Back

ⓘ Antankarana



                                               

Vazaha eto Madagasikara

Ny Vazaha eto Madagasikara dia ireo vahoaka manam-piaviana avy any Eorôpa, ka ny maro anisa amin izany dia ny Frantsay mpifindra monina sy ny taranany. Mihoatra ny 130 000 any ho any ny isan ny Frantsay eto Madagasikara.

                                               

Sinoa eto Madagasikara

Ny Sinoa eto Madagasikara dia Sinoa mpiavy eto Madagasikara izay laharana fahatelo ao amin ny fianakaviamben ny zanaka am-pielezana sinoa, ka teo anelanelan ny 70 000 sy 100 000 any ho any izy ireo tamin ny taona 2011 eto amin ny Nosy. Miteny sinoa mandarina sy sinoa kantôney ary malagasy sy frantsay ny Sinoa eto Madagasikara. Nandalo tao Maorisy aloha izy ireo vao izay tonga teto Madagasikara.

                                               

Beosy

Ny Beosy na Bôsy dia ilazana ny Vazimba nonina ao amin ny Tsingin i Bemaraha. Olona kely ray sady zeny izy ireo, mpihaza sy mpioty voan-javatra any anaty ala any afovoan-tanin i Madagasikara. Tsy mitovy amin ny Mikea izay mpihaza sy mpioty ary mpamboly any amin ny tany iva a-morontsiraka izy ireo.

                                               

Antemoro

Ny Antemoro na Antaimoro dia vondrom-poko ao amin ny tapany atsimo-atsinanan i Madagasikara, ao amin ny faritra Vatovavy-Fitovinany. Nampalaza ny foko Antemoro teo amin ny tantara ny fanoratana ny Sorabe, ny famakiana ny kintana, fandravonana ny disadisa nisy tamin ireo foko sasany tany atsimon i Madagasikara. Eo anelanelan i Namorona sy Manampatrana no fonenany. Niisa 500 000 any ho any ny Antemoro tamin ny taona 2013. Ny anaran io foko io dia avy amin ny teny hoe "morona". Araka ny lovantsofina dia manana ny fiaviana arabo ny Antemoro. Avy amin ny anaran io foko io no niavian anaran ny t ...

                                               

Sakalava

Ny Sakalava dia vondom-poko lehibe any amin ny tapany andrefana sy avaratra-andrefana ary atsimo-andrefan i Madagasikara. Miainga avy any Ampasimena no manomboka ny faritra nentim-paharazana onenan ny Sakalava, ka mianatsimo mihazo an Analalava, Mahajanga, Besalampy, Maintirano, Morondava, Morombe ary Toliara. Ireo foko mifanila vodirindrina aminy kosa dia ny Antakarana any avaratra; ny Tsimihety, ny Merina ary ny Betsileo any atsinanana; ny Bara sy ny Mahafaly any atsimo. Mizara ho faritra efatra ny vondrom-poko sakalava, dia ireto ny Sakalavan i Fiherenana: renivohitra Toliara ny Sakalav ...

                                               

Karàna

Ny Karàna dia ireo Indiana sy Pakistaney izay nifindra monina eto Madagasikara nanomboka tamin ny faramparan ny taonjato faha-17. Amin ny heviny mifintina dia ireo Indiana eto Madagasikara ihany no lazaina fa Karàna, fa amin ny heviny mivelatra kosa dia mahafaoka ny Indiana sy ny Pakistaney any India sy Pakistàna na any amin ny firenena hafa koa ny teny hoe Karàna. Miisa eo amin ny 25 000 eo ho eo ny Karàna eto Madagasikara araka ny antontanisan ny Ministeran ny raharaham-bahiny indiana. Ny teny hoe Karàna dia mety avy amin ny teny sanskrita hoe karan na ny teny hindý hoe Karânî, izay ampi ...

Antankarana
                                     

ⓘ Antankarana

Ny Antankarana na Antankaraña, Antakaragna, Tankarana dia vondrom-poko ao amin ny tendro avaratr i Madagasikara, ao amin ny Faritanin Antsiranana. Monina amin ny faritra lavalava manaraka avy eo Ampasimena mankany Vohimarina ny Antankarana. I Antsiranana, sy i Vohimarina no tanàn-dehibe any. Ny hoe "Antankarana" dia midika hoe "mponina ao amin ny harana", izany hoe ao amin ny tendrombohitra be vato. Tamin ny taona 2013 dia niisa 50 000 any ho any ny Antankarana.

                                     

1. Faritry ny Antankarana sy ireo foko ao aminy

Faritra misy ny Antankarana

Any Ankarana, any amin ny tendrony avaratra amin i Madagasikara, sy ny nosy manodidina azy nosy Mitsio, sns no misy ny Antakarana. Ankarana dia ny faritra feran i Sambirano avy eo amin ny saikanosy Ampasimena ilany andrefana sy i Bemarivo any Vohimarina ilany atsinanana mianavaratra hatrany Antsiranana.

Ireo foko ao amin ny vondrona antankarana

Ny Onjatsy sy ny Zafindraminia no foko mpiavy taloha tany Ankarana. Atao hoe tompon-tany kosa ireto foko tanisaina manaraka ireto: ny Antambohitsy, ny Antamboroka, ny Antanala ary ny Vohilava. Nanatevina ny Antankarana koa ny Sakalava sy ny Tsimihety Androna.

                                     

2.1. Kolontsaina Ny tromba

Mino ny tromba, tahaka ny foko malagasy tantsiraka maro, ny Antankarana. Ny tromba dia fomba ahafahan ny fanahin ny razana mifandray amin ny alalan ny fifampiresahana amin ny velona, ka io fanahy io dia misafidy olona anankiray mbola velona honenany. Matetika dia ny fanahin ny razan ny Sakalava no monina amin ny olona misy tromba.

                                     

2.2. Kolontsaina Ny fivavahana silamo

Ny ankamaroan ny Antankarana dia manaraka ny fivavahana silamo. Mifangaro amin ny fivavahan-drazana malagasy indrindra ny fivavahana amin ny razana ny fomba iainan ny Antankarana ny finoana silamo. Vitsy dia vitsy ny Antankarana izay manaraka madiodio ny fivavahana silamo tsy mifangaro.

                                     

2.3. Kolontsaina Ny tsangan-tsaina

Ny tsangan-tsaina na tsangan-tsaigny dia fomban ny Antankarana manokana, izay antsatohana hazo roa fatorana miaraka manoloana ny tranon ny olomben ny fianakaviana, mba hanamarika ny maha iray ny fianakaviam-be sy hanambatra ny lasa amin ny ankehitriny sy ny maty amin ny velona.

                                     

2.4. Kolontsaina Ny moraingy

Ny haiady malagasy moraingy, izay anjakan ny totohondry nefa azo andakana ihany koa, dia be mpankafy any amin ny tanora antankarana. Ady an-tsehatra ny moraingy ary misy ny manao loka. Ny mpandray anjara dia ireo zaza sy tanora lahy 10 ka hatramin ny 35 taona eo. Mandihy salegy ny mpanao moraingy aloha sy mandritra ary aorian’ ny fifanandrinana. Ny mpijery dia mitehaka sy manakora. Olona roa no mifanandrina isaky ny ady iray ka matetika dia avy amin ny tanàna na vohitra samy hafa. Tapitra ny fifanandrinana iray rehefa mivoaka ny kianja filalaovana ny mpifanandrina iray izay tsy afaka miaro tena na miady intsony noho ny ratra na zavatra hafa mahazo azy.

                                     

2.5. Kolontsaina Ny omby

Mpiompy sy mpiandry andian omby ny Antankarana taloha na dia mifototra amin ny fambolena aza ny fivelomany ankehitriny. Andrefesana ny fankatoavana ny razana ny isan ny omby atao sorona ho azy ireo. Singa mampiavaka ny ankamaroan ny fombafomba sy fankalazana mifandray amin ny dingam-piainanana eo amin ny mpino miozolmana toy ny fahaterahana sy ny fampakaram-bady ary ny fahafatesana ny fanaovana sorona omby.

                                     

3. Jereo koa

Ny foko eto Madagasikara

  • Antambahoaka - Antandroy - Antankarana - Antanosy - Antefasy - Antemoro - Antesaka - Bara - Beosy - Betsileo - Betsimisaraka - Bezanozano - Mahafaly - Makoa - Masikoro - Merina - Mikea - Sakalava - Sihanaka - Tanala - Tsimihety - Vezo - Zafimaniry - Zafisoro.

Ny vahoaka hafa eto Madagasikara

  • Vazaha eto Madagasikara
  • Karàna
  • Sinoa eto Madagasikara
                                     

4. Boky azo anovozan-kevitra

  • Walsh, Andrew 1998. Constructing Antankaraña, history, ritual and identity in northern Madagascar PDF. Toronto: National Library of Canada.
  • Condra, Jill 2013. Encyclopedia of National Dress: Traditional Clothing Around the World. Los Angeles: ABC Clio. ISBN 978-0-313-37637-5.
  • Sharp, Lesley 1993. The Possessed and the Dispossessed: Spirits, Identity, and Power in a Madagascar Migrant Town. Berkeley, CA: University of California Press. ISBN 9780520918450.
  • Campbell, Gwyn 2012. David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar". Leiden, The Netherlands: Brill. ISBN 9789004209800.
  • Vial, M., 1954, "La royauté antankarana". Bulletin de Madagascar N°92 Janvier 1954.
  • Battistini, R., sy Verin, P., 1967, "Irodo et la tradition vohémarienne. Arabes et Islamisés à Madagascar et dans lOcéan Indien". Revue de Madagascar N°34-37 sy Taloha 2. Imprimerie Nationale Tananarive, 1967.
  • Bradt, Hilary; Austin, Daniel 2007. Madagascar 9th ed. Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. ISBN 1-84162-197-8.
  • Middleton, Karen 1999. Ancestors, Power, and History in Madagascar. Leiden, The Netherlands: Brill. ISBN 9789004112896.
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →