Back

ⓘ Foto-pampianarana



                                               

Sola fide

Ny andian-teny latina hoe Sola fide, izay midika ara-bakiteny hoe "aminny alalanny finoana irery", dia ainga fototra protestanta milaza fa ny asa tsara ataonny olona dia tsy mandray anjara aminny fanavotana azy. Ny teolojiana miteny malagasy dia mandika io andian-teny io hoe Finoana irery ihany ". Iray aminireo andian-teny latina dimy manomboka amininny hoe Sola ny Sola fide. Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesani Jesosy Kristy mitondra fanavotana teo aminny hazofijaliana noho ny fahotanny olombelona izay miaiky azy ho mpamonjy. Mamerina ny fihavananny olombelona aminAndriamani ...

                                               

Kalvinisma

Ny kalvinisma dia foto-pampianarana teôlôjika prôtestanta sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin ny fiandrianan Andriamanitra amin ny zavatra rehetra. Na dia maro ireo teôlôjiana nampandroso ny kalvinisma toa an i Martin Bucer, i Wolfgang Musculus, i Heinrich Bullinger, i Pierre Martyr Vermigli, i Ulrich Zwingli ary i Théodore de Bèze, dia ny anaran ilay mpanitsy fiangonana frantsay Jean Calvin no nentin io firehana ara-teôlôjia prôtestanta iray io noho ny akon ny fampianarany sy ny ady hevitra nataony tamin ny taonjato faha-16 momba ny fanekem-pinoana sy ny anjara toera ...

                                               

Martin Bucer

I Martin Bucer na Martin Butzer dia teôlojiana sy refôrmatora prôtestanta alzasiana izay nipoiranny kônfirmasiona prôtestanta. Teraka taminny 11 Novambra 1491 tao Sélestat izy ary maty taminny 28 Febroary 1551 tao Cambridge. Nisy fiantraikany taminny foto-pampianarana loterana sy kalvinista ary anglikana ny fiheverany.

                                               

Fanambaràna miandalana

Ny fanambaràna miandalana dia foto-pampianarana lehibe ao amin ny finoana bahay, izay milaza fa ny fahamarinana ara-pivavahana dia ambaran Andriamanitra miandalana sy amin ny vanimpotoana tsirairay amin ny alalan ny hafatra mifandimby avy aminy, ary ny fomba fampitana azy araka ny foto-pampianarana samihafa dia mifanentana amin ny fivoarana ara-potoana sy ara-kolontsaina. Noho izany dia eken ny Bahay ny maha avy amin Andriamanitra ny fivavahana maro manerana izao tontolo izao, ary heverin izy ireo fa dingana miavaka tsirairay eo amin ny tantaran ny fivavahana tokana ireo fivavahana toa sam ...

                                               

Prima scriptura

Ny hoe Prima scriptura, izay midika ara-bakiteny hoe "aminny alalanny soratra aloha", dia foto-pampianarana kristiana izay manambara fa ireo soratra kanônika kristiana no loharano voalohany momba ny fanambarànAndriamanitra sy momba ny fenitra tsy maintsy itsarana ireo endrikizany fanambaràna izany, toy ny lovam-pampianarana, ny fanomezana karismatika, ny fahitana mistika, ny fisehoanny anjely, ny hevitry ny manam-pahaizana, sns. Ny Prima scriptura dia matetika ampitahaina aminny Sola scriptura "aminny alalanny Soratra irery", izay adikanny firehana prôtestanta sasany, indrindra ireo fiango ...

                                               

Neo-ortodoksia

Ny neo-ortodoksia na teolojia dialektika dia firehana ara-teolojia ao aminny protestantisma izay nandroso taorianny Ady Lehibe Faharoa. Mampiavaka azy ny fanoherana ny fampianaranny teolojia liberaly taminny taonjato faha-19 sy ny fanamafisana ny fahefanny fampianaranny Reformasiona izay nihalefy hery nanomboka taminny taonjato faha-18, indrindra tao Eoropa Andrefana. Ny teolojianny pastora soisa roa lahy Karl Barth sy i Heinrich Emil Brunner no santionanizany teolojia neo-ortodoksa izany. Tsy azoazonizy ireo anefa ny iantsoana azy hoe "neo-ortodoksa" satria tsipahiny ny foto-pampianarana ...

                                     

ⓘ Foto-pampianarana

Ny foto-pampianarana dia fitambaranny fiheverana ao amin ny rijan-kevitra apetraky ny mpanoratra na ny vondro-mpanoratra ho marina. Ny foto-pampianarana dia mety ho heverina indraindray ho mamitaka, tsara lahatra ka marina ivelany fotsiny, na tsy manome fahafahana hiady hevitra fa ekena tsotra izao, arakaraka ny fiaviany izay mety ho ara-pivavahana na ara-pedrà. Ny foto-pampianarana dia misy lafiny ara-pirehan-kevitra sady mety mahakasika ny pôlitika, ny lalàna, ny toekarena, ny fivavahana, ny filôzôfia, ny siansa, ny fiarahamonina, ny tafika, sns.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →