Back

ⓘ Fivavahana



                                               

Fivavahana tao Arabia talohanny fivavahana silamo

Ny fivavahana tao Arabia talohanny fivavahana silamo dia nahitana fivavahana amin andriamanitra maro, ny fisafidianana andriamanitra iray aminny maro hivavahana, ny fivavahana kristiana, ny jodaisma ary fivavahana iraniana maro. Nisy koa ireo fivavahana hafa izay tsy dia be mpanaraka. Ny akonny kolontsaina avy tao aminny Empira rômana sy ny Empirani Aksoma ary ny Empira sasanida dia hita taratra tao aminireo fianakaviambe kristiana tao aminny tapany avaratra andrefana sy avaratra atsinanana ary atsimonny Saikanosini Arabia.

                                               

Fivavahana iraniana

Ny fivavahana iraniana dia ireo fivavahana efa nisy hatraminny ela talohanny nidiranny fivavahana silamo tany Iràna Lehibe. Ankehitriny dia olom-bitsy no manaraka ireo fivavahana ireo raha mitaha aminireo fivavahana hafa toy ny kristianisma sy ny finoana silamo. Ireto ny malaza aminireo fivavahana ireo: ny zôrôastrisma, ny zervanisma, ny mandeisma, ny fivavahana amini Mitra ary ny manikeisma. Ny finoana sy ny asa ary ny zava-mitranga ara-kolontsaina teo aminireo Iraniana tao Iràna taminny Andro Taloha dia lohahevitra sarotra tsorina. Ny Ntaolo iraniana dia foko ariana tsy ariana. Ny Ariana ...

                                               

Fivavahana ao India

Ny fivavahana ao India dia ireo fivavahana maro isan-karazany izay samy manana ny fombafombany sy ny finoany. Tao India no nipoiranny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma. Nandray hatry ny ela ny jodaisma, ny kristianisma, ny finoana silamo ary ny zôrôastrisma koa izy. Matetika nadray anjara lehibe ny fivavahana teo aminny tantarani India, ary ekenny lalàna indiana ny fisianizy ireo. Ny ankabetsahanny Indiana dia mpivavaka ary ny fivavahana dia mandray anjara betsaka aminny fiainanizy ireo.

                                               

Mitraisma

Ny mitraisma na fivavahana amini Mitra dia fivavahana misy zava-miafina, izay tokony niseho taminny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia, ka i Mitra no andriamaniny. Rava ny fivavahana tamini Mitra tany Persia taminny fiforonanny zôrôastrisma. Niroborobo io fivavahana io tao aminny Empira rômana taminny taonjato voalohany hatraminny faha-4 taor. J.K. Mampiady hevitra ny mpikaroka momba ny fivavahana ny fifandraisanny fivavahana amini Mitra tao Persia sy ny tao aminny Empira rômana. Nahatratra ny fara tamponny lazany ny mitraisma taminny taonjato faha-3. Ireo miaramila rômana no tena mpiti ...

                                               

Mônôteisma

Ny mônôteisma dia finoana andriamanitra tokana na finoana ny maha tokana an Andriamanitra. Ny pôliteisma, izay finoana andriamanitra maro, no tena mazava ny fifanoherany aminy. Telo ny fivavahana fantatra mazava fa mônôteista, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Ny mônôteisma dia angamba nanomboka tany aminny taonjato faha-14 tal. J.K., niaraka aminny nanombohanny faraôna Amenôfisy IV nivavaka tamini Atôna, andriamanitra masoandro, izay ninoana fa fara tampony sady tokana. Ny zôrôastrisma dia fivavahana tany Persia izay azo lazaina koa ho mônôteisma. Ny fotoana voalohany fant ...

                                               

Tsindrimandry (fivavahana)

Ny tsindrimandry na fanilovana na teopneostia dia fomba entinny andriamanitra na entin Andriamanitra na ny fanahy iray mampanao zavatra, indrindra mampita ny hafany aminny alalanny fampitenenana na ny fampanoratana ny olona izay manatanteraka izany tsy araka ny sitrapony. Fandre io teny io tao aminireo fivavahana taloha, na tao aminny fivavahana jiosy, ary heno ihany koa ny fampiasana izany ao aminny finoana silamo. Ao aminny fivavahana kristiana anefa no nandraiketana ny hevitra fonosiny ho foto-pampianarana sy tenim-pinoana ka ilazana fa ny Soratra Masina dia vokatry ny tsindrimandry na ...

                                     

ⓘ Fivavahana

Ny fivavahana dia fanao sy finoana mampifandray ny fiainanny olombelona amin ny masina, finoana ny fisian ny hery ambony noho ny olombelona, dia finoana ifampizaran ny fianakaviamben ny mpino.

Miteraka fanao ara-pitondrantena, fomba fijery manokana ny zava-misy, toerana masina, faminaniana, fandaminana, lahatsoratra, izay heverina fa mampifandray ny olombelona aminny fisiana mihoa-draha na ara-panahy ny fivavahana. Tsy mitovy anefa ny isa sy ny fisehonireo singa mpamaritra ireo ao aminny fivavahana tsirairay. Misy ny fivavahana mampianatra ny fisianny andriamanitra izay tokony hinoana, misy koa ireo tsy mampianatra ary tsy mino ny fisianny andriamanitra.

Ny fivavahana iray dia mety hiavaka aminny fisiana fombafomba, fahatsiarovana sy fitantarana zava-nitranga manana ny lanjany, fanazavana ny finoana, fanazavana ny fiavianny fiainana sy izao tontolo izao, fitsaohana ny andriamanitra na ny olo-masina, fanaovana sorona, firavoravoana, fanatanterahana fomba fandevenana manokana, fandinihan-tena, zavakanto, vavaka, famantarana manokana, fedrà, sy singa maro momba ny kolontsaina.

Tombanana ho 10 000 any ho any ny isanny fivavahana maneran-tany, ka ny 84% aminizany dia ao aminny kristianisma, ny finoana silamo, ny hindoisma, ny bodisma ary ireo fivavahan-drazana sasany.

                                     

1.1. Ankapobeny amin ny fivavahana Singa hamaritana ny fivavahana

Ny fivavahana iray dia finoana arahim-panao sady ampiharina. Ny finoana ao amin ny fivavavahana iray dia mitaky fanajana ny fanao voafehin-dalàna, ka izany fanao izany dia mety tanterahin olona iray na tanterahin olona maro miaraka. Ohatra, ny fanompoam-pivavahana fanajana omena ny andriamanitra dia mety ho tanterahina amin ny alalan ny vavaka sy ny fivahiniana masina. Ny toeram-pivavahana dia mety an ny olona isan-tokantrano na itambarana, toy ny sinagôga jiosy sy ny fiangonana ary môskea miozolmana.

Ny fanao sasany ao amin ny fivavahana dia hita taratra avy hatrany eo amin ny fiarahamonina: ny fitafiana ny kippa izay manafy lohan ny lehilahy jiosy, ny akanjo lava miloko volom-boasary itafian ny moanina bodista, ny sakafo ohatra: ny fifadian ny Miozolmana sy ny Jiosy ny fihinanana kisoa, ary koa ireo dingana maro andalovan ny olombeona mandritra ny fiainany na mialoha na aorian izany aza.

                                     

1.2. Ankapobeny amin ny fivavahana Mamorona fianakaviambe ny fivavahana

Ny fianakaviambe miforona manodidina ny fivavahana iray dia manorina ny fombafombany manokana, ny fehezan-dalànany, ny tenim-pinoany ary ny fomba amam-panaony. Manana ny fandaminana ao aminy ahitana antanan-tohatra ny fivavahana iray.

Amin ireo mpino ao amin ny fivavahana iray dia misy ireo mpino vitsy anisa kokoa izay manokana ny androny amin ny fanompoana ilay fanahy ivavahany ka tsy misahana asa hafa ankoatra izany ireo no mpitondra fivavahana, ao koa ny mpino maro anisa izay mitoetra ao amin ny fiarahamonina mahazatra ireo no atao hoe mpivavavaka tsotra na lahîka.

                                     

1.3. Ankapobeny amin ny fivavahana Akin ny fivavahana eo amin ny fiarahamonina

Misy akony eo amin ny fiarahamonina nipoirany na ivelarany koa ny fivavahana. Ohatra, ny mozika, ny hosodoko, ny sarisokita, ny sarivongana, ny maritrano ary ny asasoratra dia enti-manandratra ny fivavahana. Ohatra amin izany ny sarimasina nataon ny moanina ôrtôdôksa hatramin ny Andro Antenantenany). Misy ny zavakanto jiosy, zavakanto kristiana, zavakanto miozolmana, zavakanto bodista, sns.

                                     

2. Ny karazam-pivavahana

Ny animisma

Ny animisma dia finoana ny fisian ny fanahy ao amin ny toerana sasany, ao amin ny biby, ao amin ny zavamaniry, na ao amin ny zavatra heverin ny tsy mino ho tsy misy aina.

Ny fetisisma

Ny fetisisma dia fivavahana amin ny zavatra heverina ho manana hery ambonin ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.

                                     

2.1. Ny karazam-pivavahana Fivavahana amin ny andriamanitra

Ny andriamanitra dia fanahy izay inoana na heverina fa mihoatra ny fisiana sy ny herin ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana. Mety hinoana ho tokana ny andriamanitra mônôteisma fa mety ho maro koa pôliteisma. Raha maro izy dia mety hinoana ho mifandray amin izy samy izy sahala amin ny mpianakavy na misy fandaminana ara-piarahamonina.

                                     

2.2. Ny karazam-pivavahana Ny mônôteisma

Ny mônôteisma dia finoana andriamanitra tokana na finoana ny maha tokana an Andriamanitra izay namorona ny zavatra rehetra ka tsy mifangaro aminy. Telo ny fivavahana fantatra mazava fa mônôteista, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Ny zôrôastrisma dia fivavahana tany Persia izay azo lazaina koa ho mônôteisma koa.

                                     

2.3. Ny karazam-pivavahana Ny panteisma

Ny panteisma dia finoana anambaràna fa ny fitambaran ny zava-drehetra no atao hoe Andriamanitra. Izany hoe izao tontolo izao dia tsy noforonon Andriamanitra fa tenan Andriamanitra ka sady Andriamanitra no fanahiny koa. Ny hindoisma koa dia ahitana endrika panteisma. Mifanakaiky hevitra amin ny panteisma ny panenteisma.

                                     

2.4. Ny karazam-pivavahana Ny panenteisma

Ny panenteisma dia finoana ilazana an Andriamanitra ho sady miely amin ny faritry ny natiora rehetra, sady mihoatra azy na ara-potoana na ara-toerana. Tsy mpamorona Andriamanitra fa hery mandrakizay manetsika an izao tontolo izao. Lehibe noho izao tontolo izao io Andriamanitra io ka noho izany dia miaty an izao rehetra izao izy.

                                     

2.5. Ny karazam-pivavahana Ny fivavahana amin ny fanahy

Amin ny faritra sasany eto amin izao tontolo izao, misy ny finoana tranainy dia tranainy izay mbola misy mpanaraka. Ireo fivavahana ireo matetika dia miampita amin ny alalan’ ny lovantsofina am-bava. Matetika dia tsy misy ny fanompoam-pivavahana atao amin ny andriamanitra fa ny fitokavana atao amin ny fanahy eo amin ny zavaboary na ny fanahin ireo razana efa maty.

                                     

2.6. Ny karazam-pivavahana Ny animisma

Ny animisma dia finoana ny fisian ny fanahy ao amin ny toerana sasany, ao amin ny biby, ao amin ny zavamaniry, na ao amin ny zavatra heverin ny tsy mino ho tsy misy aina.

                                     

2.7. Ny karazam-pivavahana Ny fetisisma

Ny fetisisma dia fivavahana amin ny zavatra heverina ho manana hery ambonin ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.

                                     

2.8. Ny karazam-pivavahana Ny tôtemisma

Ny tôtemisma dia finoana ny fisian ny razana na fanahy mpiaro ny foko na vondrom-poko iray, izay mitoetra ao amin ny atao hoe tôtema, izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina. Karazana animisma koa ny tôtemisma.

                                     

2.9. Ny karazam-pivavahana Ny samanisma

Amin ny kolontsaina animista amin ny faritra sasany dia afaka mifandray sy mifampiresaka amin ny fanahy tsy hita maso ny velona amin ny alalan ny mpanelanelana atao hoe samàna karazana mpimasy na ombiasa: izany no atao hoe samanisma.

                                     

2.10. Ny karazam-pivavahana Fivavahana tsy misy andriamanitra mpamorona

Ny fivavahana tsy misy andriamanitra na fivavahana tsy mino andriamanitra dia ireo fombafomba na finoana na fitsipika na tenimpinoana dôgma an ny olona na vondron olona tsy misy ifandraisany amin Andriamanitra na amin ny andriamanitra na iza na iza. Azo ampitovina amin endrika filôzôfia na fiainam-panahy ny fivavahana toy izany. Ny jainisma sy ny bodisma no fivavahana heverina fa tsy mino ny fisian ny andriamanitra mpamorona.

                                     

3. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao

Taôisma

Ny taôisma dia iray aminireo andry telonny filôzôfia sinoa ny roa hafa dia ny kôfosianisma sy ny bodisma, izay miorina aminny fisianny foto-javatra niavianny zava-drehetra atao hoe "Taô".

Sikisma

Ny sikisma dia fivavahana monoteista naorini Gurû Nanak tao aminny tapany avaratri India taminny taonjato faha-15.

                                     

3.1. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Fivavahana abrahamika

Ny fivavahana abrahamika dia ireo finoana heverina fa nandova tamin i Abrahama patriarka hebreo ny finoana Andriamanitra tokana, ka ny tena fantatra amin izany dia ny Jodaisma sy ny Kristianisma ary ny Silamo, izay manorina izany finoany izany amin ny boky heveriny ho Soratra Masina, dia ny Tanakh sy ny Baiboly ary ny Korany. Isanny fivavahana abrahamika koa ny iazdanisma, ny samaritanisma, ny fivavahanny Droza, ny babisma, ny finoana bahay, ny rastafarisma, ny mandeisma, ny sabakisma, ny iazdanisma ary ny iazidisma.

                                     

3.2. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Jodaisma

Ny jodaisma dia endriky ny fivavahanny Israelita taorianny faharavanny Tempolini Jerosalema taona 587 tal. J.K. sy taorianny fahababoanny Jiosy avy tany Babilôna 587 - 538 tal. J.K. Ny jodaisma dia finoana anAndriamanitra tokana antsoina hoa IHVH. Dimy ambinny folo tapitrisa no isanny Jiosy manerana izao tontolo izao ary fito tapitrisa aminireo no mipetraka any Israely. Ny Tanakh no Soratra Masinny jodaisma. Araka ny Baiboly dia i Abrahama razambenny Hebreo no rainny fivavahana jiosy. Ny fanompoam-pivavahana ao aminny Tempolini Jerosalema, izay nanatanterahana sorona, dia nosoloana fanompoam-pivavahana ao aminny sinagôga, izay trano fanaovana vavaka fa tsy fanaovana sorona jodaisma rabinika.

Ankehitriny dia ireto ny sampanny jodaisma matanjaka: jodaisma ôrtôdôksa mihevi-tena ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaonny Jiosy mandala ny Lalàna voasoratra sy ny Lalàna am-bava nampitaini Mosesy teo aminny tendrombohitra Sinay, miaraka aminny fivoasana ireo lalàna ireo, ny jodaisma nohavaozina mamporisika ny Jiosy handray ny fandrosoana aminizao andro ankehitriny izao, sady atao hoe jodaisma liberaly ary ny jodaisma mpitahiry mandray ny fotokevitry ny fanavaozana nefa tsy manao izany ho lasan-davitra loatra izay samy ao aminny jodaisma rabinika avokoa. Manampy anireo sampana ireo ny jodaisma karaita vitsy anisa izay tsy manaiky ny fivoasana ataonny raby. Endriky ny jodaisma anny Samaritana manokana ny samaritanisma.



                                     

3.3. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Fivavahana abrahamika hafa

Isanny fivavahana abrahamika ny bahaisma, ny babisma, ny rastafarisma fihetsiketsehana mesianika ara-piarahamonina sy ara-panahy izay nandroso avy ao Jamaika, izay miseho aminny lafiny mozika aminny alalanny reggae ary ny fivavahanny Droza.

                                     

3.4. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Taôisma

Ny taôisma dia iray aminireo andry telonny filôzôfia sinoa ny roa hafa dia ny kôfosianisma sy ny bodisma, izay miorina aminny fisianny foto-javatra niavianny zava-drehetra atao hoe "Taô".

                                     

3.5. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Kônfosianisma

Ny kônfosianisma dia iray aminireo sekoly ara-pilôzôfia sy ara-pitondrantena sy ara-pôlitika ary ara-pivavahana ao Sina. Ny asanilay filôzôfa atao hoe Kongfuzi fantatra aminny anarana hoe Kônfosiosy. Mifameno aminny taôisma sy ny bodisma izy ao amnny fiainanny vahoaka ao Sina.

                                     

3.6. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana

Maro koa ireo fivavahana nentim-paharazana na fivavaham-bahoaka any Azia Atsinanana ka isanizany ny fivavahan-drazanny Sinoa, ny anny Kôreana, ny anny Vietnamiana, ny anny Japôney, sy ny hafa koa.

                                     

3.7. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Fivavahana darmika

Ny fivavahana darmika dia ireo fivavahana teraka tao amin ny zana-kôntinenta indiana, dia ny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma mbamin ireo firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin izy ireo. Ny fivavahana darmika dia be mpanaraka ao amin ny zana-kôntinenta indiana sy ao Azia Atsinanana ary ao Azia Atsimo-Atsinanana.

                                     

3.8. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Hindoisma

Ny hindoisma dia fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana nipoitra ao aminny zana-kôntinenta indiana, isanireo fivavahana tranainy indrindra eranizao tontolo mbola misy manaraka, mino ny fahefanireo boky atao hoe Veda izay nambara taminny olombelona taminny alalanilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmâ. Mampiavaka ny hindoisma ny fanambarany karazana finoana sy fanao avy aminny fivavahana samihafa sinkretisma. Ny hindoisma dia manakaiky ny atao hoe animisma. Ao aminny zana-kôntinenta indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma nefa ahitana azy koa ireo toerana ivelani India izay misy Indiana mpifindra monina toa ani Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ireo Antilia ary i Angletera. Ny hindoisma no laharana fahatelo aminny fivavahana be mpanaraka indrindra aorianny kristianisma sy ny silamo.

                                     

3.9. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Jainisma

Ny jainisma na darma jaina dia fivavahana izay mampianatra fa ny tanjonny fiainana dia mitovy ho anny hindoisma sy ny bodisma ary ny sikisma. Ny mpanaraka io fivavahana io dia tokony hanao tanjona ny fahatratrarana ny fihazavana izay mitarika aminny fitsaharanny fifindranny fanahinny zavamananaina iray aminny zavamananaina iray hafa samsara, atao hoe môska na nirvana. Mandala ny fisainanana tsy misy herisetra ahimsa ny jainisma. Aminny jainisma dia mifampiankina ny fiainana rehetra ka tokony hifanampy. Ny fandinihan-tena sy ny fifadian-kanina dia fanao ao aminny jainisma.

                                     

3.10. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Bodisma

Ny bodisma dia finoana noforonin i Siddharta Gautama. Mampianatra ny olona hamarana ny fijaliany amin ny alalan ny fanalana ny fankahalana sy ny tsifahalalana ary ny fitiavam-bola tafahoatra ny bodisma. Mino ny Bodista fa rehefa manao zava-dratsy ny olona dia hitarika voka-dratsy ho azy izany, rehefa manao zavatra tsara ny olona dia hitarika voka-tsoa ho azy izany. Tsy mifandanja ny zavatra tsara sy ny zava-dratsy. Isan ny atao hoe fivavahana tsy misy andriamanitra ny bodisma.

                                     

3.11. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Sikisma

Ny sikisma dia fivavahana monoteista naorini Gurû Nanak tao aminny tapany avaratri India taminny taonjato faha-15.

                                     

3.12. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Fivavahana iraniana

Ny fivavahana iraniana dia ireo fivavahana efa nisy hatry ny ela talohanny nidiranny fivavahana silamo tany Iràna Lehibe. Ankehitriny dia olom-bitsy no manaraka ireo fivavahana ireo. Isanireo fivavahana ireo ny zôrôastrisma, ny mandeisma ary ireo fivavahana korda toy ny iazdanisma.

                                     

3.13. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny zôrôastrisma

Ny zôrôastrisma dia fivavahana mônôteista naorin’ i Zaratostra na Zôrôastra tany Persia tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. ka i Ahora Mazda Ahura Mazda no anaran’ ny andriamaniny. Manindry mafy ny fifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ny ratsy doalisma ny zôrôastrisma nefa tsy mitory fisian’ andriamanitra roa mifanohitra.

                                     

3.14. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny zervanisma

Tany Persia tamin ny andron ny Akemenida no nipoiran ny zervanisma na zorvanisma, avy amin ny anaran ny zavatra inoany atao hoe Zorvana na Zervana, ary heverina fa nisy talohan ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin ny fampianarany, indrindra ny doalisma. I Zorvàna dia hevitra fa tsy andriamanitra, foto-javatra tsy voafaritra.

                                     

3.15. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny mandeisma

Ny mandeisma dia fivavahana abrahamika, batista manao batisa, mônôteista ary gnôstika. Fototry ny fampianaran ny mandeisma ny fifanoheram-poto-javatra roa doalisma izay ahitana ny "tontolo ambony" sy ny "tontolo ambany", ny "toeran ny fahazavana" sy ny "toeran ny haizina". Araka ny lovantsofina mandeana dia i Joany mpanao batisa no irakyny lanitra sady mpaminany lehibe ho an izy ireo. Ny Mandeana dia mitsaoka an i Adama, an i Abela, an i Seta, an i Henoka, an i Noa, an i Sema, an i Arama ary indrindra an i Joany mpanao batisa.

                                     

3.16. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny fivavahana amin i Mitra

Ny fivavahana amin i Mitra Mithra antsoina hoe mitraisma dia fivavahana misy zava-miafina. Ny mitraisma dia fivavahana niseho tamin ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia. Nivavahana tao amin ny Empira rômana izy io tamin ny taonjato voalohany hatramin ny faha-4 taor. J.K.

                                     

3.17. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny manikeisma

Ny manikeisma, izay fivavahana naorin ilay Persiana atao hoe Manỳ na Manika tamin ny taonjato faha-3, dia fivavahana mino ny fifamenoan ny andriamanitra roa mifanohitra. Fifangaroan ny zôrôastrisma sy ny bodisma ary ny kristianisma ny manikeisma sinkretisma. Nandray zavatra be dia be tamin ny gnôstisisma ny manikeisma. Ny ivon ny fampianarany dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa doalisma, ahitana ny fanjakan ny Tsara atao hoe fanjakan ny Fahazavana izay anjakan Andriamanitra, sy ny fanjakan ny Ratsy na fanjakan ny Haizina izay anjakan i Satana.

                                     

3.18. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny mazdakisma

Ny mazdakisma dia fivavahana gnôstika izay niavaka tamin ny fanafoanany ny fananan-tsamirery fa nanandratra ny fananana iombonana mpialoha lalana ny kômonisma, izay niseho tamin ny faramparan ny taonjato faha-5 sy,ny fiandohan ny taonjato faha-6. Nipoitra avy tamin ny zôrôastrisma ny mazdakisma. Avy amin ny anaran ilay mpiaro azy io anarana io, dia i Mazdaka Mazdak.

                                     

3.19. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny iazdanisma

Ny iazdanisma dia fivavahana mônôteista efa nisy taloha, manao fanompoam-pivavahana amin ny anjely iazdâny, izay narahin ny Korda talohan ny niitaran ny tany fehezin ny Arabo tamin ny taonjato faha-7 sy ny talohan ny nanovana azy ireo ho Silamo. Ny iazdanisma dia mampianatra ny fahaterahan ny zavamananaina indray miaraka amin ny fanahin ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin ny hindoisma, ary mino ny anjely fito izay miaro an izao tontolo izao amin ny devoly na demony fito.

                                     

3.20. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny iarsanisma

Ny iarsanisma dia fivavahana naorin ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin ny faramparan ny taonjato faha-14 tao Iràna andrefana. Heverina ho sampan ny iazdanisma ny iarsanisma. Hatramin izay nisiany ka hatramin ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin ny fianakaviambe korda ihany sy amin ireo olona teraka ao amin io fianakaviambe io ny finona iarsany. Ao Iràna Andrefana sy ao Iràka no tena ahitana azy ireo.

                                     

3.21. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny fivavahan-drazana

Ny fivavahan-drazana dia fivavahana na finoana an ny foko na vondrom-poko na firenena iray manokana. Avahana amin ny fivavahana manana fikendrena anjiaby, toy ny kristianisma sy ny finoana silamo izay tsy voafetra ho an ny foko na vondrom-poko na firenena iray, ny fivavahan-drazana.

                                     

3.22. Ny fivavahana misy eto amin izao tontolo izao Ny fivavahan-drazana afrikana

Ny fivavahan-drazana afrikana dia fivavahana isan-karazany ahitana fivavaham-poko maro. Matetika dia tsy voasoratra ny fomba sy fanao ao aminireo fivavahana ireo fa miampita am-bava, ka ahitana karazan andriamanitra ambony sy ambany, indraindray ahitana finoana andriamanitra mpamorona, finoana ny fisian ny fanahy, ny fivavahana amin ny fanahin ny maty, ny fampiasana majika sy sikidy sy fitsaboana nentim-paharazana. Maro amin ireo fivavahana ireo dia mananana endrika animista, ny sasany pôliteista ary ny hafa panteista.

Ethelbert William Bullinger
                                               

Ethelbert William Bullinger

I Ethelbert William Bullinger dia mpitondra fivavahana anglikana sy manampahaizana amin ny Baiboly ary teôlôjiana mpandala tafahoatra ny dispensasiônalisma. Teraka tamin ny 15 Desambra 1837 tao Canterbury any Kent izy ary maty tamin ny 6 Jona 1913 tany Lôndra.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →