Back

ⓘ Fiteny malagasy



                                               

Wikipedia aminny teny malagasy

Ny Wikipedia aminny teny malagasy dia tetikasa iray ani Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia "mg", ampiasainny fiteny malagasy aminny ankapobeny. Ny Wikipedia aminny teny malagasy dia nosokafana taminny taona efatra sy roa arivo 2004 ary izy ankehitriny no Wikipedia aminny teny afrikanina lehibe indrindra ao anoloanny fiteny afrikaans, ny fiteny soahily ary ny fiteny iôroba. Ny isanny mpikambana nisoratra anarana ao aminizao fotoana izao dia manakaiky ny iray alina fa vitsy aminireo no tena mpikambana mavitrika. Ny isanny mpandrindra dia roa. Wikipedia lehibe indrindra ami ...

                                               

Fiteny simaôre

Ny fiteny simaôre na fiteny mahôrey dia fiteninny olona ao aminny nosy Maiôty, sampanny fiteny kômôriana ka iray aminny fiteny telo ao, manampy ny fiteny frantsay sy ny fiteny sibosy. Isanny fiteny banto ny fiteny simaôre, fa ny fiteny sibosy na kibosy kosa dia fiteny aostrôneziana manakaiky ny fiteny malagasy.

                                               

Fiteny kibosy

Ny fiteny kibosy na fiteny sibosy dia fiteny ao Maiôty tenenin ny olona miisa 47 900 tamin ny taona 2012. Izy no fiteny nibeazeana faharoa ao amin io nosy io izay manao ny fiteny frantsay ho fiteny ôfisialy. Fitenim-paritry ny teny malagasy ny fiteny kibosy ka isan ireo fiteny malaio-pôlineziana ao amin ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Manakaiky ny fiteny malagasy tenenina any amin ny faritra avaratra andrefan i Madagasikara ny fiteny kibosy. Ireto ny tanàna sasany ao Maiôty itenenana kibosy: Bambo-Est, MBouini na MBoueni, Passi-Kéli, MRonabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Poroani, Ouangani, ...

                                               

Fiteny tagalaoga

Ny fiteny tagalaoga dia fiteny iray tenenina any avaratr’ i Filipina, ao amin’ny faritra manodidon’ ny renivohitr’ i Filipina, Manila,ao amin ny fianakaviam-piteny aostrônezianina. Io fiteny io dia fiteny niavian’ny fiteny filipino, teny ofisialin’ i Filipina. Olona roapolo tapitrisa eo ho eo no nibe tamin’io fiteny io ary ny isa manontolon’ ny olona miteny tagalaoga dia misy eo amin’ ny sivipolo tapitrisa eo ho eo. Ny fiteny filipino dia fiteny ao amin’ ny vondrom-piteny aostronezianina izay vondrom-piteny misy ny fiteny malay-indônezianina ary fiteny malagasy. Ny fiteny tagalaoga no anis ...

                                               

Fiteny maaniany

Ny fiteny maaniany na fiteny maniany dia fiteny aostrôneziana tenenina any Indônezia, ao Kalimantàna afovoany, ao amin ny nosy Bôrneô. Ao amin ny sampana malaiô-pôlinezianan ny fiteny aostrôneziana ny fiteny maaniany. Ny fiteny maaniany dia iray amin ireo fiteny baritô atsinanana, izay vondrom-piteny malaiô-pôlineziana andrefana. Ny fiteny malagasy no akaiky indrindra azy raha ny voambolana fototra no heverina. Miisa eo aminny 150 000 eo ny olona miteny azy, dia ireo vahoaka maaniany izay monina ao Kalimantàna afovoany, any Indônezia. Misy fifanahafana akaiky dia akaiky amin ny fiteny bari ...

                                               

Fiteny malay

Ny fiteny malay na fiteny maley dia fiteny aostrônezianina izay tenim-pirenen i Malaizia, Indônezia ary Boroney. Anisan ny teny ôfisialin i Singapaoro ihany koa ilay fiteny na dia tsy fiteny iombonana intsony aza. 40 tapitrisa ny isan ny olona mahay miteny malay, izay hita eo amin ny manodidina ny andilan-dranomasin i Malacca sy ny morontsiraky ny nosy Bôrneô ary ny faritra atsinanana ao Somatra. Noho ny sata ôfisialiny dia mahery ny 200 tapitrisa ny isan ny olona mahay miteny malay.

Fiteny malagasy
                                     

ⓘ Fiteny malagasy

Ny fiteny malagasy dia tenim-pirenen ny Repoblikan i Madagasikara. Ny fiteny malagasy dia ao amin ny vondrom-piteny baritô. Any Banjarmasin, nosin i Kalimantan no foibenny fiteny baritô. Ny fiteny akaikikaikinny fiteny malagasy ankehitriny dia ny fiteny maaniany. Misy koa ny fiteny samihima sy ny fiteny dosona deiaha sns. Araka ny antontanisan ny Akademia malagasy dia ny 83.61% dia tsy miteny afatsy ny teny malagasy.

                                     

1. Tantara

Ny endriky ny teny malagasy dia tsy tahaka ireo fiteny ao Afrika satria io fiteny io dia ao amin ny vondrona malaiô-pôlineziana, sampan ny vondrona aostrôneziana. Ny fiavian ny fiteny malagasy dia fantatrireo mpandini-piteny hatry ny taonjato faha-19. Ny fiteny malagasy dia iray vondrona aminny fiteny baritô any amin ny faritany atsimo-atsinanan ny Nosy Bôrneô. Betsaka ny fitovian ny fiteny malagasy amin ny fiteny maaniany, fiteny tenenina eo amin ny faritry ny renirano Barito, ao amin ny tapany atsimon i Bôrneô. Lazaina fa mponina aotrôneziana avy amin ny tamba-nosy maley nandalo tany Bôrneô no nipetraka teto Madagasikara, na dia tsy fantatra aza ny anton io fifindrana io. Taonjato maro taty aoriana, nifangaro tamin ny Arabo sy ny Masombika Afrikana avy amin ny tontolo soahily ny mponina aostrôneziana.

Ao amin ny fiteny malagasy dia misy indran-teny avy amin ny fiteny arabo sy avy amin ny teny soahily. Ny haisoratra malagasy dia efa nanomboka tamin ny taonjato faha-19. Tamin ny Frantsay tonga tao Fort-Dauphin Taolagnaro tamin ny taonjato faha-17, nahita sotatra tamin ny sorabe izy ireo. Ny soratra voalohany tamin ny abidy latina dia ny rakibolana malagasy-hôlandey nosoratana tamin ny fanombohan ny taonjato faha-17 navoakan i Gabriel Ferrand voalohany tamin ny 1908. Ny sorabe dia soratra mety nampidirina eto Madagasikara tamin ny taonjato faha-15. Radama I, mpanjaka nahay mamaky teny sy manoratra tao amin ny Fanjakana Merina, dia nametra ny litera ampiasaina ao amin ny abidy malagasy avy aminny abidy latina mbola ampiasaintsika aminizao fotoana izao; saingy ny fitsipi-panoratana ampiasaina fotsiny no niova. Nikasa hanangana fiangonana sy trano sekoly hianarana abidy miaraka amin ireo misionera prôtestanta avy ao amin ny London Missionary Society i Radama I.

Ny boky voalohany natonta printy tamin ny teny malagasy soratana amin ny abidy vaovao, dia ny Baiboly, nadikan ny misionera kristiana britanika tamin ny taona 1835 niasa tao Imerina. Ny rakibolana vita printy voalohany dia ny rakibolana malagasy-frantsay nataon i Étienne de Flacourt.

                                     

2. Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara

Rehefa jerena amin ny lafiny fandiniham-piteny ny fiteny malagasy, dia misy endri-piteny malagasy isam-paritra maromaro fa mitovitovy. Samy endriky ny fiteny malagasy izy ireo fa tsy fiteny mahaleo tena, dia ireto izany:

  • Afovoany,
  • Betsimisaraka atsimo,
  • Tanosy,
  • Bara,
  • Masikoro,
  • Tsimihety,
  • Tesaka
  • Tandroy-Mahafaly,
  • Bosy any Mayotte
  • Antankarana,
  • Betsimisaraka avaratra,
  • Sakalava,

Any Madagasikara dia misy ny malagasy ofisialy. Miasa eran ny nosy, ampiasainy amin ny raharaham-panjakana sy ny gazety ary ny fahitalavitra.

Ao amin ny vondrona atsinanan ny zana - tsampan ny fiteny baritô ireo fiteny ireo. Any Indônezia daholo ny vahoaka miteny baritô hafa, afa-tsy ny Malagasy miteny malagasy. Avy any Indônezia ny teny malagasy fa tsy niforona tao Madagasikara. Tamin ny taonjato fahefatra vao nahitana olona tao Madagasikara, kanefa tany Afrika, 400 km miala avy eo, dia efa nisy olona hatramin ny 2 000 taona lasa.

                                     

2.1. Fiteny sy tenim-poko any Madagasikara Fahasamihafan ireo fitenim-paritra

Hita eo ambany ny tabilao maneho ny lanjan isan ny fahasamihafan ny tenim-paritra.

                                     

3.1. Indran-teny Indran-teny tamin ny fiteny javaney sy maley

Betsaka ny indran-teny amin ny fiteny malagasy nindramina tamin ny fiteny maley sy fiteny javaney taloha; anisan ireo teny ireo dia ny teny hoe trozona, iray amin ny teny maley hoe duyung ; ny horita avy amin ny teny hoe gurita ; ny fano avy amin ny teny hoe penyu, ny hara avy amin ny teny malay hoe karah, ny fanohara karazan-tsokatra avy amin ny teny malay hoe penyu karah ; rivotra avy amin ny teny malay hoe ribut midika "rivomahery" na "rivodoza"; tanjona avy amin ny teny malay hoe tanjung ; harana avy amin ny teny malay hoe karang ; sambo sy nosy avy amin ny teny javaney hoe sāmvaw sy nusa, sns.

                                     

3.2. Indran-teny Indran-teny avy amin ny fiteny sanskrity

Ny indran-teny avy amin ny teny sanskrity dia mikasina ny isa sy ny kalandrie. Azo atao ohatra izao ny teny hoe tantara avy amin ny teny sanskrity hoe tantra midika "rijan-kevitra" na "teôria"; toraka izany koa ny teny hoe hetsy 100 000 izay avy aminny teny malay hoe keti nindramina tamin ny teny sanskrity hoe koṭi midika "folo tapitrisa".

Ireo teny avy aminny fiteny sanskrity moa dia nindramin ny fiteny malagasy talohan ny nahatongavan ny Malagasy teto Madagasikara. Ka noho izany izy ireo dia niharan ny fiovana ara-drafipeo, ka tsy fantatra avy hatrany intsony ny fiaviany raha tsy dinihana amin ny alalan ny haifiteny mampitaha frantsay: linguistique comparative.

                                     

3.3. Indran-teny Indran-teny avy amin ny fiteny hafa

Ankehitriny ny fiteny malagasy dia nindran-teny tamin ny fiteny arabo voambolana mikasika ny fanandroana, ny fieny soahily voambolana mikasika ny biby ompiana toy ny teny hoe omby, ondry na akoho ary tamin ny teny frantsay sy anglisy ho an ny voambolana mikasika ny fitaovana ampiasaina amin izao fotoana izao, toy ny solosaina azo tenenina koa hoe ordinatera na kompiotera. Ao koa ny anaran ny karazan-java-kohanina toy ny piza na pija, ny makaraona sns.

Nanana ny fianjadiany ihany koa ny fiteny arabo, indrindraindrindra amin ny voambolana ampiasaina amin ny fanandroana ary ireo vondron-kintan ny zôdiaka: Alahamady, Adaoro, Asorotany, sns. ; ary koa amin ny lafiny tetiandro, amin ny fampiasana ireo teny arabo ho fiantsoana ny anaran andron ny herinandro: Alatsinainy, Talata, Alarobia, sns.

                                     

4.1. Fanoratana ny teny malagasy Ny fampiasana ny abidy arabo: ny sorabe

Ny sorabe سُرَبِ dia abidy iray avy aminny abjady arabo ajami izay natao hanoratana ny fiteny malagasy, indrindra ireo fiteny ao atsimo-atsinanani Madagasikara: ny fiteny antemoro-anteogny ary anakara. Fantatra fa isaina aman-jatony ireo lahatsoratra nosoratana taminny alalanio abidy io; ny tena antitra aminireo lahatsoratra ireo dia nosoratana tany aminny taonjato faha-17 tany ho any.

Taminny taonjato faha-18, fantatra ary nampiasainny foko rehetra eraki Madagasikara io abidy io: tao Imerina, nanafatra mpanoratra antemoro i Andrianampoinimerina mba hampianatra ny ankizy hamaky teny ary hanoratra. Izay no nahatonga an-dRadama namorona ny abidy malagasy ankehitriny izay mifototra aminny abidy latina nahay nanoratra ary namaky teny hatry ny fahazazany.

                                     

4.2. Fanoratana ny teny malagasy Ny fampiasana ny abidy latina

Ny teny malagasy ankehitriny dia mampiasa ny abidy latina; notapahin-dRadama voalohany taminny taona 1823. Ny abidini Radama dia mitovy rafitra aminny abidy ampiasaina aminizao fotoana izao: ny isanny litera ampiasaina dia mbola iraika ambinny roapolo, fa tsindraindray itarina ho enina amby roapolo ny isanny litera noho izy ireo ampiasaina aminny teny vahiny toy ny hoe watt.

Ireto ny litera ampiasaina aminny teny malagasy ny eo anelanelanny fononteny dia ampiasaina aminny teny malagasy noho ny fampiasana azy ireo aminny fiteny vahiny: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z.

                                     

4.3. Fanoratana ny teny malagasy Fivoaranny fanoratana ny teny malagasy

Niharanny fiovana ny fanoratana ny teny malagasy. Samihafa ny fanoratana ny teny malagasy taminny androni Radama I taona 1820-1830 ary ny fanoratana ny teny malagasy taminny faram-paranny Fanjakani Madagasikara faranny taonjato faha-19. Io fanoratana ny teny malagasy taminny faranny taonjato faha-19 io koa dia samihafa aminny fanoratana ny teny malagasy taminny fanjanahantany izay samihafa ihany koa aminny fanoratana ny teny malagasy aminizao fotoana izao.

                                     

5. Fampiasana ny teny malagasy

Ampisainny mponina malagasy aminny alalanny tenim-paritra na ny tenim-pirenena ofisialy ny teny malagasy. Aminny lafiny ofisialy dia ny tenim-pirenena malagasy ofisialy no tena ampiasaina ary matetika io ihany no teny an-tsoratra. Mampiasa ny teny malagasy teny ofisialy na tenim-paritra koa ireo malagasy mipetraka any ivelani Madagasikara, na dia tsy maro aza ireo fianankaviana malagasy tsy mampianatra ny tenin-drazany aminny zanany.

Eo aminny aterineto indray, dia vitsy ireo tranonkala mampiasa ny teny malagasy ho fiteninny votoatiny. Matetika ny Malagasy dia mampiasa ny fiteny frantsay rehefa mikasika ny fampahalalana. Miampy izany koa ny safidinireo mpikarakara tranonkala izay misafidy ny teny frantsay ho fiteninny votoatiny. Araka izany dia mamaky ary matetika mifanakalo hevitra aminny teny frantsay ireo Malagasy eo aminny tranonkala.

                                     

5.1. Fampiasana ny teny malagasy Wikipedia sy Aterineto aminny teny malagasy

Tsy mampiasa ny Wikipedia aminny fiteny madinika ny olona noho ny ratsy mifamahana. "Tsy tia hamorona votoatiny ny olona satria tsy hisy hamaky, ary tsy misy mamaky satria tsy misy votoatiny." Ohatrireo jordanianina manoratra aminny teny anglisy mba ho azonny olona bebe kokoa, manoratra aminny teny frantsay ny Malagasy mba ho azonny olona any ivelani Madagasikara. Hoy izay mpanoratra izay, raha mamorona votoatiny be kokoa aminny teny nibeazany ny Malagasy, dia hisy kokoa ireo votoatiny aminny teny malagasy ary hovaky ilay boribory vetaveta. Araka izany, aminny lafiny sasany, hahafahana mamorona fitaovana toa ny mpandika teny anglisy-malagasy ireo orinasa lehibenny tranonkala.

                                     

6. Voambolana

Ny raki-bolana voalohan’ny teny malagasy an-tsoratra dia nosoratana tamin’ny alalan’ny sorabe. Ny rakibolana tamin’ny abidy latina voalohany dia ny Dictionnaire de la langue de Madagascar an’i Etienne de Flacourt izay natonta tamin’ny taona 1658. Taorian’izay dia navoaka ilay English-Malagasy Vocabulary. Tamin’ny 1885 dia navoakan’ny London Missionary Society ny rakibolana malagasy-anglisy izay manana 892 pejy; na izany aza dia ahitana voambolana tranainy io rakibolana io. Betsaka ny fiovana efa natao tamin’ilay rakibolana indrindra mba hitaratra bebe kokoa ny endriky ny teny malagasy ankehitriny. Araka izany ankehitriny dia ahitana rakibolana mifototra amin’ny hatetika izay miankina aminny firaketan-dahatsoratra ahitana teny mihoatra ny dimy tapitrisa.

  • Winterton, M. et al.: Malagasy–English, English–Malagasy Dictionary / Diksionera Malagasy–Anglisy, Anglisy–Malagasy. Raleigh, North Carolina. USA: Lulu Press 2011, 548 p.
  • An Elementary English–Malagasy Dictionary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1969, 118 p.
  • Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Alemana–Malagasy. Antananarivo: Tsipika/Moers: aragon. 1994.
  • English–Malagasy Phrase Book. Antananarivo: Editions Madprint 1973, 199 p. Les Guides de Poche de Madagasikara.
  • Richardson: A New Malagasy–English Dictionary. Farnborough, England: Gregg Press 1967, 892 p. ISBN 0-576-11607-6.
  • Régis Rajemisa-Raolison: Rakibolana Malagasy. Fianarantsoa 1995, 1061 p.
  • Bergenholtz, H. et al.: Rakibolana Malagasy–Alemana. Antananarivo: Leximal/Moers: aragon. 1991.
  • Diksionera Malagasy–Englisy. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1973, 103 p.
  • Paginton, K: English–Malagasy Vocabulary. Antananarivo: Trano Printy Loterana 1970, 192 p.


                                     

7. Fitsipi-pitenenana

Ny fehezanteny aminny teny malagasy dia matetika manaraka ny rariteny Matoanteny-Fameno-Lazaina MFL, aminny teny anglisy: rariteny VOS. Na dia izany aza mety miovaova arakaraky ny endriky ny matoanteny ampiasaina izy io araky ny ohatra aseho eo ambany:

Rariteny MFL tsotra
  • Mandahatra ny miaramila aho.

Mampiasa endrika mivantana ny matoanteninny mpanao ny fehezanteny eo ambony,

Rariteny MLF
  • Alahatro ny miaramila.

Mampiasa ny matoanteninny atao ny fehezanteny eo ambony. Miraikitra aminny matoanteny ny mpanao ny asa - ko.

                                     

7.1. Fitsipi-pitenenana Matoanteny

Ny matoanteny no fanahinny fiteny ary mamaritra ny tao sy hetsika ary fiainana ny matoanteny. Mamaritra ny fisiana izy, noho ny fisianny matoanteny misy ; mamaritra ny tao izy, ohatra: "tia aho", "miasa ianareo"; mamaritra ny fiaretana izy, aminny alalanny matoanteninny atao: "tiana aho", "esorina ianao".

Ny matoanteny dia ampiasaina aminny filazana, fandavana na fanambaràna zavatra izay mbola atao na efa natao: "miasa ny olona", "nomenolona vola aho"; mibaiko, manasa na mametra-panontaniana.

                                     

7.2. Fitsipi-pitenenana Matoanteninny mpanao sy ny matoanteninny atao

Ny matoanteny dia azo atao anaty sokajy telo: ny matoanteninny mpanao sy ny matoanteninny atao, ary ny matoanteny tsy mitongilana. Ny matoanteninny mpanao dia mamaritra ny lazaina manao zavatra. Ny matoanteninny atao dia mamaritra ny lazaina miaritra na iharanny zavatra.

Ny matoanteninny mpanao dia:

  • lazaina fa manantitra anglisy: emphatic rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina. ohatra: "izaho miteny", "izaho misotro".
  • lazaina fa mivantana anglisy: direct rehefa manaraka ny matoanteny ny lazaina: ohatra: "miteny aho"; "miasa aho", sns.
  • lazaina fa manilika anglisy: exclusive rehefa manaraka ny lazaina ny mpameno. Izany dia midika fa ilay lazaina ary ilay lazaina ihany no manao ilay zavatra. Ohatra: "izaho no miteny"; "Rakoto no manjono", sns.

Telo no endriky ny matoanteninny atao.

  • Ny voalohany dia antsoina hoe endrika tsotra, satria avy aminny filaza mandidinny fototeny izy. Ohatra: ny matoanteninny atao "sotroina" dia avy aminny filaza mandidy "sotroy" izay avy aminny fototeny "sotro".
  • Ny endrika faharoa dia manana tovana mamaritra ny mpanao, na ny lazaina. Ohatra "ampianariko ny ankizy", "dioviko ny trano", sns.
  • Ny fahatelo dia ny endrika ara-toe-javatra, satria mampiasa ny toe-javatry ny fotoana, na toerana, na fomba. Ohatra: "Tany an-trano no nisotroanny olona rano".

Ny matoanteninny atao tsotra dia manana endrika mivantana, manantitra na manilika.

Ny matoanteny tsy mitongilana dia mamaritra tao izay mikasika ny mpanao ary ny mpanao ihany. Ohatra: "Velona aho"; "Mandeha ianao". Manana fiendrika manano ary fiendrika anoina ny matoanteny tsy mitongilana: "Mandeha aho" mat. mpanao; "andehanako", "alehako" mat. atao. Manana ny endrika mivantana, manantitra ary manilika ireo matoanteny tsy mitongilana ireo.



                                     

7.3. Fitsipi-pitenenana Sokaji-matoanteny dimy

Faharoa, azo sokajina dimy ny matoanteny malagasy:

  • Ny matoanteny mampita ang.: transitive verb izay mamaritra ny tao ataonny lazaina eo aminny fameno. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona man- manana endrika miova arakaraky ny fototeny
  • Ny matoanteny mamari-pivoarana anglisy: intensive verb dia mamaritra ny hafatratra, ny fitomboana na ny fivoaranny tao iray. Ny tovona mamaritra ireo matoanteny ireo dia ny tovona miha- ohatra ny anatini mihalava, mihafohy, mihavitsy, mihafeno, sns. Misy fiendrika manano sy ny fiendrika anoina io matoanteny io. Ao aminny fiendrika manano ang.: active voice sy aminny fiendrika anoina ang. passive voice dia ahitana ny endrika mivantana, endrika manantitra emfatika ary endrika mandroaka ang.: exclusive form. Aminny endrika misy soloteny voatovana aminny matoanteny mamari-pivoarana dia ahitana ny endrika mivantana manantitra sy mandroaka.
  • Ny matoanteny mifampivoho ang.: reciprocative verb Ao aminio sokajy matoanteny io dia ahitana ny fiendrika manano ary ny fiendrika anoina izay samy manana ny endrika mivantana, manantitra ary mandroaka. Ny endrika mifampivoho dia manana ny fiendrika manano, ny fiendrika anoina ary ny endrika voatovana solonteny.
  • Ny matoanteny mitampody reflektiva,
  • Ny matoanteny mamari-pahafahana anglisy: potentative verb. Ny tovona mamaritra azy io dia ny tovona maha-. Manana endrika mivantana, manantitra emfatika ary mandroaka ireo matoanteny ireo.

Aminny tabilao eo ambany ny tsirinteny araky ny endriky ny matoanteny avy aminny fototeny "latsaka".

* Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.



                                     

7.4. Fitsipi-pitenenana Zana-pizarana na fisokajiana fanampiny

Ny fizarana fanindroanny matoanteny malagasy dia sokajy telo: endrika mampanao ang.: causative, endrika mampanao mifampivoho ang.: reciprocative causative ary endrika mampanao mamari-pahafahana ang.: potentative causative. Ny tovonireo matoanteny ireo dia fitambaranny tovonny endrika mampanao aminny tovonny endrika mifampivoho na mamari-pivoarana.

* Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ireo matoanteny mampanao mifampivoho dia natao hamaritana ny zavatra mampanao, na, ny zavatra ataonny olona na zavatra mifampivoho. Ireo matoanteny ireo dia aorina aminny alalanny fanovana ny tovona m- ho mif- aminny endrika mampanao ny matoanteny mivantana.

* Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

Ny endrika mampitranga fahafahana dia maneho ny fahafahana na ny fahafahana mampanao ny tao.

* Ny endrika ankehitriny ihany no aseho.

                                     

7.5. Fitsipi-pitenenana Anarana sy mpisolo

Ny mpisolo tena aminny teny malagasy dia maro ary miankina aminny fifandraisanilay mpiteny aminilay olona itenenana ny fampiasana azy.

                                     

7.6. Fitsipi-pitenenana Tambinteny

Ny tambinteny dia teny ampiarahina aminny mpamaritra, ny matoanteny mamaritra anarana na tsia ary tambinteny hafa. Ao aminny teny malagasy dia ahitana karazana tambinteny telo: ny tambinteny mamaritra isa fandaharana na fanisana; tambinteny mamaritra fotoana: ankehitriny, efa lasa na ho avy ; ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana ; ireo tambinteny mamaritra fitsingerenana voatanisa ; ireo tambinteny mamari-toerana ; ireo tambinteny mamaritra zava-mitranga tsy misy fiafarana

Do ut des
                                               

Do ut des

"Do ut des" dia teny latinina izay midika ara-bakiteny hoe "manome dia hahazo". Ara-kevitra dia mitovy tanteraka aminilay fiteny malagasy manao hoe "Atero ka alao"

                                               

Mpanolotra (fitsipiteny)

Ny mpanolotra dia teny na andian-teny ampiasaina mba hilazana ny fisianny zavatra vaovao iray na hanehoana ny zavatra iray. Aminny fiteny frantsay dia mpanolotra ny hoe voilà, voici, il y a, il existe, cest ary ce sont. Aminny fiteny malagasy dia mpanolotra ny hoe hoe, hoy, inty ary aleo. Tsy ny hevitra entiny ihany fa ny firafetany ao anaty fehezanteny koa no amaritana ny mpanolotra ao aminny fiteny iray.

                                               

Ireo taranja hita ao aminny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia

Manana ireo taranja teolojika fototra rehatra misy eranizao tontolo izao ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia. Ireto avy izy ireo: ny Testamenta Taloha, ny Testamenta Vaovao, ny teolojia systematika izay mizara ho dogmatika sy etika, ny teolojia pratika, ny tantaranny Fiangonana. Misy koa ireo taranja fanampiny toy ny antropolojia sy ny sosiolojia. Manampy ireo koa ireo fiteny anglisy sy frantsay.

                                               

One Hundred and One Dalmatians

One Hundred and One Dalmatians dia sarimiaina amerikana notontosaini Walt Disney, ary nivoaka taminny 25 Janoary 1961.

                                               

Beauty and the Beast (horonantsary, 1991)

Beauty and the Beast dia sarimiaina amerikana notontosaini Walt Disney Feature Animation, ary nivoaka taminny 29 Septambra 1991.

                                               

The Aristocats

The Aristocats dia horonantsary aminny sarimihetsika amerikana notontosaini nataoni Walt Disney Productions, ary nivoaka taminny 11 Desambra 1970. Ireo olona nampindrana ny feony ho anio sarimiaina io dia i Eva Gabor, Hermione Baddeley, Phil Harris, Dean Clark, Sterling Holloway, Scatman Crothers, ary i Roddy Maude-Roxby.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →