Back

ⓘ Bononoka



                                     

ⓘ Bononoka

Ny bononoka dia sakafo azo avy aminny fandomana Mangahazo, ka ahazoana mangahazo mahasalama kokoa sy matsiro kokoa. Misy fofona somary mahery izy ka lasa tsy itiavanny olona sasany azy. Ny mangahazo vita bononoka dia azo amainina sy totoina ka anaovana karazana mofo mangahazo antsoina hoe ketapotsy.

                                     

1. Fomba fanamboarana bononoka

Misy fiovana kely arakaraka ny faritra, fa aminny ankapobeny dia toy izao:

  • Mihady na mividy mangahazo
  • Voasana sy sasàna hadio tsara
  • andrahoina tahaka ny batabata
  • alona anaty rano tatatra na tanimbary mandritra ny 2 herinandro
  • atao anaty gony na harona ary fatorana tsara, fonosina mololo raha tiana hisy ilay "taviny mavomavo".
                                     

2. Ny fihotrehana (fermentation hafa koa mitranga fa tsy dia tena lehibe, kanefa mandray anjara ihany koa aminny tsiro sy fofonny bononoka.

                                     

3. Ny fialanny akora manapoizina

Noho izy milon-drano dia mivoaka entinny rano ny asidra cyanhydrique ao anatinny mangahazo. Fa ny fanapotehanireo mikraoba ny karazana glucosides koa dia manampy aminny fanalana ireo poizina izay miraikitra ka tsy miala aminizao.

                                     

4. Ny tsirony sy fofony

Ny bononoka dia malemy, mipasaka sy matsiro. Misy fofona mampiavaka azy koa, izay tsara ho anny sasany fa ratsy ho anny sasany. Ny mahatonga ireo tsiro sy fofona ireo dia:

  • ireo asidra sy alikaola vokatry ny fermentation
  • ny entonarina avy aminny fermentation dia mampipasaka azy rehefa andrahoina satria mitombo hadiry haingana aminny hafanana
  • ny fahatapatapahanireo molecules ngeza toy ny tavolo na mafy toy ny pectine dia mampalemy azy sy mampaha-re kokoa ny tsirony
  • ny soufre mivoaka noho ny fihinananny mikraoba ny ampahany aminny proteines aminilay mangahazo mahatonga fofona. Raha kely io dia manitra ohatra ny atody masaka aminny akorany, raha be loatra dia maimbo ohatra ny tatatra.
                                     

5. Fehiny

Raha te-hihinana mangahazo tsara sy matsiro ary ara-pahasalamana dia ny bononoka no tsara indrindra, satria sady afaka ny toxique no voaaro aminny mikiraoba ratsy izy, ary mihatsara izy ao am-bava. Tsy misy toxique velively ny zavatra mahatonga ny fofony sy ny tsirony mampiavaka azy iny fa azo antoka tsara.

Tsy isika malagasy irery - araka ny filazanny sasany - no manao bononoka, fa misy firenena afrikana hafa koa, saingy hafa no anarana fiantsony azy, ary tsy tena mitovy tanteraka ny fikarakarana azy. Aminny teny frantsay dia "rouissage" no iantsoana anio fomba fandomana mangahazo io cf google.

Loharano

  • Serasera
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →