Back

ⓘ Boky faharoanny Tantara



Boky faharoanny Tantara
                                     

ⓘ Boky faharoanny Tantara

Ny Boky faharoan’ny Tantara na Tantara faharoa dia boky ao aminny Testamenta Taloha ao aminny Baiboly kristiana sady hita koa ao aminny Tanakh, boky masinny jodaisma. Ampahany aminny boky nozaraina roa io boky io, dia ny Bokinny Tantara, ka ny tapany voalohany dia ny Boky voalohanny Tantara.

Manomboka aminny tantarananny fanjakani Solomona ny boky. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa: Fanjakan’i Jodà any atsimo sy Fanjakan’i Israely any avaratra. Derainny mpanoratra ho ilay mpanjaka tonga lafatra i Solomona na Salômôna ao amin’ny boky. Voaresaka ao aminny Boky faharoan’ny Tantara fa ny vahoakan’i Israely dia vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin’Andriamanitra. I Hezekia na Ezekiasa sy i Josia na Josiasa no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.

                                     

1. Ny aminny anaranny boky

Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay samy avy aminny teny latina hoe cronicon. Ao amin’ny heviteny aminny teny latina nataoni Hieronimo na Jerôma avy any Stridona, ny lohatenio boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiranny anaranio boky io amin’ny fiteny maro ao Eoropa ohatra: latina: Libri Chronicorum ; frantsay: Livres des Chroniques ; anglisy: Books of Chronicles sns. Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ara-potoana nisehoany”.

Ao aminny Tanakh dia nitambatra ao aminny horonam-boky tokana atao hoe Bokinny Tantara ny Boky voalohanny Tantara sy ny Boky faharoanny Tantara. Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים‬, / Divrei ha-Yamim, izay midika hoe "ireo teny na asa niseho tao amin’ireo andro". Ny anaran’io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta Baiboly tranainy amin’ny teny grika dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka izay hita ao amin’ny Bokin’ny Tantara.

                                     

2. Ny fanoratana ny boky

Ireo mpisorona hebreo tao Jerosalema no heverinny mpandinika fa nanoratra ny Bokinny Tantara tany aminny taonjato faha-4 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Ezra na Esdrasa no nanoratra ny Boky faharoanny Tantara.

                                     

3. Fizarànanny boky

Azo atao ny mizara ny boky ho roa: ny nanjakani Solomona 2Tant. 1 – 9, ny fivakisanny firenena sy ny fahababoana 2Tant. 10 –36.

Ny fahendren’i Solomona 2Tant. 1 – 2

  • Ny nisehoan Andriamanitra tamini Solomona 1.1 – 1.18
  • Ny fiomanani Solomona hanamboatra ny Tempoly 2.1 – 2.17

Ny nanjakani Rehoboama sy ny nivakisanny firenena 2Tant. 10 - 12

  • Ny fanjakani Rehoboama 11.1 – 12.16
  • Ny niodinanny foko folo taminny mpanjaka Rehoboama 10.1 – 10.19
                                     

3.1. Fizarànanny boky Ny nanjakani Solomona

Ny fizaràna voalohany ao aminny boky 2Tant.1 – 9 dia mitantara ny fanjakani Solomona sy ny nananorenany ny Tempoly tao Jerosalema ary ny fanombohanny fivavahana ao an-Tempoly. Toy izao ny andinindininy aminizany:

                                     

3.2. Fizarànanny boky Ny fahendren’i Solomona 2Tant. 1 – 2

  • Ny nisehoan Andriamanitra tamini Solomona 1.1 – 1.18
  • Ny fiomanani Solomona hanamboatra ny Tempoly 2.1 – 2.17
                                     

3.3. Fizarànanny boky Ny fivakisanny firenena sy ny fahababoana

Ny fizaràna faharoa 2Tant.10 – 36 dia manomboka aminny firesahana ny aminny fikomianny fokoni Israely any avaratra ary ny fivakisanny firenena ho fanjakana roa. Avy eo ny boky mitantara ny Fanjakani Joda hatraminny naharavani Jerosalema sy ny nitondrana ho babo ny Jiosy tany Babilona ka mifarana aminny fanafahana ny Jiosy.

                                     

3.4. Fizarànanny boky Ny nanjakani Rehoboama sy ny nivakisanny firenena 2Tant. 10 - 12

  • Ny fanjakani Rehoboama 11.1 – 12.16
  • Ny niodinanny foko folo taminny mpanjaka Rehoboama 10.1 – 10.19
                                     

3.5. Fizarànanny boky Fanjakana hatramini Abia ka hatramini Ahaza 2Tant. 13-28

  • Ny nanjakani Ahazia 25.1 – 25.28
  • Ny nanjakani Jotama 27.1 – 27.9
  • Ny nanjakani Asa 13.23 – 16.14
  • Ny nanjakani Jehorama 21.1 – 21.20
  • Ny nanjakani Ahaza 28.1 – 28.27
  • Ny nanjakani Ahazia sy i Atalia 22.1 – 23.21
  • Ny nanjakani Joasy 24.1 – 24.27
  • Ny nanjakani Abia 13.1 – 13.22
  • Ny nanjakani Ozia 26.1 – 26.28
  • Ny nanjakani Josafata sy ny fanampianAndriamanitra azy 17.1 – 20.37
                                     

3.6. Fizarànanny boky Fanjakana hatramini Hezekia ka hatraminny didini Kirosy 2Tant. 29 – 36

  • Ny nanjakani Manase sy Amana 33.1 – 33.26
  • Ny nanjakani Hezekia na Ezekiasa sy ny fanampianAndriamanitra azy 29.1 – 32.32
  • Ilay didini Kirosy nampody ny Jiosy an-taniny 36.22 – 36.23
  • Ny nanjakani Joahaza sy i Joiakima sy i Joiakina ary i Zedekia na Sedekiasa ary ny fahababoana 36.1 – 36.21
  • Ny nanjakani Josia na Josiasa sy ny nahitana ny Bokinny Lalàna 34.1 – 35.27
                                     

4. Jereo koa:

Boky ara-tantara protokanonika:

  • Boky voalohani Samoela
  • Boky voalohanny Tantara
  • Boky voalohanny Mpanjaka
  • Boky faharoani Samoela
  • Bokini Rota
  • Bokini Josoa na Jôsoe
  • Bokini Ezra na Esdrasa
  • Bokini Nehemia
  • Boky faharoanny Mpanjaka
  • Bokinny mpitsara
  • Boky faharoanny Tantara

Boky ara-tantara deoterokanonika:

  • Bokini Tobia
  • Boky voalohanny Makabeo
  • Boky faharianny Makabeo
  • Bokini Jodita
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →