Back

ⓘ Rano



                                               

Mpitondra Rano (fanandroana)

Ny Mpitondra Rano na Adalo dia vintana fahiraika ambin ny folo amin ny fanandroana manaraka ny zôdiaka. Ny Tandrok Osy no eo alohany ary ny Hazandrano no manaraka azy.

                                               

Batisa alentika anaty rano

Ny batisa alentika anaty rano dia fampianarana sy fombam-pivavahana kristiana momba ny batisa na batemy. Mampahatsiahy ny zavatra niainana amin ny fanavaozana ara-panahy izany, izay anapahan ny mino, aorian ny fahaterahana indray, manapa-kevitra hatao batisa amin ny fandentehana azy manontolo anaty rano, araka ny fanambaràm-pinoana nataony. Ity fanaovam-batisa ity no endrika isehoan ny batisan ny mino, ka ireo fiangonana ara-pilazantsara no tena manao azy. Araka ny teôlôjiana ara-pilazantsara sasany dia notanterahina tamin ny alalan ny fandentehana anaty rano ny batisan i Joany mpanao bati ...

                                               

Mpitondra Rano (antokon-kintana)

Ny Mpitondra Rano dia antokon-kintanny zôdiaka andalovanny masoandro aminny 16 Febroary hatraminny 11 Marsa. Ny antokon-kintanny Tandrok Osy no eo andrefany fa ny anny Hazandrano kosa no eo atsinanany. Avy aminny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu io antokon-kintana io, izay niavianny anaran ny vintana sy ny vilana malagasy hoe Adalo. Io antokon-kintana io dia atao aminny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na aminny teny frantsay hoe Verseau. Aminny teny grika izy dia atao hoe Υδροχόος / Hudrokhoos na Hydrokhoos. Aminny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Aminny teny ...

                                               

Ranomandry

Ny ranomandry dia rano mivaingana noho ny hatsiaka. Rehefa manara-penitra ny tsindrin ny atmôsfera dia lasa ranomandry ny rano rehefa midina amban ny maripanam-pitsonihany: 0 °C na 273.15 K.

                                               

Jiro sy Rano Malagasy

Ny Jiro sy Rano Malagasy dia orinasam-pajakana mamokara aratra sy rano eto Madagasikara. Ao Antananarivo no misy ny foibeny. Mahatratra ay amin ny 340 000 any ho any ny mpanjifa aratra ao aminy izay miparitaka amin ny toerana miisa 114, ary miisa 65 ny ivontoerany mpanijara rano. An ny fitondram-panjakana malagasy manontolo ny vola miasa ao amin ny Jirama.

                                               

Eofrata

I Eofrata dia renirano ao Azia izay manana halavana mirefy 2780 km. Izy sy ny renirano Tigrisy no mamorona ilay faritra atao hoe Mesopotamia. Io renirano io dia mahazo rano avy aminny rotsakorana sy ny fitsonihanny ranomandry ka miovaova ny habetsahanny rano ao aminy satriaa ny antsasaky ny rano ao aminy dia mivarina ao hatraminny volana Marsa hatraminny volana Mey ary ny habetsahany dia milatsaka any aminny 300 m3/s raha 830 m3/s ny salanizany eo aminny fidirany ao Siria. Aminny fotoana mahabe azy dia mahatratra 5200 m3/s izy miteraka tondrandrano izany indraindray. Miovova ny habetsahann ...

Rano
                                     

ⓘ Rano

Ny rano dia akora iankinanny aina eto an-tany. Aminny mari-pana sy ny tsindry mahazatra dia miendrika zaka mitsiranoka izy. Fa hita aminny endrika mientona sy mivaingana koa izy eo aminny tontolo voajanahary.

                                     

1. Aiza no ahitana rano

  • ao anaty vata fampangatsiahana, any aminny fivarotan-trondro
  • aminny endrika mivaingana
  • aminny glasy sy klarinety ary yaourt aminny sase
  • any aminny faritra temperé rehefa ririnina izay miraraka aminny endrika orampanala
  • eny ambony tendrombohitra avo toy ny Hymalaya sy Kilimandjaro
  • any aminny tendron-tany atsimo sy avaratra
  • any anaty ranomasina
  • eny aminny habakabaka izay milatsaka ho orana
  • any anatinny zava-mananaina toy ny biby sy zavamaniry ary mikiraoba
  • any anaty tavoahangy
  • any anaty ranomamy toy ny ony, farihy, tatatra, loharano, tanimbary sns
  • aminny endrika mitsiranoka
  • eo am-bava-vilany
  • aminny endrika mientona
  • anatinny atmosfera
  • anatinny fofonaina
                                     

2. Fizika

Aminny tsindrinny atmosfera dia:

  • mangarahara tsy miloko
  • hafana spesifika: 4.18 J/gK
  • mari-pana fiempoana: 0 °C
  • lanja isam-bentin-kadiry: 1000 kg/m3
  • mari-pana maha ambony indrindra ny hakitroka: 4 °C
  • mari-pana fientonana: 100 °C
                                     

3. Simia

H 2 O 1 no raikipohy simikanny rano. Izany hoe misy atome Oksizena anankiray mitambatra aminny atome Hidrozena anankiroa. 18g ny lanjany isa-môly.

Noho ny oksizena izay elektronegativa dia sintoniny manatona azy ny tambatra elektrona anankiroa izay eo aminny firaisany aminireo Hidrozena avy. Vokatrizay dia lasa misy ampahana charge mitranga eo aminireo atoma tsirairay, miabo eo aminny H ary miiba eo aminny O. Noho ireo charges ireo dia lazaina fa polaire ny molekiolnny rano. Mibaiko ny toetrany aminny ankapobeny io maha polaire azy io. Ohatra hoe:

  • lasa misy firaisana malefaka aminny tendro miiba sy miabo aminny molekiolana rano mifanakaiky: firaisana Hidrozena no iantsoana azy; hany ka lasa manao tambajotram-piraisana malefaka ny molekiola maro rehefa tafaraka. Dia izany no mahatonga ny rano ho lasa mitsiranoka aminny mari-pana sy tsindry mahazatra raha toa ka mientona daholo ny akora mitovitovy lanja isa-môly aminy.
  • afaka mifandray aminny molekiola polaire hafa ny rano aminny alalanio firaisana malefaka io ihany. Toy izany no ahafahany mandevona anireo karazana asidra, alkalia ary sira isan-karazany; mbola toy izany koa no ahafahany mandevona siramamy; ary mbola toy izany koa no ahafahany mandena karazanakora isan-karazany toy ny lamba, ny taratasy, ny hazo, sns. Antsoina koa hoe hidrofilika ireo akora polaires ireo.
  • noho ireo firaisana malefaka aminizy samy izy aminireo molekiola polaires dia tsy afaka tafangaro aminy ireo molekiola izay tsy mba misy faritra polaire. Voailika ireo noho izany ka tsy mahita toerana ho azy eo anivonny rehetra. Noho izany dia tafaraka tsy fidiny ny samy tsy polaire, dia manao firaisana malefaka kokoa, karazana firaisani Van Der Waals. Izany no mahatonga ny rano sy ny menaka tsy ho afaka mifangaro, izany koa no mahatonga ny rano tsy hahalena plastika, na lamosina ganagana. Antsoina koa hoe hidrofobika ireo akora tsy polaires ireo.


                                     

4. Fiaraha-monina

Manan-danja be aminny aina ny rano hany ka manan-danja aminny fiaraha-monina koa. Entinny Malagasy hilazana ny fihavanana izay indraindrainy ny fampiarahana ny rano sy ny vary. Mbola itarafana ny fihavanana malagasy koa ny fomba fizaran-drano eny an-tanimbary, ka na miady aza ny tomponny tanimbary mifanao ambony sy ambany dia mahay mifanaraka foana aminny fizaran-drano.

Any aminny tany efitra dia mamaritra ny politika ankapobeny mihitsy ny rano. Iadiana ny toerana avo ka andalovanny rano mialoha ny toerana hafa. Izay manana fahefana aminny rano no manana fahefana aminny rehetra.

Misy mihitsy aza ireo kolontsaina sasany izay ahitana olona manao ny rano ho andriamanitra satria loharanonny aina.

                                     

5. Fahasalamana

Ny rano dia sakafo mahavelona. Ny 3/4 ny vatanny olombelona dia rano avokoa. Ary mila misotro rano isanandro isika mba hikolokoloana anio. Ankoatra ny maha rano azy dia mbola mety mitondra karazana sira mineraly izay ilainny vatana koa izy izay levona ao anatiny.

Kanefa mila fitandremana betsaka ny rano sotroina satria mety mitondra mikiraoba isan-karazany ahiana hahatonga aretina. Anisanny aretina mety ho azo aminny fisotroana rano maloto ny kolera, ny bilarziozy, ny tefoedra sns. Tsara raha ampangotrahina ny rano vao sotroina, na farafaharatsiny ampiana fanafody tahaka ny SurEau.

Antsantsa fotsy
                                               

Antsantsa fotsy

Ny antsantsa fotsy lehibe, fantatra ihany koa aminny antsantsa fotsy na akiho fotsy, dia karazana hazandrano lehibe izay hita any aminny rano amoron-dranomasina aminireo ranomasina lehibe rehetra. Tsara ny halehibeny, miaraka aminireo vehivavy lehibe kokoa mitombo 6.1 m ny halavany ary 1 905-22268 kg aminny lanjany aminny fahamatorana.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →