Back

ⓘ Filôzôfia



                                               

Filôzôfia

Ny filôzôfia, avy aminny teny grika φιλοσοφία midika "fitiavam-pahendrena", dia taranja misy hatry ny Andro Taloha. Ny filôzôfia aminny ankapobeny, dia ny fandinihana ny fototrolana, toy ny antom-pisianny tena, ny fahaizana, ny soatoavina, ny fahendrena, ny fisainana ary ny fiteny.

                                               

Aristôty

I Aristôty na Aristôtelesy dia filôzôfy, mpanao asa soratra, mpahay kintana, mpahay fizika taminny Andro Taloha, teraka ny taminny taona 383 na 384 tal. J.K. ary maty taminny taona 321 na 322 tal. J.K. Aminny teny grika dia atao hoe Ἀριστοτέλης / Aristotelês ny anarany. Izy sy i Platôna, izay nampianatra azy tao aminny Akademiani Platôna, dia mpandinika nanana ny maha izy azy tao aminny Tontolo tandrefana. Izy no isanireo filôzôfy vitsy izay nanoratra saika momba ny seha-pahalalana rehetra taminny fotoanandrony, toy ny biôlôjia, ny fizika, ny metafizika, ny lôjika, ny pôetika, ny pôlitika, ...

                                               

Siansa

Ny siansa, raha aitatra ny dikany, dia izay nianarana ary fantatra taminny alàlanny fampianarana, izay lazaina fa tena marina. Ny tanjonny fikambanana siantifika, dia mamoaka "fahalalana siantifika" avy aminny fomba famakafakana azo ankatoavina ary azo averina.

                                               

Platô

I Platô na Platôna dia filôzôfa tao Grisia tamin ny Andro Taloha, izay niaina tamin ny vanimpotoan ny demôkrasia ateniana sy tamin ireo Sôfista izay notsikerainy. Notohizany ny asa ara-pilozofian ny mpialoha lalana azy sasany, indrindra i Sôkraty izay nampianatra azy, i Parmenida, i Heraklita, ary i Pitagôra, mba hamolavolany ny fiheverany manokana. Izany fiheverany iany dia mitrandraka sehatra lehibe, dia ny metafizika, ny etika, ny estetika ary ny pôlitika Tamin ny taona 428 na 427 tal. J.K no nahaterahany ary tamin ny taona 348 na 347 tal. J.K. no nahafatesany tao Atenay. Atao aminny te ...

                                               

Taôisma

Ny taôisma dia sady fivavahana no filôzôfia izay iray amin ireo andrin ny filôzôfia sinoa, ka ny roa hafa dia ny kônfosianisma sy ny bodisma, izay miorina amin ny fisian ny foto-javatra niandohan ny zavatra rehetra, atao hoe Taô. Ny taôisma dia atao hoe dàojiào, izay midika hoe "fampianarana ny lalana") amin ny teny sinoa. Avy amin ny kolontsaina sinoa tranainy no misy ny fototry ny taôisma, izay miorina amin-dahatsoratra, ka isan izany ny Tao Tö King nposoratan i Lao Tseu, ny Lie Tseu sy ny Zhuāngzǐ nosoratan i Tchouang Tseu. Miseho amin ny alalan ny fanao izay nisy akony teo amin ny fiai ...

                                               

Foto-pampianarana

Ny foto-pampianarana dia fitambaranny fiheverana ao amin ny rijan-kevitra apetraky ny mpanoratra na ny vondro-mpanoratra ho marina. Ny foto-pampianarana dia mety ho heverina indraindray ho mamitaka, tsara lahatra ka marina ivelany fotsiny, na tsy manome fahafahana hiady hevitra fa ekena tsotra izao, arakaraka ny fiaviany izay mety ho ara-pivavahana na ara-pedrà. Ny foto-pampianarana dia misy lafiny ara-pirehan-kevitra sady mety mahakasika ny pôlitika, ny lalàna, ny toekarena, ny fivavahana, ny filôzôfia, ny siansa, ny fiarahamonina, ny tafika, sns.

                                               

Antom-pisianny olona

Ny antom-pisian’ny olona dia izay fanontaniana filôzôfika mikasika ny antony isian’ny olona ary ny tanjon’ny fiainany. Maro ny fanontaniana no manazava ity hevitra ity, ohatra" Maninona eto an-tany isika?”," Inona ny tanjon’ny fiainantsika?” ary" Inona ny dikan’ny zavatra rehetra?”. Hatramin’ny fanombohan’ny tantaran’izao tontolo izao dia naminany ny amin’ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny filôzôfia, ny siansa, sy ny teolojia foana ny olombelona. Manavaka be ny rijan-kevitra arakaraky ny kolontsaina sy fiheran-kevitra ny olombelona. Matetika ny antom-pisian’ny olona amin’ny alalan’ny f ...

                                               

Imperialisma

Ny imperialisma dia fomba fitondrana izay ahitana firenena lehibe mitady hanitatra ny fahefany any ivelan’ny sisintaniny. Ny tanjon’ny imperialisma dia ny manangana empira. Manjaka ny firenena hafa amin’ny alalan’ny tafiny ny firenena imperialista. Na dia izany aza dia mety tsy mampiasa herin-tafiny ireo firenena ireo fa mametraka famehezana ara-politika ary ara-toekarena eo amin’ilay firenena. Ny firenena manjaka araka ny imperialisma dia mitady hanangona ireo loharanon-karena voajanahary tanim-boly, na arak’olona amin’ny alalan’ny fanandevozana azy ireo na amin’ny alalan’ny fanofanana az ...

                                               

Neoplatonisma

Ny neoplatonisma dia firehana ara-pilozofia sy ara-panahy novolavolainny fiolozofa platonisiana taminny faramparanny Andro Taloha, izay miavaka noho ny fanomezany lanja ny Foto-javatra Voalohany, dia ny Iray, aminny sehatry ny metafizika, sy noho ny fahatsapana mistika. Nampandroso ny neoplatonisma i Plotinosy sy i Porfiriosy sy i Proklosy ary i Jamblikosy ka niteraka fandraiketana ny fisainani Platona izany. Nisy akony lehibe teo aminny filozofia jiosy sy ny filozofia kristiana ary ny filozofia silamo ny neoplatonisma ary nisy fiantraikany teo aminny filozofa toa ani Hegel sy i Schelling ...

Homanisma
                                               

Homanisma

Irai filôzôfia aminizany olombelona manana ampitovina sy avo lenta olonisma na humanism. Tsy hino anAndriamanitra sady mankalaza ny fandresen-dahatra sy siansa mampiavaka olonisma. Mankahala ny fanavakavahana, ny finoanoam-poana, ny sazy lehibe, sy ny fahandevozana ny mpivavaka homanisma. Midera ny pitsipitsiny, ny tsaina sy ny fiovaovana taminny karazana olombelona ny mpivavaka fa homanisma. Malaza mpivavaka fa homanisma anisanizany Alice Roberts, Bertrand Russell sy Carl Sagan.

Fiolonolonana
                                               

Fiolonolonana

Ny fiolonoloanana dia fomba fijery filôzôfika, politika ary ara-tsôsialy izay mametraka ny zo amam-pahafahanny olona tsirairay ho amboninny zonny fikambanana. Ny fiolonolonana dia manandratra ny fahaleovan-tena aminireo rafi-pikambanana sy rafitra politika toa ny fianakaviana, ny orinasa, ny fiaviana izay manindritsindry ny olona tsirairay.

Fotoana
                                               

Fotoana

Ny fotoana dia ny fandrosoana mitohy tsy misy fetra eo aminny fisiana ary fisehoan-javatra izay miseho aminny fifandimbiasana izay tsy azo ovaina hatraminny lasa, ka hatraminizao, ary aminny ho avy.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →