Back

ⓘ Sokajin-teny



                                               

Teny

Aminny heviny mahazatra, ny teny dia feo na soratra mitandahatra, ka manome heviny sy manana ny dikany. Ny fiavahanny teny roa samy hafa dia sarahinny mpanelanelana, izay matetika eba na malalaka hita aminny soratra, ary fiatoana kely heno aminny fitenenana.

                                               

Mpampitohy teny

Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa ao aminny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra.

                                               

Anjara asa (fitsipiteny)

Ny anjara asa dia karazam-pifandraisana sy fifampiakinana misy eo amin ny teny na andian-teny sy ny teny na andian-teny fototra mikambana ao amin ny andian-teny lehibe kokoa. Ireto ny anjara asa mateti-pitranga ao amin ny fehezanteny: ny entimilaza sy ny lazaina ary ny fameno. Amin ny fitsipiteny malagasy, ankoatra ny entimilaza sy lazaina ary ny fameno, dia avahana koa ao amin ny fehezanteny ny reny lazaina sy ny zana-dazaina, ny reny entimilaza sy ny zanakentimilaza, ny reny fameno sy ny zana-pameno.

                                               

Mpamari-toetra

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina aminny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetranny zavatra tondroina aminilay anarana na ny toetranny zavatra tondroina aminny lazaina. Zana-tsokajinny mpamaritra ny mpamari-toetra. Ao aminny fehezanteny iray dia afaka misahana ny anjara asanny entimilaza ny mpamari-toetra ka mety mila andry mpanakambana izany na tsia arakaraka ny fiteny. Afaka ialohavana na arakarahin-teny na andian-teny mameno azy ny mpamari-toetra ka ahazoana ny atao hoe "tarika mpamari-toetra", ary ireo teny maneno azy ireo no atao hoe "famenonny mpamari-toetra".

                                               

Tenim-piontanana

Ny tenim - piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana ka tsy voatery hampiarahina aminny teny hafa, mba hanehoana fihetseham-po, na hampitana hafatra aminny fomba tsy mampiasa teny maro, na hakana tahaka feon-javatra.

                                               

Tambinteny

Ny tambinteny dia teny izay natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany aminizany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns, ka ahafahana mamaly ny fanontaniana hoe: aminny fomba ahoana?, oviana?, aiza?, sns. Ny tarika foroninny tambinteny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika tambinteny". Afaka ialohavana na arakarahin-teny na andian-teny mameno azy ny tambinteny ka ahazoana n ...

                                     

ⓘ Sokajin-teny

Atao hoe sokajin-teny ny vondrona misy ireo teny afaka mifanolo hisahana anjara asa mitovy am-pehezanteny ao amin’ny fiteny iray. Mizara ho vondrona roa lehibe ny teny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny anarana, ny matoanteny, ny mpamaritra, ny tambinteny, ny tenim-piontanana, ny mpisolo anarana ary ny mpampitohy. Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra koa anefa ny teny ao amin’ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao lazaina koa ao aminny fiteny malagasy.

                                     

1.1. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny anarana

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana. Mety ho toerana na fotoana na hevitra koa no tondroina aminny anarana.

Ohatra:

Omby, hazo, rivot ra, fanahy, alahelo, mpitolona, fihetsika, tsena, takariva, mpihazaka, fampitomboana, demokrasia, vondrombahoaka, vary aminanana, soatoavina.

                                     

1.2. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny matoanteny

Ny matoanteny dia teny ampiasaina ao aminny fehezanteny na fehezankevitra hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns. Matetika izy dia misahana ny anjara asa entimilaza na vara.

Ohatra:

Hilahatra, nifampitaona, miarahaba, mampanantena, miasa, avy, tonga, mihomehy, manoratra, nanolo, manameloka.

                                     

1.3. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpamari-toetra

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina aminny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetranny zavatra tondroina aminilay anarana na ny toetranny zavatra tondroina aminny lazaina. Zana-tsokajinny mpamaritra ny mpamari-toetra.

Ohatra:

T sara, mainty, makirana, kizitina, lalina, sariaka, mateza, mando, mijidina, hentitra, velona, malazo, tamana.

                                     

1.4. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny tambinteny

Ny tambinteny dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany aminizany dia ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns. Marihina fa misy sokajin-tambinteny vitsy singa izay voasokajy ho zanateny.

Ohatra:

Tambinteny aminny teny frantsay: merveilleusement, beaucoup, comment, oui, non, bien, jamais, vite, fermement.

                                     

1.5. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny zanateny

Ny zanateny dia teny tsy azo sarahina aminny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asanny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no sokajina ho zanateny, dia ny mpampitohy, ny mpampiankina, ny mpisolo, ny mpanoritra, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-teninny zanateny.

Miavaka ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana aminny mpisolo, matetika izy ireo teny fohy, tokana anjara asa ary mifangaro aminny teny iatsoaona ny anjara asany idraindray ny anarany.

                                     

1.6. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpanoritra

Aminny fiteny ahitana azy, ny mpanoritra dia teny akambana indrindraindrindra aminny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina aminio anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina aminilay teny ikambanany.

Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isanny zana-tsokajinny mpanoritra arakaraka ny fiteny. Ny fiteny rosiana, ohatra, dia tsy manana mpanoritra.

Ohatra:

Mpanoritra aminny fiteny malagasy: ny, ilay, i, Ra -.

Mpanoritra aminny fiteny frantsay: le, la, les, un, une, des.

Mpanoritra aminny fiteny anglisy: the, a, an.

                                     

1.7. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny zanateny mpamaritra

Ny zanateny mpamaritra dia teny akambana aminny anarana ao aminny tarika iray mba hahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka aminny fanondroana ny kilahivavy, ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny filaza isa sns izy. Isanny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, ny mpamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray ary ny mpamaritra tompon-javatra.

Ohatra:

Mpamaritra aminny fiteny frantsay: mon, cet, quel, deux.

Mpamaritra aminny fiteny anglisy: my, this, what, two, which.

                                     

1.8. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpisolo

Ny mpisolo dia teny maka ny toeranny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isanny sokajinny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.

Ohatra:

Mpisolo aminny fiteny malagasy: izaho, aho, iza, izy, ahy, io, izay.

Mpisolo aminny fiteny frantsay: je, me, moi, mien, ceci, dont, nous, vous, on.

Mpisolo aminny fiteny anglisy: we, us, yours, you, this, who.

                                     

1.9. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpampitohy

Ny mpampitohy dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao aminny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy, dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa sady matetika mitovy sokajy ao aminny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra sasany, izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra, sady milaza ny fifampiakinana misy eo aminireo fehezankevitra ireo, dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.

Ohatra:

Mpampitohy aminny fiteny malagasy: sy, ary, nefa, na, sa, satria.

Mpampitohy aminny fiteny frantsay: et, ou, mais, or, car, ni, parce que, lorsque.

Mpampitohy aminny fiteny anglisy: and, or, but, because, while.

                                     

1.10. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpampiakina

Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinanizy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny, nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny fehezankevitra ampidirinny mpampiakina fehezankevitra miankina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina aminny alalanny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.

Ohatra:

Mpampiankina aminny fiteny malagasy: amy, amina, ana.

Mpampiankina aminny fiteny frantsay: de, avec, pour, contre, vers, hors, par.

                                     

1.11. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny kianteny

Ny kianteny dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy aminny anny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao aminny fiteny iray izay ataony hoe kianteny. Kianteny ny hoe dia sy no ao aminny fiteny malagasy.

Ohatra:

Kianteny aminny fiteny malagasy: dia, ka, no.

                                     

1.12. Ireo sokajin-teny fahita matetika Olanny fanasokajiana ho reniteny na zanateny

Misy ny teny sarotra sokajina ho reniteny na zanateny. Isanizany ny tenim-piontanana.

                                     

1.13. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny tenim-piontanana

Ny tenim-piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po, na hampitana hafatra aminny fomba tsy ampiasana teny maro, na hakana tahaka feon-javatra feom-biby, fipoahana sns.

Ohatra:

Tenim-piontanana aminny teny malagasy: indrisy, oadray, hanky.

Tenim-piontanana aminny teny frantsay: oh, eh, ho, helas.

                                     

2. Ny sokajin-teny ao aminny fiteny sasany

Tsy ary ho voateny eto daholo ny fiteny rehetra misy eranizao tontolo izao fa ny vitsivitsy ihany aminireo no hasian-teny eto.

Ny sokajin-teny ao aminny fiteny malagasy

Ao amin’ny fiteny malagasy, ohatra, dia ahitana ireto sokajin-teny ireto:

  • ny mpisolo, ny mpanampy,
  • ny tambinteny,
  • ny mpanoritra oh.: ny, i, ra sns.
  • ny matoanteny,
  • ny mpampitohy teny oh.: sy, ary,
  • ny tenim-piontanana oh.: endrey, hanky,
  • ny anarana,
  • ny mpampiankina,
  • ny mpampiankina fehezankevitra,

Ny sokajin-teny ao aminny fiteny frantsay

Ao amin’ny fiteny frantsay, ohatra, dia ahitana:

  • ny mpampitohy teny,
  • ny mpamaritra,
  • ny mpampiankina fehezanteny,
  • ny matoanteny,
  • ny tambinteny oh.: vraiment "tokoa", notamment "indrindra",
  • ny anarana oh.: riz "vary", terre "tany",
  • ny tenim-piontanana oh.: hélas "indrisy" sns.
  • ny mpisolo mien "ny ahy"),


                                     

3.1. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Fizarànny sokajin-teny

Ny sokajin-teny tsirairay dia mety hahitana fizaràny roa na maro. Ireto misy ohatra ny amin’izany ao amin’ny teny malagasy: Ny sokajin’ny mpamaritra dia mizara ka ahitana ny mpamaritra milaza toetra, ny mpamaritra isa oh.: roa, fahefatra, ny mpamaritra manondro oh.: itsy, io, izany sns. Ny sokajy anarana dia mizara roa ka ahitana ny anarana iombonana sy ny anaran-tsamirery.

                                     

3.2. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Fifandraisanny sokajin-teny ao aminny fiteny samy hafa

Ny teny iray ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny iray dia mety tsy hahitana izay teny mitovy hevitra sy sokajy aminy ao amin’ny fiteny iray hafa. Raisina ohatra amin’izany ny tambinteny frantsay hoe vite izay tsy misy teny malagasy sady mitovy hevitra no mitovy sokajy aminy fa ny mpamari-toetra hoe haingana no mitovy hevitra aminy. Maro amin’ny mpampiankin-teny ao amin’ny teny frantsay no tsy misy teny tokana mitovy hevitra aminy fa matoanteny na andian-teny ahitana mpisolo toerana arahina mpamaritra milaza toetra matetika no ampiasaina oh.: fr.: devant = mg.: manoloana ; fr.: sur = mg.: eo ambony. Ny teny hoe ici dia tambinteny ao amin’ny fitsipi-pitenenana frantsay nefa ny hoe eto, izay mitovy hevitra aminy, dia voasokajy ho mpisolo toerana ao aminny fiteny malagasy.

                                     

3.3. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fisianny sokanjin-teny sasany aminny fiteny iray

Tsy voatery hisy amin’ny fiteny eran’izao tontolo izao ny sokajin-teny rehetra. Ny fiteny latina dia tsy ahitana mpanoritra. Ohatra: Cicada cantavit ara-bakiteny: Jorery nihira = "Naneno ny jorery". Ny fiteny malagasy dia tsy ahitana ny atao hoe mpanoritra tsy voafaritra nefa ny fiteny frantsay ahitana izany.

                                     

3.4. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fitovianny isanny teny ao aminny sokajin-teny iray arakaraka ny fiteny

Tsy voatery hitovy ny isan’ny teny ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Maro dia maro ao amin’ny fiteny malagasy ny mpisolo manondro raha ampitahaina amin’ny teny mitovy sokajy aminy ao amin’ny fiteny frantsay na ny fiteny anglisy. Raha ny fiteny frantsay tsy ahitana afa-tsy ny hoe ce sy cette ary ces, ny fiteny malagasy kosa manana ny hoe ity, ireto, izato, io, ireo, iny, ireny, ito, ireto, izany, irý, irerý sns.

                                     

3.5. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fitovianny anjara asanny teny ho anny sokajin-teny mitovy ao aminny fiteny roa

Tsy voatery hitovy ny anjara asan’ny teny mitovy sokajy ao amin’ny fehezanteny ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Ny sokajin-teny matoanteny ihany no azo atao entimilaza na afaka mampanjary entimilaza ny teny na andian-teny miaraka aminy ao amin’ny fehezanteny frantsay na anglisy. Ny mpamaritra sy ny anarana ary ny mpisolo anefa dia samy azo atao entimilaza tsy misy matoanteny ao amin’ny fiteny malagasy.

Ohatra: Matory ilay saka matoanteny. Mena ny masony mpamaritra. Kisoa ireny anarana. Io izy mpisolo.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →