo Andrianainarivelo, Jean Lahiniriko ary Roland Ratsiraka.

Ny 11 Aprily dia anjarani Pierrot Rajaonarivelo, Jean-Louis Robinson TIM ary Vahombey no mametraka ny kandidatiorany.

Ny 15, 16 ary 19 Aprily 2013 dia anjarani Andriamatoa Saraha Georget Rabearisoa, Jean-Pierre Rakoto ary Sylvain Rabetsaroana avy aminny PNJ-Mazava no mametraka ny kandidatiorany.

Ny 21, 22 ary 23 Aprily, nametraka ny kandidatiorany i Andriamatoa Brigitte Rasamoelina AMP, Julien Razafimanazato Eto Sehatry ny Daholo be ary Laza Razafiarison Avotra ho anny firennea, Camille Vital mahaleotena ary Monja Roindefo.

Taminny 24 Aprily dia nametraka ny kandidatiorany i Joseph Marin Andriamampionona, izay heverina fa kandidà mahaleotena.

Ny 25 Aprily 2013, nametraka ny kandidatiorany i Lalao Ravalomanana TIM, Avoko Rakotoarijaona, Ny Rado Rafalimanana ary Roger Kolo

Ny 26 Aprily dia kandidatiora fito no napetraka: Alain Tehindrazanarivelo ENINA, Patrick Rajaonary, Fleury Rabarison Lezava AREMA, Marcel Fleury Rakotomalala, Mickael Bréchard Dofo ary Tabera Randriamanantsoa.

Ny 28 Aprily no nahitana fametrahana kandidatiora betsaka indrindra, izany hoe 18: William Noelson, James Francklin Rakotomahanina, Guy Ratrimoarivony, Malala Savaron, Richard Rakotofiringa Razafy, Ratsimbalson Faharo, Stephan Narison, Roseline Emma Rasolovoahangy, Fetison Rakoto Andrianirina, William Ratrema, Dolin Rasolosoa, Zefania Mbohoazy, Patrick Raharimanana, Hasina Rakotoaritsifa, Freddy Tianasoa, Andriamparany Radavidson, Ndakana Antony ary Edgard Razafindravahy.

Taorianny fanambarani Andry Rajoelina ny 15 Janoary 2013 mikasika ny tsi-fametrahany kandidatiora aminny fifidianana ho avy, dia nilaza izy taminny 3 Mey 2013 fa ho kandidà aminny fifidianana ho avy.

                                     

1.2. Fifidianana filoham-pirenena Kandidatiora voaray

Namoaka ny lisitry ny kandidà mahazo milatsaka ho fidiana aminny fihodinana voalohany ny CES taminny 13 Mey 2013. Natao ny safidy akitsapaky mikasika ny laharam-pisehoanny kandidà eo aminny biletà tokana ary eo aminny tabilao ofisialy.

Nandiso fanantenana ani Frantsa ny fiovan-kevitri Rajoelina ary ny fanekena ny kandidatiorani Didier Ratsiraka ary Lalao Ravalomanana. Misy koa ireo kandidà tsy manaiky izay fanapahan-kevitra izany. Ny antony dia ny tsifamenoanireo kandidà roa ireo ny fepetra mikasika ny kandidatiora, ary ny fanekena ny kandidatiorani Rajoelina izay efa tafahoatry ny daty. Taminny 13 Jolay, dia nambananny SADC sazy ny firenena raha tsy nesorina ireo kandidatiora telo ireo. Taminny 17 Aogositra, voaesotra miaraka aminny kandidatiora dimy hafa ireo kandidatiora ireo. 31 ssisa ny kandidà afaka milatsaka hofidiana.

Ho solonireo olona voaesotra ireo, dia mikasa ani Hery Rajaonarimampianina ny kandidà Roger Kolo ary Jules-Étienne, izay manao ani Rajaonarimampianina ho kandidà farany afaka milatsaka hofidiana.



                                     

2. Fampielezan-kevitra

Vola mahery ny 100 tapitrisa ariary isanandro no laninireo kandidà aminny fanaovana fampielezan-kevitra.

Telo andro aorianny fitombohanny fampielezan-kevitra dia efa hita misongadina ireo kandida izay minia ny ho voafidy ho filoha ary ireo kandidà izay misehoseho fotsiny. Araky ny fampahalalana avy aminny sasany, dia tonga hatrany aminny 15 na 20 tapitrisa dollar na 44 miliara ariary any ho any ny teti-bolanireo kandidà tena mpandany vola, izay teti-bola lehibe nohonny teti-bolanny ministera sasany. Azo inoana mafy fa hitady ny hamerina izany vola izany ilay kandidà ho lany ho filoha rehefa tonga eo aminny fahefana.

Aminny lafinny haino aman-jery dia eo aminny 70 tapitrisa ariary ny vidinny pack fampilezan-kevitra eo aminny fahitalavitra hoy Midi Madagasikara. Misy koa ireo radiô sy televiziona mandefa mivantana ny dia ary ny fampielezan-kevitry ny kandidà sasany.

Aminny lafinny fitaterana dia 70 tapitrisa ariary ny hofanny angidim-by helikoptera. Hofaina ihany koa ireo fiara karetsaka ary ireo fiara fampiasa aminny fitateram-bahoaka, ary tonga hatrany aminny valo alina ariary isaky ny tapakandro any ho any ny hofany. Nohonny fanodinana ny hofanny taksibe ary ny vola tsy azo vokatrizany, dia mandà miasa ireo mpitatitra raha tsy voaloa mialoha ny hofanny fiara. Araky ny lazainny mpikarakara fampielezan-kevitra, dia manome t-shirt sy solon-tsakafo mahatratra hatrany aminny telo arivo Ariary isanandro ary isaky ny olona ireo mpampiely hevitra. Iaraha-malala koa fa miaina aminny vola latsaky ny efatra arivo ariary isanandro ny 60%nny malagasy.

Eo anoloanizany fandaniam-bola be izany dia maro ireo mpijery izay manontany ny antony tsy nampiasanireo kandidà ireo ny volany hanampiana ny mponina mandritry ny krizy.

                                     

3.1. Valiny Fihodinana voalohany

Ireo ny kandidà nisongadina taminny fihodinana voalohany:

  • Hajo Andrianainarivelo: 10.51% eram-pirenena. Mitarika ao aminny faritra Atsimo Atsinanana 17.06%
  • Edgard Razafindravahy: 4.35% eram-pirenena. Tsy mitarika na aiza na aiza
  • Saraha Georget Rabeharisoa: 4.5% eram-pirenena. Tsy mitarika na aiza na aiza
  • Camille Vital: 6.85% eram-pirenena. Mitarika ao aminny faritra Atsimo Andrefana 28.58%
  • Jean-Louis Robinson: 21.1% eram-pirenena. Mitarika ao aminny faritra Analamanga 42.64%, Bongolava 52.2%, Itasy 50.93%, Vakinankaratra 35.95%, Betsiboka 30.23%, Boeny 21.19%, Alaotra-Mangoro 24.65% ary Menabe 18.44%.
  • Hery Rajaonarimampianina: 15.93% eram-pirenena. Mitarika ao aminny faritra Matsiatra Ambony 32.74%, Ihorombe 20.18%, Vatovavy-Fitovinany 14.74%, Melaky 16.33%, Sofia 20.02%, Androy 30.28% ary Anosy 26.07%
  • Roland Ratsiraka: 9% eram-pirenena. Mitarika ao aminny faritra Atsinanana 34.42%, Analanjirofo 39.1%, Sava 34.9%, Diana 15.79%.

Fiaviana

Araky ny valinny CENIT dia lohalaharana aminny fihodinana voalohany i Jean-Louis Robinson. Na dia izany aza, milaza ireo mpanohana ny "revôlisiôna" fa raha atambatambatra ny isa manontolonny vatonireo kandidà revôlisiônera dia 55% ny vatonny vahoaka no azony. Ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no tohananny filohanny tetezamita Andry Rajoelina aminny fomba tsy ofisialy, ary nilaza ny filohanny tetezamita fa i H. Rajaonarimampianina no ho tohananny antoko TGV aminny fihodinana faharoa.

                                     

3.2. Valiny Fihodinana faharoa

Niaraka taminny fifidianana solom-bavam-bahoaka ny fifidianana filoham-pirenena.

Eraki Madagasikara dia niorina ireo komity mpanohana ny kandidànny fihodinana faharoa. Araky ny lazaini Andry Rajoelina dia eo aminny 55% eo ho eo ny isa manontolonireo kandidà manohana ny tolona laoranjy izay nahongana ny governemantani Marc Ravalomanana taminny Martsa 2009.

Nandritry ny famakiana ny vatonny fihodinana faharoa dia eo aminny 50% eo ho eo ny tahanny fandraisananjara. Mitarika ny kandidà Hery Rajaonarimampianina mandritry ny famakiana.

Rehefa voavaky ny 99%nny vato dia

Mikasika ny fitarihanny kandidà araky ny faritra:

  • Jean-Louis Robinson: 46.5%, mitarika ao aminny faritanini Antananarivo ary ny faritra Betsiboka
  • Hery Rajaonarimampianina: 53.5% mitarika ao aminny faritanini Toamasina, Fianarantsoa, Antsiranana, Mahajanga afatsy Betsiboka ary Toliary

Noho ireo fahatahorana ny fisiana hala-bato dia nangataka famakiana vaovao indray ny antoko AVANA sy ireo mpanohana ny filoha teo aloha ary efa 300 no isanireo fitarainana napetraka taminny komisiom-pifidianana.

                                               

CENI-T

Ny CENI-T dia vondrona iray tsy miankiana aminny fanjakana, izany hoe mahaleo tena tanteraka, ny andraikitra sahaniny dia mikirakira aminny lafinny rehetra mombanny fifidianana mpitondra firenena Malagasy, ohatra: Filoham-pirenena, Depiote, Benny tanàna.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →