Back

ⓘ Kanaana (faritra)



                                               

Kanaana

Ny teny hoe Kanaana na Kanana na Kanahana dia teny: iantsoana faritra iray, dia i Kanaana na Kanana na Kanahana izay fantatra aminny anarana hoe Tany Kanaana, ao aminny Baiboly, tany nampanantenainAndriamanitra ny Zanaki Israely ka novantaniny rehefa afaka taminny fanandevozana azy izy avy any Egipta.

                                               

Kanaana (zanaki Noa)

I Kanaana dia olona reshina ao aminny boky masinny Silamo, dia ny Korany, izay ambarany fa zanaki Noa. Atao hoe Kanaana zanaki Noa na Iamo zanaki Noa izy. Zanaka fahefatri Noa nanaraka ani Sema sy i Hama ary i Jafeta. Ny Baiboly anefa tsy mahalala afa-tsy ireo zanaka teloni Noa fa i Kanaana kosa dia zafikeliny zanaki Hama. Araka ny finoana silamo dia olona tsy mino anAndriamanitra i Kanaana ka maty an-drano taminny Safodrano nadripahana ireo izay tsy nino ny tenini Noa.

                                               

Kanaana (zanaki Hama)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia olona resahina ao aminny Bokinny Genesisy ao aminny Baiboly izay zanaki Hama sady zafikelini Noa. Indray andro dia nahita an-drainy nitanjaka noho ny hamamoany i Hama nefa tsy nanao na inona na inona fa niteny izany taminireo rahalahiny fotsiny, dia i Sema sy i Jafeta. Noho izany dia nozonini Noa i Kanaana mba ho andevoni Sema. Izany no atao hoe Fanozonana ani Hama.

                                               

Fiteny kanaanita

Ny fiteny kanaanita na fiteny kananeana dia vondrom-piteny semitika andrefana izay ahitana ireo fiteny semitika notenenina tao aminny tanini Kanaana, izay faritra mahafaoka ani Israely, i Jordania, i Sinay, i Libàna, i Siria, ny tanini Palestina ary koa faritra sasany ao Torkia sy ny faritra avaratra ao aminny saikanosini Arabia.

                                               

Jerosalema (Andro Taloha)

I Jerosalema dia tanàna any amin ny faritra Kanaana nonenan ny Jebosita tamin ny Andro Taloha izay azon i Davida mpanjaka ka nataony renivohitry ny fanjakany.

                                               

Fiteny edômita

Ny fiteny edômita dia fiteny tao Kanaana izay mitovitoty aminny fiteny hebreo, izay noteneninny Edomita tao aminny faritra mifanandrify amini Jordania atsimo andrefana sy ny ampahani Israely taminny taonarivo voalohany tal. J.K. Mety nosoratana taminny abidy foinikiana ny fiteny edomita. Toy ny fiteny moabita izy ka nitazina ny mariky ny kambavy - t. Na dia izany aza, taminny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nampiasaina hanoratana ny fiteny edomita ny abidy aramaika.

Kanaana (faritra)
                                     

ⓘ Kanaana (faritra)

I Kanaana na Kanana na Kanahana dia faritra tao andrefani Jordana izay resahina ao aminny Testamenta Taloha ao aminny Baiboly sady anaranny razambenireo mponina tao aminio firenena io koa ny hoe Kanana na Kanaana na Kanahana, ka izany no iantsoana ilay firenena hoe Tany Kanaana indraindray mba hiavahany aminilay razambe. Taty aoriana ny Tany Kanana dia niova anarana ho Palestina na Palestinina. Izy ilay tany nampanantenainAndriamanitra ny Israelita araka ny Baiboly. Nonina tsikelikely tao Kanana ny Israelita nanomboka taminny taonarivo faha-2 tal. J.K. na mety efa talohanio aza. Angamba koa avy aminny fiteninireo Kananita no nahazoanny Israelita ny fiteny hebreo.

                                     

1. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly

Betsaka ny andalana ahitana firesahana momba ny Tany Kanaana. Araka ny Baiboly dia mitondra ny anarana hoe Kanaana ilay faritra satria taranaki Kanaana zanaki Hama ilay zanaki Noa ny mponina ao. Fito ny isanny foko nonina ao aminny Tany Kanaana, izay omena ny anarana iombonana hoe Kanaanita na Kananita na Kanahanita, dia ny Hitita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kanaanita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita. Ao aminny Bokini Josoa dia tantaraina ny nakanny Zanaki Israely ny Tany Kanaana sy ny fitsinjarany azy aminireo fokoni Israely izay tokony ho niseho taminny taonjato faha-12 tal. J.K.

                                     

1.1. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Tantara ao aminny Bokinny Genesisy

Ny amini Abrahama

Tao aminny Tany Kanaana hebreo: Erets Kenaan no nonenani Abrama alohanny naha Abrahama azy araka ny hita ao aminny Bokinny Genesisy Gen. 11.31; 12.5; 13.12; 16.3. NampanantenainAndriamanitra ho lovanny taranaki Abrahama ny Tany Kanaana araka ny hita ao aminio boky io Gen. 17.8. Tao koa no nahafatesani Saraha vadini Abrahama sy nandevenana azy Gen. 23.2; 23.19.

Ny aminireo zanaki Isaka

Tsy nanaiky ny zananany haka vehivavy kanaanita no vady i Isaka Gen. 28.1; 28.6; 28.8; 31.18. Izany no nitadiavani Jakoba vady tany aminny taninireo havany Gen. 33.18; 35.6. I Esao kosa tsy nanaraka izany fa naka vady kanaanita Gen. 36.2-6; 37.1.

Ny amini Josefa zanaki Jakoba

Ny tantarani Josefa izay namidinireo rahalahiny sy ny nahatonga azy lasa mpanapaka tao Egipta dia iresahana matetika ao aminny Baiboly ny fandehananny zanaki Jakoba mandroso sy miverina eo anelanelani Kanaana sy i Egipta Gen. 42.5-32; 44.8. Rehefa nifankahalala i Josefa sy ny rahakahiny dia naka an-drainy sy ny fianakaviany avy tany Kanaana ho any Egipta Gen. 45.17-25; 46.6 sy 12 sy 31; 47.1-4; 47.13-15. Rehefa maty i Jakoba dia nentina tany Kanaana mba halevina any ny taolambalony Gen. 48.3 sy 7; 49.30; 50.5 sy 13.

                                     

1.2. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Tantara ao aminny Bokinny Eksodosy

Miresaka ny Tany Kanaana ny Bokinny Eksodosy na Eksaody aminny fitantarana ny fiomananny Zanaki Israely hiala aminny fanandevozana azy avy ao Egipta hifindra any aminilay tany nampanantenaina azy ireo. NalefanAndriamanitra ho any amini Farao i Mosesy na Moizy Eks. 6.4. Rehefa avy niampita ny Ranomasina Mena ny Zanaki Israely dia nanao hira fiderana anAndriamanitra Eks. 15.15. Raha tao aminny tany efitri Sinay na Sinaia ny Zanaki Israely dia nihinana ny mana mandra-pahatongany any akaikinny Tany Kanaana Eks. 16.35.

                                     

1.3. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Tantara ao aminny Bokini Josoa

Ny Bokini Josoa na Bokini Josoe izay manohy ny fitantarana ao aminny Bokinny Eksodosy dia miresaka ny Tany Kanaana rehefa tafapetraka ao ny Zanaki Israely. Isanizany ny aminny tsy nihinanana intsony ny mana Jos. 5.12; ny fizaràna ny tany Jos. 14.1; 21.2; ireo fifanolanana nisy teo aminny fokoni Israely mpifanolo-bodirindrina Jos. 22.9-11; 22.32, ny fahatsiarovani Josoa na Josoe ny nitondrany ny Zanaki Israely niampita ony Jordana Jos. 24.3.

                                     

1.4. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Tantara ao aminny Bokinny Mpitsara

Voaresaka ao aminny Bokinny Mpitsara fa isanny firenena ao Kanaana ny Hebreo Mpits. 3.1. Voalaza ao aminny hirani Debora ny aminireo mpanjaka niady tao Kanaana Mpits. 5.9. Resahana ny amini Silo izay toerana ao Kanaana Mpits. 21.12.

                                     

1.5. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Tantara ao aminireo boky hafa

Resahina ao aminny Bokinny Levitikosy na Levitika sy ny Bokinny Nomery na Fanisana ary ny Bokinny Deoteronomia na Deoteronomy koa ny Tany Kanaana in-3 ao aminny Levitikosy; in-11 ao aminny Nomery; in-2 ao aminny Deoteronomia.

                                     

1.6. Ny Tany Kanaana araka ny Baiboly Ny Tany Kanaana ao aminny Testamenta Vaovao

Ny teny hoe Kanaana grika: Χαναάν / Khanaán dia hita intelo ao aminny Testamenta Vaovao, ka indroa ao aminny Asanny Apostoly Asa 7.11; 13.19 izay mamerina ny tantara ao aminny Testamenta Taloha, ary indray mandeha ao aminny famoahana ny demonia taminny rahavavinilay vehivavy sirofenisiana na sirofoinikiana. Ny fitantarana farany dia hita ao aminny Filazantsara araka ani Matio sy ny Filazantsara araka ani Marka; mampiasa ny teny hoe Kanaaneana na Kanaanita grika: Χαναναία / Khananaia i Matio; fa i Marka kosa miantso anilay vehivevy hoe Sirofenisiana grika: Συροφοινίκισσα / Surophoinikissa.

                                     

2.1. Tantara Andronny Alimo

Ny anarana hoe Kanaana dia anarana tranainy izay efa niseho taminny Andronny Alimo taminny taonarivo faha-3 tal. J.K. Voasoratra taminny vato sy tanimanga fanoratana hita taminny sisam-paharavànny tanànani Mari io anarana io izay voalaza fa faritra ara-politika manokana. Faritra nonenanny foko maro samihafa i Kanaana ka ny Kanaanita izay mpihavana akaiky aminny Amorita dia tsy iza fa ny Foinikiana na Fenisiana ihany.

Taminny fanjakam-pianakaviana egiptiana faha-18 dia nanafika ny Tany Kanaana matetika ny Egiptiana, indrindra taminny androni Amenotepa I sy i Totmosisy I izay nanana tafika afaka nandeha hatrany aminny faritri Eofrata avaratra, taminny androni Totmosisy II sy i Totmosisy III izay nitranganny ady tao aminny tananani Megido. Ny governora atao hoe Ali El-Assi tao aminny tananani Kadesy no nitarka ny tafika kananita ary ny farao Totmosisy III no nitarika ny tafika egiptiana nanao fahirano ani Megido sady nanery ny Kanaanita hilavo lefona.



                                     

2.2. Tantara Andronny Vy

Nanomboka taminny fotoana nahalalana ani Israely teo aminny tantara dia voasolonny anarana telo hafa ny hoe Kanaana, dia ny hoe Foinikia na Fenisia izay manondro ny faritra amorontsiraka avaratra sy ny hoe Filistia izay mifanandrify aminny faritra amorontsiraka atsimo ary ny hoe Fanjakani Israely izay any afovoan-tany.

Ny teny hoe Kanaanita na Kanaaneana izay enti-milaza ny mponini Kanaana dia tsy iza fa ny Foinikiana na Fenisiana ihany, satria ireo mponina ireo dia mitovy fiteny sady nivavaka aminny andriamanitra mitovy. Araka ny fandinihanny mpikaroka dia tsy nandripaka ny Kanaanita akory ny Israelita fa nifangaro taminy sady nanaraka ny fomba amam-panaony sasany koa. Ny andalana ao aminny Baiboly sy ny fifanakaikezanny fiteny hebreo nanoratana ny Baiboly aminny fiteny fenisiana dia heverina fa manamarina anizany. Araka ny voalazanny Baiboly dia mpinamana aminny mpanjaka Salomona na Solomona i Hirama mpanjakani Tiro jereo: Tempolini Jerosalema.

Ny zavatra hita taminny fikarohana arkeolojika nataoni Israel Finkelstein taminny taona 1990 dia toa manaporofo fa tsy azonny Israelita taminny alalanny fanafihana miaramila i Kanaana. Ny nisianireo vahoaka israelita voalohany tao afovoan-tany taminny taona 1200 tal J.K. dia vokatry ny fiovana anatiny niseho miandalana tao aminny fiarahamonina kanaanita. Noho izany ireo Israelita voalohany ireo dia manam-pototra kanaanita.



                                     

3.1. Ny kolontsaina kanaanita Ny fivavahan ny Kanaanita

Ny fivavahana kanaanita dia fitambarana fivavahana semitika maro isan-karazany tao aminireo Kanaanita hatraminny Andronny Alimo ka hatraminireo taonjato voalohany taor. J.K. Fivavahana aminandriamanitra maro ireo fivavahana ireo politeisma ary indraindray koa fivavahana aminandriamanitra tokana isam-poko na isam-pirenena izay tsy mandà ny maha andriamanitra ireo andriamanitry ny firenena na foko hafa monolatrisma na henoteisma.

                                     

3.2. Ny kolontsaina kanaanita I El sy ireo andriamanitra manampy azy

Ny Kanaanita dia mivavaka aminilay andriamanitra niandohan-javatra voalohany atao hoe El izay inoany fa rainny olombelona sy ny zavaboary rehetra. Ny tanimanga fanoratana hita tao aminny trano fitehirizan-tsoratry ny mpanjakani Ebla toerana nanaovana fitrandrahana arkeolojika ao Tell Mardikh ao Siria, izay voasoratra tany aminny taonjato faha-24 tal. J.K., dia miresaka anio andriamanitra io ho lehibenireo andriamanitra maro isan-karazany sy ho razambenny andriamanitra rehetra. Vadinny andriamanibavy Asherah i El araka ny voalaza taminny tanimanga fanoratana tao Ogarita. Rainny andriamanitra maro izy ka ny lehibe aminireo dia i Haddad sy i Yam ary i Mot.

                                     

3.3. Ny kolontsaina kanaanita Ny fanahinny maty sy ny fivavahana aminy

Mino ny Kanaanita fa aorianny fahafatesanny vatana dia miala aminny vatana ny fanahy npš na npsh ka mankany aminny tanini Mot "Rafahafatesana". Alevina miaraka aminny fananana natokana ho anizany ny vatana sady anaovana fanatitra sakafo sy zava-pisotro mba tsy hanelingelina ny fiainanny velona ny fanahiny. Ivavahanny havany mbola velona ny fanahinireo maty ka matetika angatahany fanampiana. Jereo: Fivavahana aminny razana.

                                     

3.4. Ny kolontsaina kanaanita Fiantraikanny fivavahanireo firenena hafa

Nisy akony teo aminny fivavahanny Kanaanita ny fivavahanireo firenena matanjaka sy be mponina manodidina ani Kanaana ka isanizany ny fivavahana egiptiana sy mesopotamiana. Mivavaka aminandriamanitra maro ny Kananita, sady mivavaka aminny fanahinny havany maty ny isam-pianakaviana izay mihevitra azy ireo ho andriamanitry ny isan-tokantrano, sady mahalala koa ny fisianireo andriamanitra hafa toa ani Baal Baiboly malagasy: Bala na Baala, i El, i Asherah ary i Astarte sy ny maro hafa koa, sady mivavaka aminy. Ninoana ho andriamanitra koa ny mpanjaka ary ny tantsaha dia nivavaka aminireo andriamanitry ny fahavokarana fambolena sy fiompiana ary olombelona.

                                     

3.5. Ny kolontsaina kanaanita Kolontsaina kanaanita

I Kanaana dia mahafaoka ireo tany ankehitriny atao hoe Libàna sy Israely sy ny tapany avaratra-andrefani Jordania ary ireo faritra andrefana ao Siria. Araka ny voaolazanilay arkeologa Jonathan N. Tubb dia nahatratra ny fiavahana ara-kolontsainy tokoa ny Amonita sy ny Moabita sy ny Israelita ary ny Fenisiana nefa samy atao hoe Kanaanita, dia ireo olona niorim-ponenana teo aminny tanàna madinika maro fambolena tao aminio faritra io taminny taonarivo faha-8 tal. J.K.

Ny sivilizasiona kananeana dia vokatry ny toetany marin-toerana izay naharitra hatry ny ela nefa indraindray sembaninny fiovanny toetrandro. Nandritra ireo vanim-potoana ireo dia nahay nanararaotra ny toerana eo afovoanny sivilizasionani tany Afovoany Atsinanana sy i Egipta tranainy ary i Mesopotamia sy ny Hitita ary i Kreta minoàna, mba hahatonga azy ireo ho tanàna-fajakana tapahinandriandahy mpanao raharaham-barotra manaraka ny morontsiraka, izay misy fanjakà-mpanjaka mifantoka manokana aminny vokatry ny fambolena eny afovoanny tanety. Izany fifanoherana ara-toekarenny tanàna amorontsiraka sy ny tanàna anaty tany izany dia hita taratra aminireo fedrà kananita maneho ny adinny andriamanitry ny orambaratra atao hoe Teshub ao aminireo Horiana na Horita na Baal Hadad ao aminny Amorita sy Arameana aminny andriamanitry ny ranomasina sy ny renirano atao hoe Yaa na Yaw na Yahu na Yam. Taminny fiandohanny sivilizasiona kananeana dia maro ny tanàna mimanda misy tsena, voahodidinny tanànananny tantsaha misahana fambolena voninkazo sy oliva natokana ho anny varotra sy fambolena voaloboka sy hazo voanjo siantifika: Pistacia vera, voahodidina fambolena varimbazaha sy orza. Ny fotoam-piotazana sy ny fijinjana aminny fiantombohanny fahavaratra dia fotoanny fifidrafidran-toeranny mpiompy mitondra ny bibifiompiny hitady sakafo; tsy afa-mihetsika ny mpiandry ondry mandritra ny fotoanny orana ka mandeha mody mba hamahana ny bibifiompiny aminny taho sy ny ravinny zavamaniry sisanny fijinjana, izay akaiky kokoa ny tahirin-drano aminny fahavaratra. Manaporofo izany tsingerim-potoanny fambolena izany ny tetiandroni Gezer sy ny tsingerin-taona voalaza ao aminny Baiboly.

Matetika dia miteraka fahavoazana ho anny fambolena ny fiovanny toetrandro haingana; noho izany dia soloana aminny vokatra hohanina ny vokatry ny fambolena natao hamidy; ny fifindrafidranny mpiompy dia manjary mibahana ny taona manontolo, fa ny andiam-poko dia mivezivezy any avaratri Eofrata na any atsimoni Telolafini Egipta miaraka aminny bibifiompiny. Matetika ireo filoha mpitarika foko no mipoitra tampoka ka manafika ny andianolona mpifahavalo aminy sady manome valisoa ireo mpomba azy aminny alalanny entana voababony na fitakiana fadin-tseranana aminny entam-barotra. Raha mitambatra ka miara-manafika ny tanàna maromaro na raha misy Fanjakana mpifanolo-bodirindrina mandray anjara na raha misy filoha mpitarika iharam-pahavoazana ka resy, dia voa koa ireo mpiray ady aminy na miverina indray ny ady eo aminny samy foko. Ny tantaranireo razambenny Israelita Patriarka ao aminny Baiboly dia ahitana taratra anizany. Nandritra ny fotoana naharavanny Fanjakana akadiana tany Mesopotamia sy taminny fotoana entenantenanny fanjakani Egipta tranainy sy ny fanafihanny Hiksosy ary ny fiafaranny Andronny Alimo antenantenany tao Asiria sy tao Babilona ary ny faharavànny Andronny Alimo aoriana dia nihena ny raharaham-barotra tao aminny faritri Kanaana, satria i Egipta sy i Babilona ary i Asiria dia lasa nitoka-monina. Rehefa miverina marin-toerana aminizay ny toetany dia mahazo aina koa ny varotra manamorona ny ranomasina aminireo tanàna filistina sy fenisiana. Rehefa nihamilamina ny varotra dia nisy ny fanamboaran-dalana vaovao halehanny entam-barotra sy hialàna aminny fandoavana fadin-tseranana lafo loatra izay niforona taminny morontsiraka hatrany Kadesy Barnea ka hatrany Hebrona sy Lakisy sy Jerosalema sy Betela sy Samaria sy Sikema sy Silo izay mamaky ani Galilea na Galilia hatrany Jezrela sy Hazora ary Megido. Nisy tanàna kanaanita tsy dia malaza nihanandroso taminio faritra io. Nisy lalana fahatelo falehanny entam-barotra niforona teo anelanelani Eilata sy Timna sy Edoma Seira sy Moaba sy Amona ary ireo mankany aminny Fanjakana arameanani Damasy na Damaskosy sy Palmira. Ireo Fanjakana tranainy dia nanandrana nifehy ny varotra anatiny nefa tsy nahita fahombiazana.

Izany rehetra izany dia niteraka fandrosoanny varotra ka nitarika ireo firenena mpifanolo-bodirindrina matanjaka kokoa toa ani Egipta sy i Asiria sy ny Babiloniana sy ny Persiana na Persa sy ny Grika ary ny Romana hifehy ara-politika ny Kananita sady naka hetra ary fadin-tseranana. Matetika aminireo vanim-potoana ireo dia misy ny fibosesehanny bibifiompy mitady hanina aminny toerana iray ka miteraka faharatsianny toetany izay miverimberina matetika. Ny fianjeranny sivilizasiona kananita taty aoriana dia niaraka taminny nampidirana ani Kanaana tao aminny tontolo greko-romana ohatra: ny Faritanini Jodea / latina: Iudaea, taty aoriana taminny androny Bizantina tao aminny tontolo arabo miozolmana sy faritaninny kalifa omeiada proto-miozolmana. Ny fiteny arameana andrefana, iray aminireo fiteny ifaneraseranny tsy mitovy fiteny tao aminny sivilizasiona kananeana, dia mbola ampiasainny tanàna madinika ao Siria, fa ny fiteny kananeana fenisiana dia nanjavona ka tsy nisy nampiasa intsony taminny taona 100 taor. J.K. Ireo Asiriana ao Iràka sy Iràna sy ao avaratri Siria ary ao atsimo-atsinanani Torkia dia mbola mampiasa ny fiteny arameana atsinanana mifangaro aminny fiteny akadiana.

Ilay toerana atao hoe Tel Kabri arabo: Tell al-Qahweh: "Havoanny Kafe" dia mitahiry ny sisa taminny tanàna kananeana taminny Andronny Alimo antenantenany 2000-1550 tal. J.K. Izy no tanàna lehibe indrindra tao Galilea andrefa taminizany fotoana izany izay nanana lapa teo afovoany. I Tel Kabri irery ihany no tanàn-dehibe kananeana azo nohadina manontolo avy any ambaninny tany satria taminny nandaozanny mponina azy dia tsy nisy tanàn-dehibe hafa naorina teo amboninny sisam-paharavany. Marihina fa ny kolontsainny firenena avy any ivelany izay nisy vokany teo aminny kolontsaina kanaanita dia ny anny mponina tao Minosy. Nisy sary hosodoko araka ny fanaonny Minoana nanaingo ny lapa.



                                     

3.6. Ny kolontsaina kanaanita Ny fiteny kanaanita

Ny fiteny kanaanita na fiteny kananeana dia iray amin ireo zana-nondrona telo ao amin ny vondrom-piteny semitika andrefana izay ahitana ireo fiteny semitika notenenina tao aminny tanin i Kanaana, ka ny zana-bondrona roa hafa dia ny fiteny arameana sy ny fiteny ogaritika. Ny Kanaanita, amin ny hevitra mivelatr io teny io, dia mahafaoka ny Israelita dia ny Jodeana sy ny Samaritana, ny Foinikiana na Fenisiana, ny Amôrita, ny Amônita, ny Môabita, ny Edômita, ny Soteana, ny Ekrônita filistina ary ny Amalekita.

Ny fiteny kanaanita amin ny hevitra mifintin io teny io dia tsy manondro afa-tsy ny fiteny

Ireto avy ireo fiteny kanaanita ireo:

  • ny fiteny môabita;
  • ny fiteny edômita.
  • ny fiteny ponika;
  • ny fiteny hebreo;
  • ny fiteny fenisiana;
  • ny fiteny amônita;
  • ny fiteny ogaritika

Taty aoriana dia voasolon ny fiteny arameana, izay fiteny semitika koa, ireo fiteny kananeana ireo.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →