Back

ⓘ Bokinny Tantara



Bokinny Tantara
                                     

ⓘ Bokinny Tantara

Ny Bokin’ny Tantara dia horonam-boky na boky ao amin’ny Baiboly jiosy, ka ny fizaràna azy ho roa no niavian’ny Boky voalohanny Tantara sy ny Boky faharoanny Tantara ao amin’ny Baiboly kristiana ankehitriny. Io boky io dia manazava ny antony nizarànny fireneni Israely ho roa ka niteraka ny Fanjakan’i Isiraely any avaratra sy ny Fanjakan’i Jodà any atsimo, ka atombony hatramin’ny famoronana an’i Adama izany ka mifarana aminny fahababoanny Jiosy sy ny fivereneny indray an-tanindrazana.

                                     

1. Ny anaran’ny boky sy ny fanoratana azy

Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים‬, / Divrei ha-Yamim, izay midika hoe "ireo teny na asa niseho tao amin’ireo andro". Ny mpisorona hebreo tao Jerosalema no heverin’ny mpandinika fa nanoratra ny Bokinny Tantara tany amin’ny taonjato faha-4 tal. J.K.

Ny anaran’io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta Baiboly tranainy amin’ny teny grika dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka izay hita ao amin’ny Bokinny Tantara.

Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay avy amin’ny teny latina hoe cronicon. Ao amin’ny heviteny amin’ny teny latina nataon’i Hieronimo na Jerôma avy any Stridona, ny lohaten’io boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiran’ny anaran’io boky io amin’ny fiteny maro ao Eoropa ohantra: lat.: Libri Chronicorum ; fr. Livres des Chroniques ; ang.: Books of Chronicles sns. Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ara-potoana nisehoany”.

                                     

2. Fizarànan’ny boky

Mizara roa ny boky araka ny hita amin’ny fisian’ny boky roa ao amin’ny Baiboly, dia ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’ny Tantara. Azo zaraina roa ny tsirairay amin’ireo fizaràna roa lehibe ireo.

                                     

2.1. Fizarànan’ny boky Ny Boky voalohanny Tantara

Ity fizaràna voalohany ity dia manazava ny tantaran’ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan’i Jodà hatramin’ny famoronana an’i Adama. Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao, izay nanao an’i Jerosalema ho ivontoeran’ny fivavahana amin’Andriamanitra.

  • Ny fanomanana ny fanorenana ny Tempoly 1Tant. 21 – 29
  • Ireo tetiarana hatramin’i Adama 1Tant. 1 – 9
  • Ny fanjakan’i Davida 1Tant. 10 – 20
                                     

2.2. Fizarànan’ny boky Ny Boky faharoanny Tantara

Ity fizaràna faharoa ity dia manomboka amin’ny tantaranan’ny fanjakan’i Solomona na Salômôna. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa. I Hezekia na Ezekiasa sy i Josia na Josiasa no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.

  • Ny nanjakan’i Solomona 2Tant. 1 – 9
  • Ny fivakisan’ny firenena sy ny fahababoana 2Tant. 10 – 36
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →