Back

ⓘ Régis Rajemisa Raolison



                                               

Heniheny

                                               

Honahona

Heniheny: "Tany ihandronan ny ranoka manjary honahona sy feno ahitra; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo."

                                               

Dobo

Hetrina: "Farihy na dobo taloha efa salira ritranefa tsy ialan-drano foana". Heniheny: "Tany ihandronan ny ranoka manjary honahona sy feno ahitra; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo".

                                               

Vodivona

Ny vodivona na menakely, tamin ny andro faha mpanjaka, dia faritany nofehezin andriana napetraky ny mpanjaka tao, izay natao indrindra hoe tompom-bodivona na koa tompo-menakely.

                                               

Loharano

Ny loharano dia "rano miboiboika avy ao anaty tany, izay rano avy amin ny ranonorana naninteraka tany anaty tany ka mipoitra indray avy eo; ny loharano rehefa mitambatambatra amin ny hafa no tonga sakeli-drano, dia renirano ary ony".

                                               

Zavona

Ny zavona dia fitambarana tete-drano madinika dia madinika izay mitsingevana eny amin ny rivotra noho ny habitihany. Milatsaka moramora ny teten-drano ao amin ny zavona. Misakana ny fahitana lavitra roy ny rahona ny zavona raha matevina. "Fitangoronam-bovo-drano matevina mitorajofo amin ny maraina na ny hariva eny amin ny habakabaka, akaikin ny tany kokoa noho ny rahona, ka mazàna misafosafo eny an-tampon ny tendrombohitra" ny zavona.

                                               

Deboka

Ny deboka dia faritra amin ny vohon ny tany izay ambany kokoa raha mitaha amin ny faritra manodidia sady manakatona azy izay misolampy midina mankany aminy. Mety misy farihy na mando lava ny deboka raha saroman-dafika tsy tantera-drano loatra. Ny Ranomasina Maty, izay any amin ny 400 m ambanin ny haambon ny ranomasina no deboka iva indrindra eto an-tany.

                                     

ⓘ Régis Rajemisa Raolison

Régis Rajemisa Raolison dia mpanoratra malagasy nisongadina taminny fanoratana boky fampiarana ny fitsipiky ny teny malagasy toa anIsambilo, Fiteny mamiko, ny fanoratana tononkalo, sy rakibolana.

                                     

1. Tantara

Teraka taminny 8 Mey 1913 tany Antsiranana raha niasa nanao raharaham-panjakana tany rainy sy reniny: Edouard Rajemisa sy Victoire Razaivelo, fa ny tany fiaviany dia Ambatoroka sy Ankadindambo-Ambohimangakely Antananarivo.

Mpampianatra no raharaha nosafidiny. Ka raha vao nahavita ny fianarana ambaratonga faharoa izy 1931, dia nirotsaka taminny fampianarana, ka tao aminny Misiona katolika Manjakandriana aloha 1932, dia tao aminny Kolejy Masi-Misely nampanomana CESD 1933-1942, dia tao aminny Kolejy iray tsy miankina: Institution Vigny 1943-1946, ary niverina indray tao aminny Kolejy Masi-Misely, fa taminny fampianarana ambaratonga faharoa 1947-1957. Voaray hanao raharahanny Chef de cabinet tao aminny Ministeranny Fahasalamana izy 1957-1958, ary dia tafajanona taminny fanjakana sampana fampianarana ka nomena toeranny mpiandraikitra lefitra taminny sampan-draharaha iray vaovao Centre détudes et dinformation sur la langue et la civilisation malgaches, sady nampianatra sy niasa teny aminny Oniversite sy taminny Lycées 1959-1973.

Raim-pianakaviana izy taminny taona 1942, nampakatra ho vadiny an-dRamatoa Julienne Razanajao, izay nanampy azy fatratra hatrany taminny fanomezana hery sy torohevitra. Niteraka dimy izy mivady ary telo ambinny folo ny zafikeliny ankehitriny.

Tsy mpampianatra ihany anefa izy, fa mpanoratra ihany koa; maro karazana ireo boky nandaniany ron-doha tao anatinny dimampolo taona satria taminny taona 1935 no nanoratany voalohany.

                                     

2. Asa soratra

  • Fiteny mamiko: kilasy fahatelo 1967
  • Fiteny mamiko: kilasy fahefatra 1972
  • Grammaire Malgache 1971
  • Mba zovy kosa ho aho? tononkalo
  • Misy very anjara
  • Vakoka: Dictionnaire des Synonymes de la Langue Malgache 1948
  • Isambilo
  • Ady anaty
  • Ny herin ny Fahatsiarovana tononkalo
  • Ratolojanahary
  • Rakibolana Malagasy 1985
  • Tsingerim-panina
  • Ny Fanantenana tononkalo
  • Mba olom-banona
  • Fomba aman-pahendena malagasy 1972
  • Dictionnaire Historique et Géographique 1966
  • Mamy ve ny miaina
  • Rivo-doza
  • Les Poètes Malgaches dexpression française
  • Fitsipi-panoratana Malagasy
  • Tononkalo sy lahatsoratra: kilasy fahadimy, kilasy fahenina
  • Fianarana ny Fitsipi-pitenenana malagasy
                                     

3. Mari-boninahitra aman-pankasitrahana

  • Commandeur de lOrdre National 1983
  • Chevalier de lOrdre du Mérite de Madagascar 1962
  • Officier de lOrdre des Arts et des Lettres République française 1981
  • Officier de lOrdre National 1978
  • Chevalier de lOrdre National 1964
  • Mari-Pankasitrahana avy aminny Ministeranny Fanolokoloana sy Zavakanto Revolisionera 1981
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →