Back

ⓘ Tetiandro malagasy



                                               

Tetiandro

Ny tetiandro na kalandrie na alimanaka dia fitaovana anisana ny andro sy ny volana ary ny taona sady amantarana ny toerana misy azy ireo sy ny laharany ao aminny fizotranny fotoana ho anny fiainana andavanandro. Voazara ho andro sy ho herinandro sy ho volana ary taona ny fotoana, araka ny fihodinny Tany aminny Masoandro na ny anny Volana aminny Tany. Ny tetiandro dia fitaovana noforoninny olombelona mba handaminana ny fizaràm-potoana anatina fotoana lava. Ny tetiandro be mpampiasa aminizao fotoana izao dia ny tetiandro gregoriana. Ny tsingerim-pihodinanny Tany aminny tenany no atao hoe and ...

                                               

Tetiandro miozolmana

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasainny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy aminny fitsingerenanny Volana aminny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohanny volana tsirairay dia mifanandrify aminny fotoanny tsinam-bolana hitanny maso. Ampiasaina indrindra aminny fankalazana fety aminny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo aminny tsingerim-pihodinanny Tany aminny Masoandro na aminny fiza ...

                                               

Tetiandro egiptiana

Ny tetiandro egiptiana taminny Andro Taloha izay atao hoe tetiandro nilotika koa dia tetiandro manara-masoandro. Voatsinjara ho roa ambinny folo volana misy telopolo andro avy ao aminny fizaran-taona telo ny iray taona. Izao ireo fizaran-taona ireo: Akhet sy Peret ary Chemu. Ireto kosa ny anaram-bolana: Thout, Phaophi, Athyr, Khoiak ; Tybi, Mekhir, Phaminoth, Pharmouti ; Pakhon, Payni, Epiphi, Mésori.

                                               

Jolay

Janoary - Febroary - Marsa - Avrily - Mey - Jona - Jolay - Aogositra - Septambra - Oktobra - Novambra - Desambra Tetiandro Tetiandro gregoriana Tetiandro malagasy

                                               

Desambra

Janoary - Febroary - Marsa - Avrily - Mey - Jona - Jolay - Aogositra - Septambra - Oktobra - Novambra - Desambra Tetiandro gregoriana Tetiandro malagasy Tetiandro

                                               

Ôktôbra

Janoary - Febroary - Marsa - Avrily - Mey - Jona - Jolay - Aogositra - Septambra - Ôktôbra - Novambra - Desambra Tetiandro malagasy Tetiandro Tetiandro gregoriana

                                     

ⓘ Tetiandro malagasy

Ny tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasainny Malagasy talohanny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentinireo vazaha sady mbola ampiasaina aminny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra. Avy aminireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaranantokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy aminny anaranantokon-kintana aminny haikintana na fanandroana indiana aminny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy aminny anaranantokon-kintana aminny haikintana arabo.

Avy aminny tetiandro arabo ny anaranny andro ao aminny herinandro. Misy 29 na 30 andro ny iray volana aminny tetiandro malagasy.

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy aminny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho aminny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany.

Noho ny fitoviana misy eo aminny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaranandro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao aminny tetiandro gregoriana ampiasainny Malagasy aminizao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa aminny fivavahana aminandriamanitra maro na aminny fivavahanny mpanompo sampy.

Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodinny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina aminny antokon-kintanny zodiaka.

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa aminizy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho anireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

                                     

1. Volana ao aminny tetiandro malagasy

Misy karazany roa ny anaram-bolana malagasy, dia ny avy aminny fiteny sanskrita sy ny avy aminny fiteny arabo.

Fifandraisanny anarana aminny teny sasany

Izao ny anaranireo vintana ireo aminny fiteny latina sy malagasy sy arabo ary frantsay:

                                     

1.1. Volana ao aminny tetiandro malagasy Anaram-bolana avy aminny teny sanskrita

Ireto ny anaram-bolana avy aminny teny sankrita izay mbola misy mampiasa aminny faritra maro eto Madagasikara, ka tsy ny mpanandro ihany no mahalala azy noho ny sasany aminizy ireo ampiasaina ho anaranny fizaran-taona: Hatsiha, Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Volambita, Sakave, Asaramantsina, Asaramanitra, Asotry ary Vatravatra. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoanny volana mitovy anarana.

Ity tabilao etsy ambony ity, izay maneho ny fahasamihafanny voambolana sy ny fanononana ny anaram-bolana avy aminny teny sanskrity, dia ampahany nalaina taminny bokini Gwyn Campbell David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar". Marihina fa tsy voatery manondro fari-potoana mitovy ao aminny taona ny anaram-bolana mitovy isam-patritra.

Izao ohatra ny filaharana sy ny anaranny volana ao aminny faritra betsileo araka an-dRazafintsalama: Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramantsina, Asara, Vatravatra, Asotry ary Hatsiha. Hita fa tsy mifanaraka tanteraka aminizay nomeni Gwyn Campbell io, indrindra momba ny volana Asara.

Ity koa, ohatra, ny filaharanny volana antesaka sy ny volana gregoriana heverina fa mifanandrify aminy: Vatravatra Janoary, Asotrindambo Febroary, Hatsiha Marsa, Valasira Avrily, Fosa Mey, Maka Jona, Hiahia Jolay, Sakamasay Aogositra, Sakave Septambra, Vilamitapoa Oktobra, Volamitabe Novambra ary Saramanitry Desambra.

Tsara lahatra aminny ankapobeny ireo anaram-bolana ao aminio tabilao io ireo, nefa raha idirana aminny antsipiriany isam-paritra dia hohita fa fandrindrana tsy tena mifanaraka aminny zava-misy izany. Maro ny tranga mitovy aminny fahasamihafanny laharana sy ny fotoana tondroinny anaram-bolana mitovy, toy ny Asara betsimisaraka izay eo anelanelanny Valaposa sy ny Tsiahia sy ny Asara betsileo izay eo anelanelanny Volambita sy ny Asaramanara. Miovaova isam-paritra ny fifanarakarahanireo naram-bolana ireo, na dia ao anaty faritra heverina fa misy foko iray ihany aza.

Ity ohatra misy tabilao mampiseho ny fahasamihafanny fotoana tondroina aminny anaram-bolana mitovy ao atsinanana sy andrefani Madagasikara, araka ny itaterani William Ellis azy ao aminny boky History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818. Ny hoe "atsinanana" dia manondro indrindra ny Betsimisaraka fa ny "andrefana" kosa ny Sakalava. Marihina koa fa ny Volasira betsimisaraka sy ny Sakamasay sakalava dia nampifandraisiny aminny Alahamady merina sy ny Avrily gregoriana.

Azo lazaina ho manara-bolana sy masoandro ity tetiandro ity noho ny maha mora fantatra hatrany ny fizaran-taona mifanandrify aminny volana sasany. Tsy misy teo aminny tantara anefa ny tetiandro voasoratra hahafantarana ny andro tena anombohanny taona.

Rehefa ampiasainny mpanandro ho anaram-bintana ireo anaram-bolana ireo dia matetika miaraka aminny anaram-bolana sy vintana avy aminny teny arabo.

                                     

1.2. Volana ao aminny tetiandro malagasy Fifandraisanny anaram-bolana avy aminny teny arabo sy sanskrita

Misy ny mpanoratra milaza fa mifandray ny tetiandro malagasy avy aminny teny sanskrita sy ny tetiandro malagasy avy aminny teny arabo na dia mbola tsy tena azo antoka izany. Inty ny fifandraisanny anaram-bolana malagasy avy aminny teny arabo sy avy aminny teny sanskrita.

Raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy mampiasa teny arabo dia tsy tokony ho raikitra sahala aminio ny fifandraisanireo tetiandro malagasy roa ireo.Sarotra raisina ity fampifanandrifina ny tetiandro malagasy roa ity toraka izany koa ny fampifanandrifiana hafa rehetra satria ireo volana malagasy mitondra anarana sanskrity dia mifanandrify amim-pizaran-taona fantatra. Ohatra, ny volana Volambita dia tokony ho ao aminny lohataona nefa ny volana Adalo lazaina fa mifanandrify aminy dia tokony ho aminny fizaran-taona fahavaratra raha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro malagasy ary raha misy fizaran-taona efatra ny taona iray.

I William Ellis, ohatra dia mampifandray ny Alahamady merina aminny Volasira betsimisaraka sy ny Sakamasay sakalava ary ny Avrily gregoriana; nefa i Gwyn Campbell dia mampifanandrify ny Alahamady merina aminny Hatsiha. Manampy trotraka ny tsy fitovianny fotoana tondroina aminny anaram-bolana iray. Tsy misy heviny firy koa ny fampifanandrifiana raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy misy anaram-bolana avy aminny teny arabo.

Ity koa misy ohatra fampifandraisana an-tabilao ny tetiandro sakalava sy merina ary antemoro araka ny nataoni Jaovelo-Djao:



                                     

1.3. Volana ao aminny tetiandro malagasy Dikanny anaram-bolana avy aminny teny arabo

Aminny maha anaram-bintana azy ireo dia azo atao ny mampifanandrify azy aminny anaram-bintana aminny fiteny vahiny noho ny fitovianny hevi-teny, na dia zavatra samy hafa no tondroiny ara-potoana. Tsy midika izany fa mitovy ny fari-potoana tondroinny volana malagasy sy ny evanny zodiaka tandrefana.

                                     

1.4. Volana ao aminny tetiandro malagasy Fifandraisanny anarana aminny teny sasany

Izao ny anaranireo vintana ireo aminny fiteny latina sy malagasy sy arabo ary frantsay:

                                     

2.1. Ny andro sy ny herinandro ary ny taona Ny andronny herinandro ao aminny tetiandro malagasy

Ny andro ao aminny tetiadro malagasy dia tsy manomboka aminny misasakalina fa aminny filentehanny Masoandro, sahala aminny tetiandro arabo na hebreo. Aminny fanandroana aza dia efa heverina ho isanny tononandro manaraka ny tolakandronny andro diavina, izany hoe ny aorianny mitatao vovonana.

Ireto ny anaranandro malagasy izay avy aminny teny arabo sady mbola ampiasaina ao aminny tetiandro gregoriana aminny teny malagasy.

Araka ny finoanny Ntaolo malagasy dia mifameno aminny vintana ny andro tsirairay ao aminny herinandro ka misy ny tsara ary misy ny ratsy, arakaraka ny zavatra tian-katao. Aminny ankapobeny, dia andro tsara ny Alakamisy fa andro tsara anaovana fampakaram-bady. Andro mainty sy natokana handevenana ny Zoma. Andro natokana hitomaniana sy hamoizana ny maty ny Asabotsy. Andro mahery ny Alahady ka tsy azo andevenana ny marainany. Andro mainty ny Alatsinainy, ka tsy fisantaran-javatra io andro io fa andro fandevenana. Tsy mety ny mamangy mana-manjo aminny andro Talata. Andro ratsy ny Alarobia sady atokana ho anny famoizana sy ny fandevenana.



                                     

2.2. Ny andro sy ny herinandro ary ny taona Ny fizarànny andro iray

Toy izao ny fizaràna ny andro iray manomboka aminny filentehanny masoandro ka hatraminny fiposahany indray:

  • maim-bohon-dravina;
  • am-bava fisoko ny andro;
  • vaky masoandro;
  • mivoaka omby tera-bao;
  • mitatao vovonana;
  • maizim-bava vilany na tsy ahita-mitsinjo;
  • mifoha olo-mazoto;
  • misasaka alina;
  • maneno sahona;
  • lohatory;
  • am-pamatoran-janak’omby ny andro;
  • misafo helika ny kary;
  • maneno fitatra;
  • maneno akoho tokana;
  • mitatao haratra ambony;
  • tapaka ny andro;
  • mody omby tera-bao.
  • tapi-mandry olona;
  • maty masoandro na mody omby;
  • manokom-bary olona;
  • mitsidika andro;
  • misandratra andro;
  • mivoaka omby;
  • mikitroka ny alina;
                                     

2.3. Ny andro sy ny herinandro ary ny taona Ny herinandro ao aminny tetiandro malagasy

Ny herinandro ao aminny tetiandro malagasy dia misy fito andro. Tsy mitovy aminny zava-misy aminizao fotoana nandraisana ny kolontsaina tandrefana izao anefa ny zava-nisy taminireo Malagasy niaina tany aloha. Aminny Ntaolo malagasy dia ny andro Alakamisy, izay andro tsara indrindra anombohana asa, araka ny finoany, no andro voalohany ao aminny herinandro. Misy koa anefa ny mandray ny andro Zoma ho andro voalohany. Ny fanombohanny herinandro aminny Alatsinainy dia nentinny kolontsaina tandrefana ka mbola tohizana ao aminny tetiandrom-panjakana ankehitriny eto Madagasikara. Ny fanombohanny herinandro aminny Alahady dia vokatry ny kristianisma izay manao anio andro io ho andro lehibe satria "andronny Tompo", izany hoe androni Jesoa Kristy izay inoany fa nitsangana taminny maty aminny andro Alahady.

                                     

2.4. Ny andro sy ny herinandro ary ny taona Ny taona ao aminny tetiandro malagasy

Taona ao aminny tetiandro manara-bolana

Ao aminny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy ny iray volana dia misy 29 na 30 andro satria maharitra 29 andro sy sasany eo ny tsingerim-bolana iray, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha aminny taona ao aminny tetiandro gregoriana izay misy 365 na 366 andro. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro. Olana eo aminny tetiandro malagasy ny tsy fahafantarana ny fotoana nanombohanny fanisan-taona ankapobeny ao aminio tetiandro io. Matetika dia ny taona ao aminny tetiandro gregoriana ihany no tovonana laharanandro sy anaram-bolana aminny fampiasana tetiandro malagasy. Ohatra: 06 Alahamady 1899": ny 1899 dia fanisan - taona gregoriana. Tsy misy ny fampifanandrifiana raikitra ny fiantombohanny Alahamady aminny daty gregoriana.

Mitety ny fizaran-taona rehetra ny volana malagasy tsirairay raha manara-bolana fotsiny, ka ny tetiandro miozolmana no azo ampifanandrifina aminy: ny volana Alahamady malagasy dia mifanandrify aminny volana Shawwal silamo, izany hoe aorinny fahataperanny volana Ramadan. Azo atao noho izany ny manao fafana maneho ny fifandraisanny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka aminny tetiandro miozolmàna, araka izao:

Taona ao aminireo tetiandro manara-bolana sy masoandro

Aminizao fotoana ifampikasohanny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina tandrefana izao, miampy ny fiheverana ny Malagasy ho manam-piaviana jiosy, dia misy ny tetiandro tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana Alahamady aminny fari-potoana ao aminny volana Marsa sy Avrily ka ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa no andro voalohany aminny taona. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohanny Alahamady aminny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.

Ireo boky tranainy miresaka ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy anefa mionona fotsiny aminny fitanisana sy fandaharana ny anaram-bolana ary ny fanazavana ny fiasany ao aminny fanandroana fa tsy manondro daty gregoriana anombohana na ahataperana na aharetanny volana malagasy aminny taona rehetra.

Tsy mifanitsaka afa-tsy amim-bolana gregoriana roa ny volana malagasy tsirairay raha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro malagasy. Raha izany dia mifanandrify matetika isan-taona aminny volana hebreo Nisan ny Alahamady malagasy. Azo atao noho izany ny manao fafana maneho ny fifandraisanny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoandro aminny tetiandro hebreo, araka izao:

                                     

3. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy

Tsy fitovianny zodiaka roa

Inty ny fafana maneho ny tsy fitovianny zodiaka roa sy ny fidiranny Masoandro ao aminny fari-danitry ny antokon-kintanny zodiaka sy ny fivoahany avy ao:

Fotoana ahatsinananny volana taminny taona 2019

Maty indroa ny Volana aminny volana Aogositra 2019.

                                     

3.1. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Volana malagasy sy volana gregoriana

Na dia manara-bolana aza ny tetiandro malagasy mampiasa anaram-bolana avy aminny teny arabo dia misy ny mampifadray ny volana malagasy iray aminny volana gregoriana iray. Tsy mitovy anefa ny vokatrizany. Inty misy ohatra iray notsoahana taminny voasoratri Jaovelo-Djao momba ny tetiandro merina. Marihina fa tsy mifanandrify na aminny volana Marsa na aminny Volana Avrily ny volana Alahamady eto fa aminny volana Septambra:

                                     

3.2. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Ny volana malagasy sy ny zodiaka

Misy roa karazana ny fifandisoana izay mifandray aminny fisianny zodiaka roa samy hafa satria misy ny atao hoe zodiakan-kintana frantsay: zodiaque sidéral sy ny zodiaka mikisaka frantsay: zodiaque tropical izay samy mampiasa anarana mitovy hanondroana ny antokon-kintana sy ny evam-panandroana vintana.

                                     

3.3. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Tsy fifanandrifiana aminny zodiaka mikisaka

Ny fari-danitra misy ny antokon-kintanny zodiaka araka ny zodiakan-kintana tsirairay dia tsy mifanandrify aminny fari-danitry ny evanny zodiaka mikisaka na dia mitondra anarana mitovy aza ny eva iray sy ny antokon-kintana iray. Faharoa, ny fanombohanny fotoanny evanny zodiaka iray dia tsy voatery hifanandrify aminny tsinam-bolana.

Ny fizaran-taona no zavatra azonny fitaovam-pandrenesana tsapaina hamantarana ny fotoana mety misy ny zava-mitranga voajanahary iray ao anatinny taona, ka tsy ampy hahazoana daty tena mazava izany raha tsy misy fitaovana ampiasaina. Ny fotoana anombohanny filatsahanny orana, ohatra, dia tsy aminny daty tsy miova ao isan-taona ka hiaingana aminny fanisana andro.

Ireo anaram-bintana isam-bolana hita aminny torovintana avoakanny gazety sasany dia fandikana fotsiny ny anaranny evanny zodiaka ho aminny anaram-bintana na anaram-bolana malagasy fa tsy misy ifandraisany aminny tetiandro malagasy na aminny fanandroana malagasy izay miandry tsinam-bolana.



                                     

3.4. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Tsy fitovianny zodiaka roa

Inty ny fafana maneho ny tsy fitovianny zodiaka roa sy ny fidiranny Masoandro ao aminny fari-danitry ny antokon-kintanny zodiaka sy ny fivoahany avy ao:

                                     

3.5. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Fiovaovanny daty gregoriana ahatsinananny volana

Ny fotoana mahatsinana ny Volana na mahafenomanana azy sns na ny laharanandro manaraka io fahatsinana io no arahinny mpanandro malagasy fa tsy ny fihetsiky ny antokon-kintana intsony.

Ny andro ahatsinananny Volana no andro voalohany ao aminny voIana malagasy. Mikisaka hatrany noho izany ny volana malagasy manara-bolana raha ampitahaina aminny volana gregoriana. Inty misy ohatra iray: ataontsika hoe eo anelanelanny volana Marsa sy Avrily ny volana Alahamady aminny taona 2019.

                                     

3.6. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Fotoana ahatsinananny volana taminny taona 2019

Maty indroa ny Volana aminny volana Aogositra 2019.

                                     

3.7. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Fotoana ahatsinananny volana aminny taona 2020

Izao, ohatra, no fifandraisana azo momba ny daty gregoriana mamaritra ireo volana malagasy sy ny fikisahanizany araka ireo fafana etsy ambony raha tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy:

  • Alakaosy: 28 Oktobra - 25 Novambra 2019;
  • Adaoro: 5 Avrily - 4 Mey 2019;
  • Asombola: 1 Aogositra - 29 Aogositra 2019;
  • Alakarabo: 28 Septambra - 27 Oktobra 2019;
  • Adizaoza: 5 Mey - 2 Jona 2019;
  • Alohotsy: 24 Janoary - 22 Febroary 2020;
  • Asorotany: 3 Jona - 1 Jolay 2019;
  • Adalo ; 26 Desambra 2019 - 23 Janoary 2020;
  • Adimizana: 30 Aogositra - 27 Septambra 2019;
  • Adijady: 26 Novambra - 25 Desambra 2019;
  • Alahasaty: 2 Jolay - 31 Jolay 2019;
  • Alahamady: 6 Marsa - 4 Avrily 2019;
  • sns.
  • Alahamady: 23 Febroary - 23 Marsa 2020;
  • Adaoro: 24 Marsa - 22 Avrily 2020

Lasa eo anelanelanny volana Febroary sy Marsa, ohatra, ny Alahamady aminny taona 2020. Raha tiana haverina eo aaminny Marsa na Avrily indray ny Alahamady aminny taona 2020 dia tokony haverina ho Alohotsy ny fari-potoana 23 Febroary - 23 Marsa 2020.

Ohatra maneho ny fikisahanny volana malagasy io ka tsy voatery hifanaraka aminizay ekenny Malagasy rehetra na ekenny Malagasy ao aminny vondrona iray na maro. Ny fanaovana toy izany dia mahatonga ny tetiandro malagasy holasa manara-bolana sy masoandro, toy ny tetiandro hebreo, fa tsy manara-bolana fotsiny toy ny tetiandro miozolmana. Tsy misy anefa lovantsofina manamarina izany tanteraka.

                                     

3.8. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Tetiandro manara-bolana?

Raha manara-bolana tanteraka toy ny tetiandro miozolmana ny tetiandro malagasy, izay tsy manampy volana faha-13, dia tsy ho marina ny filazana fa aminny volana Marsa na Avrily ny tsinam-bolanny Alahamady fa hitety ny volana rehetra ao aminny taona gregoriana mandritra ny 33 taona, araka ny voalaza teny aloha jereo: volana Ramadany. Toy izany koa ny hiseho aminireo volana malagasy hafa. Izany tetiandro manara-bolana tanteraka izany dia tokony hahamora ny fitovianny tetiandro malagasy manerana ani Madagasikara sy ho anny mpanandro rehetra, noho izy tsy mila afa-tsy ny fanaraha-maso ny fahatsinanny Volana fotsiny. Tokony hanalasala ny maha tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy raha nisy tokoa fiezahanny Ntaolo hanatratra ny fanombohanny taona ao aminny volana Marsa na Avrily.

Inty ny fafana mampiseho ny fifandraisanny tetiandro malagasy manara-bolana sy ny tetiandro miozolmana. Marihina fa ny volana Moharamo arabo: مُحَرَّم / Muḥarram no iantombohanny taona miozolmana.

                                     

3.9. Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy Tetiandro manara-bolana sy masoandro?

Raha manara-bolana sy masoandro kosa ny tetiandro malagasy dia tsy maintsy nisy ny fiezahana hanitsy ny fifandisoana eo aminny volana ao aminny taona sy ny fizaran-taona tokony hifanandrify aminy, tahaka ny hita ao aminny tetiandro hebreo jereo: volana Nisana. Latsaka 11 andro eo ho eo ny ankamaroanny taona malagasy raha mitaha aminny tsingerim-pihodinanny Tany aminny Masoandro. Mahafeno mihoatra ny tsingerim-bolana iray izany ao anatinny telo taona 11 x 3 = 33 andro. Noho izany dia tokony hanisika iray volana fanampiny tsingerim-bolana 29 na 30 andro isaky ny telo taona ny mpanandro malagasy. Tsy nisy anefa firesahana fa indraindray dia maharitra 383 na 384 na 385 andro 354+29 na 354+30 na 355+29 na 355+30 ny taona malagasy na misy volana maharitra 59 andro satria averina indroa na misy anaram-bolana hafa tanteraka volana faha-13 nasisika.

Tsy misy miresaka anefa ny aminizany volana faha-13 izany ary tsy misy mampihatra fa samy te hamerina ny volana Alahamady isan-taona manodidina ny volana Marsa sy Avrily ny mpanoratra sasany momba ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy ary ny mpandala ny maha Malagasy sasany ankehitriny. Raha izany tokoa anefa no fanao dia tokony hisy fomba ahafantarana ny anaranny volana asisika na averina indroa isaky ny telo taona na tokony hisy hiresaka ny aminny taona lava kokoa noho ny mahazatra isaky ny telo taona.

Inty ny fafana mampiseho ny fifandraisanny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoandro sy ny tetiandro hebreo.

                                     

4. Vokatry ny olana momba ny tetiandro malagasy

Manampy trotraka ny olana momba ny tetiandro malagasy ny fahasamihafanny fotoana tondroinny anaram-bolana iray arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Mety vokatry ny fisafidianana ny fombanny tetiandro izany manara-bolana na manara-bolana sy masoandro na noho ny antony hafa.

                                     

4.1. Vokatry ny olana momba ny tetiandro malagasy Tsy fitovianny volana voalohany ao aminny taona

Tsy mitovy ny volana malagasy voalohany ao aminny taona arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Ny ao Imerina nisafidy ny Alahamady izay misy olana ny famaritana azy aminizao fotoana izao. Izany dia nanomboka taminny fankalazana ny andro nahaterahanny mpanjaka merina atao hoe Ralambo izay lazaina fa teraka taminny vava Alahamady. Ny aminny toeran-kafa, toy any Antsakalava, anefa nandray ny Volambita ho volana voalohany. Na aminny faritra iray izay onenanny foko iray tokony hitovy tetiandro dia samy manana ny volana heveriny ho lehibe indrindra mitaha aminny sisa rehetra, toy izany ny ao Androy izay manao ny Volambita na koa ny Vatravatra, izay volana samy hafa, ho volana voalohany; toy izany koa ny zava-miseho ao Analamanga aminny samy Merina izay ahitana tetiandro maro samihafa, roa fara fahavitsiny.

                                     

4.2. Vokatry ny olana momba ny tetiandro malagasy Tsy fitovianny fotoana tondroina aminny anaram-bolana iray

Na ny anaram-bolana hoe Alahamady na Alahamaly aza no hosafidina hatao volana voalohany ao aminny taona malagasy ary ny andro voalohany aminio volana io vava Alahamady no hankalazana ny taom-baovao dia mety samy manana ny fotoana heveriny ho volana Alahamady na Alahamaly ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Izany, ohatra, no mahasaro-paritana ny fotoana mifanandrify aminny volana Alahamady izay tianny mpandala ny nentin-drazana hatao taom-baovao malagasy. Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka aminny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Izany rehetra izany dia mety vokatry ny tsy nisianny fahefana na fifanarahana namaritra ny tetiandro sy ny fanisan-taona izay nankinina fotsiny aminny fanandroam-bolana.

Aminizao fotoana izao dia misy ny milaza ny tetiandrony ho tena malagasy ka tokony harahinny Malagasy rehetra, indrindra aminny fankalazana io atao hoe "taombaovao malagasy" io.

                                     

5. Sombin-dahatsoratra

Ireto sombin-dahatsoratra ireto dia tsy manamarina ny fiheverana fa misabaka aminny volana gregoriana roa raikitra ny volana malagasy mitondra anarana avy aminny teny arabo:

Ary nony tamy ny andro Alahady 14 Martsa 1897 12 Alahamady.

Ary tamy ny andro Alakamisy 1 Adaoro, 26 May 1892.

Ary nony Alakamisy 27 Adizaoza, 30 July 1891.

… koa dia nody Antananarivo tamy ny andro Alakamisy 14 Asorotany 1864.

Tamy ny andro Alarobia 16 Alahasaty 4 Janoary 1882.

… ary nony ampitso Alahady 14 Septembra 26 Asombola dia niangona tao.

Dia navoaky ny Mpanjaka tamy ny andro Alakamisy 5 Adimizana 31 Janoary 1884.

Tamy ny andro Alahady 20 Alakarabo, 20 Desembra 1891.

Ilay "Lalàn ny Fanjakana" Code des 305, izay notononin ny olona hoe "Ny dimy venty sy telon-jato", dia nokabariny tao Andohalo tamin ny Talata 1 Alakarabo 29 mars 1881.

Tamy ny andro Zoma 28 Alakaosy 6 Febroary 1891.

… fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 Adijady dia namely mafy ny rivotra

Ary nony Alakamisy 20 Adalo, 14 Febroary 1895

Ary nony tamy ny andro Alahady 4 Alohotsy 1857.

"Izaho Ranavalomanjaka. Manome ity taratasy ity an-dRahobivelo ho fahatsiarovana ny soa nataony tamy ny Fanjakana noho ny nandoavany Ariary roa ho fitia tsy mba hetra tamy ny nandoavany vidim-basy tamy ny 10 Asombola 19 Febroary 1880. Nosoratana tao amy ny Lapako ao Tsarahafatra tamy ny 20 Alahasaty 30 Janoary, ny taonanny Tompo, 1880"

                                     

6.1. Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy Ny tononandro

Ny iray volana malagasy aminny tetiandrom-panandroana dia misy 29 na 30 andro ka ny andro izay atao hoe "tononandro" roa na telo voalohany aminny volana diavina dia mitondra ny anaranio volana io. Ny roa na telo andro manaraka dia mitondra ny anaranny volana na vintana tokony hanaraka ny volana diavina, dia toy izany hatrany. Mitondra tononandro telo izay antsoina hoe "vava" na "vavany" sy "vonto" "vontony" ary "vody" na "vodiny" ny renivintana irao vintana mifanadrify aminny zoron-trano, fa tsy mitodra afa-tsy tononandro roa atao hoe "vavany" sy "vodiny" ny zanabintana vintana mifanandrify aminny rindrin-trano.

Ireto avy ny tononandro misy raha atomboka aminny vintana Alahamady: vava Alahamady, vonto Alahamady, vody Alahamady; vava Adaoro, vody Adaoro; vava Adizaoza, vody Adizaoza; vava Asorotany, vonto Asorotany, vody Asorotany; vava Alahasaty, vody Alahasaty; vava Asombola, vody Asombola; vava Adimizana, vonto Adimizana, vody Adimizana; vava Alakarabo, vody Alakarabo; vava Alakaosy, vody Alakaosy; vava Adijady, vonto Adijady, vody Adijady; vava Adalo, vody Adalo; vava Alohotsy, vody Alohotsy. Miisa 28 ireo tononandro ireo ka mifanandrify tsara aminny efatra herinandro, izany no mahatonga ny isa 28 ho filamatra.

                                     

6.2. Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy Ny fitetezanana andro

Ao anatinny iray volana dia mifanarakaraka araka ny filaharany ny vintana ka ny vavanny vintana mitovy anarana aminny volana diavina no anombohana ohatra, vava Alahamady; andro ahatsinananny Volana izany. Tsy isaina ho andro voalohany ny andro iray raha tsy tsinana aminny marainio andro io ny Volana. Ny ao anatinny iray volana malagasy anefa dia mety misy 28 hatraminny 30 andro. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana aminny vodinny vintana mitovy anarana aminny volana eo aloha ny volana diavina. Raha tsy tsinana ny Volana aminny marainanny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana aminny vavanny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io ohatra, vava Alahamady. Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana aminy faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana aminny vodiny na ny vontonny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.

                                     

7. Ny fahamarinan-tondronny tetiandro malagasy

Maro ireo antony mety tsy hahamarina ny fanarahana andro sy fanarahana volana teo aminny fampiasana ny tetiandro malagasy izay miankina aminny fijerena ny zava-mitranga eo aminhy zavaboary. Izany dia vokatry ny tsy fisianny fitaovana fijerena ny lanitra na ny kajy sarotra ahafaha-mamantatra tsy misy diso mialoha ny zava-kitranga momba ny Volana.

                                     

7.1. Ny fahamarinan-tondronny tetiandro malagasy Ny fahamarinanny laharanandro

Mety hampihena ny fahamarinanny andro ny tsy fahitana ireo endrika miavaky ny Volana, toy ny fahafatesana sy ny fahatsinanana ary ny fahafenomanana. Ny andro voalohany ao aminny volana mantsy, aminny fanandrona malagasy, dia ilay andro ahatsinananny volana alohanny antoandro. Raha tsy hita io fahatsinananny Volana io na ny fahafatesany dia ho diso ny filazana fa andro voalohany ny andro toy izao na toy izao. Tsy azo ialana anefa izany tsy fahitana ny Volana izany aminny fotoana mampisy rahona sy orana mandritra ny andro maro mahafaoka ny fotoana tokonny hahitana ny endriky ny Volana aminny faritra maro eto Madagasikara. Raha vao diso ny laharana dia diso koa ny anny andro hafa rehetra sy ny filazana rehetra momba ny vintana aminireo andro ireo. Ohatra, ny filazana fa vava Alahamady voalohany ao aminny volana Alahamady ny andro iray dia tsy hitombina raha tsy hita ny nahafatesanny Volana taminny faranny volana Alohotsy na ny fahatsinananny Volana aminio volana Alahamady io. Indraindray koa dia mety mamono tokana maty mandrintra ny andro iray na mamono roa maty mandritra ny andro roa ny Volana, ka raha tsy maharaka ny mpitety andro dia ho diso ny zavatra lazainy. Ny olona iray lazaina fa tsara vintana satria "teraka vava Alahamady" dia mety tsy teraka taminizany andro izany akory. Ohatra aminizany ireo mpanjaka teto Madagasikara lazaina fa teraka Alahamady.

                                     

7.2. Ny fahamarinan-tondronny tetiandro malagasy Ny fahamarinanny volana

Mety tsy hahamarina ny laharam-bolana ao aminny taona ny tsy fanaraha-maso ny Volana sy ny zava-mitranga miankina aminny fizaran-taona. Miteraka olana koa ny tsy fifanandrifiana eo aminny faritry ny fizaran-taona sy ny fanombohana na ny fiafaranny volana iray ao aminny tetiandro manaraka fizaran-taona. Miankina rahateo aminny toetrandro ny zavatra azo jerena hamantarana ny volana sy ny taona eo aminny zavaboary. Ohatra, ny fanombohana na ny fiafaranny vanimpotoanny orana na hatsiaka na ny hafanana dia miovaova: mety hiroso na hihemotra raha mitaha aminny fotoana iandrasana azy. Ny fifandisoana be loatra eo aminny fizaran-taona sy ny volana tokony hifanandrify aminy dia miteraka fahadisoanny laharanilay volana sy ny fanombohana na fiafaranny taona iray. Noho izany, ohatra, ny olona iray lazaina fa ratsy vintana satria "teraka Alakaosy" dia mety tsy teraka taminizany andro na volana izany akory, ka nalam-bintana na navela ho faty tsy aminantony mitombina.

                                     

7.3. Ny fahamarinan-tondronny tetiandro malagasy Ny fahamarinanny taona

Na ny laharana sy ny isanny taona dia mety tsy ho marina noho ny tsy fisianny tetiandro voasoratra taminny andronny Ntaolo. Mbola hita taratra izany eny ambanivohitra izay azo lazaina fa manakaiky kokoa ny fomba fiainanny Ntaolo mbola misy ny olon-dehibe tsy mahalala ny taonany. Miseho izany anjoanjom-panisan-taona izany rehefa atao ny fanadihadina tantara miankina aminny lovantsofina. Tsy fantatra na tsy nisy rahateo koa ny atao hoe "taona 1" fiantombohanny fanisan-taona teo aminny tetiandro malagasy.

Aminizao andro mampisy fomba fijery tsy mitovy eo aminny fiheverana ny tetiandro malagasy izao, na dia misy aza ny fitaovana vokarinny mpahay kintana ahafaha-mahafantatra mialoha ny endriky ny volana, dia tokony hampanontany tena ny hinoana ny filazana vintana ataonny mpanandro malagasy ankehitriny: ny olona lazainny mpanandro iray fa teraka Alahamady dia mety teraka Alakaosy na aminny vintana hafa aminny mpanadro iray hafa, ary ny olona lazainny mpanandro iray fa teraka taminny andro ratsy dia mety ho lazainny mpanandro hafa fa teraka taminny andro tsara.

                                     

8. Rohy ivelany

  • Haitao mandeha aminny Finday Android momba ny tetiandro malagasy
  • Les 12 signes du zodiaque malagasy
  • Année Lunaire 2018 Madagascar - Vercalendario.info
  • Rabesata Arim a Alimanaka Rabesata Vintana"
  • Malagasy Horoscopes: Alahamady, Alakaosy, Asombola.
  • Astrologie et divination malgaches
  • Phase de la lune in Calendrier-365.fr
  • Le calendrier malgache
  • Astrologie malgache
  • Fêtes Malgaches
  • Le Nouvel An Malgache
  • Les horoscope Malgache une prédiction de la chance ou le "Vintana"
                                     

9. Boky azo anovozan-kevitra

  • Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, 1998.
  • Cousins, Ny fomba malagasy, 7e édition, 1963.
  • Jobily Rakotoson, "Lart divinatoire, parole dun sage", in Madagascar fenêtres, 2002, pp. 92-99.
  • Callet, Tantara ny Andriana eto Madagasikara, 2e édition, 1981.
  • Rasolofo Andrianaivoarivony, "Larchitecture traditionnelle à Madagascar: reflet de lidentité dun peuple", in Madagascar fenêtres, 2002, pp. 100-114.
  • Dubois H., Monographie du Betsileo, 1938.
  • Robert Jaovelo-Dzao, Mythes, rites et transes à Madagascar: angano, joro et tromba Sakalava, 1996
  • Gwyn Campbell, David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar", 2012,
  • Deschamps Hubert, Le dialecte Antaisaka, Imprimerie Moderne de lEmyrne. 1936.
  • David sy Irrigaray, Lexique des dialectes du Nord de Madagascar, 1952.
  • Richardson James Rev., A New Malagasy-English Dictionary, The London Missionary Society, Antananarivo, 1885. Reprinted in 1967 by Gregg Press Limited, 1 Westmead, Farnborough, Hants., England, 1885
  • Rakotosaona, Rakibolana, 1972/1975 tsy voatonta.
  • William Ellis, History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818., 1838.
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →