Back

ⓘ Fady (malagasy)



                                               

Andrianerinerina

Andrianerinerina, araka ny fedràm-piaviana ao amin ny foko merina ao afovoan-tany eto Madagasikara, dia mpanjaka voalohany tao Imerina. Lazain ny fedrà fa fahatongavan-ko nofon ny zanak i Zanahary izy sady razamben ny mpanjaka merina. Araka ny fedrà ihany, dia nidina tety an-tany tamin ny toerana atao hoe Anerinerina ao avaratr Angavokely ny zanak i Zanahary mba hilalao miaraka amin ny Vazimba izay mponina voalohany teto Madagasikara. Ny anaran io toerana io no niavian ny anaran ilay mpanjaka. Nampitandremin i Zanahary ny Vazimba mba tsy hahandro ny ondrin Andrianerinerina izay tsy mahazo ...

                                     

ⓘ Fady (malagasy)

Ny fady na faly, eo amin’ny kolontsaina malagasy, dia ireo zavatra raràna tsy azo tanterahina araka ny fepetra napetraky ny fomba amam-panao. Mety hisy fady momba azy ny olona na ny toerana na ny asa atao na ny zavatra iray ka miovaova isam-paritra eto Madagasikara izany. Araka ny finoana dia vokatry ny hery tsy hita maso sady mifandray amin’ny fivavahana aminny razana ny fady. Na dia misy ny fady iraisanny Malagasy rehetra dia misy ny fady tsy mahakasika afa-tsy ny faritra na ny tanàna na ny fianakaviana sasany ihany. Isan’ny maha malagasy ny Malagasy ny fananana fady sady mandray anjara amin’ny fiforonan’ny fiarahamonina sy ny maha izy ny tena. Ny fady fahita matetika dia momba ny fonondroana amin’ny fanondro ny fasana, ny fihinanan’ny vehivavy bevohoka amalona.

Misy fady mipoitra hatrany hatrany. Rehefa misy zavatra vaovao atomboka dia tsy maitsy manao joro fanatitra mba hanalana ny fady. Izay manota fady dia heverina ho maloto sy manohintohina ny filaminana ara-panahinny fiarahamonina, na tanteraka ny fanotam-pady na tsy tanteraka. Ny vahiny avy any ivelan’ny Madagasikara dia asaina koa mba hanaja ny fady isan-toerana sady hanova ny fitondrany ny fiainany hifanatraka amin’izany.

Hita taratra aminny lafin-javatra momba ny kolontsaina malagasy ny fady. Izany no andrenasana ny Malagasy manao hoe "aza fady".

Ny mpanoratra sasany milaza fa ny fady dia mitovy aminny zavatra andraràna nefa tsy voasoratra ao amin’ny kolontsaina tandrefana, izay miteraka tsy firaharahan’ny fiarahamonina ilay mpandika lalàna.

                                     

1. Karazana fady

  • Fady momba ny fifandraisanny olona samy olona
  • Fady momba ny fotoana
  • Fady momba ny toerana
  • Fady arakaraka ny sokajinolona
  • Fady momba ny sakafo
  • Fady momba ny fiharian-karena
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →