Back

ⓘ Kajimirindra



                                               

Kajimirindra

Ny kajimirindra na koa informatika dia taranja ara-tsiansa mikasika ny fikajikajiana ny data. Ny mpahay kajimirindra dia olona manam-pahaizana aminny teôrianny fikajina ary aminny fanatontosana rafitra mikajy.

                                               

Rakitra (kajimirindra)

Ny atao hoe rakitra aminny kajimirindra dia firaketana fampahalalana arakisa navondrona tanaty toerana iray ary nomena anarana tokana, ary anaty maharitra toa ny kapila mateza, CD-ROM na bandy arakandriamby. Samihafa ny firafitry ny fampirimana rakitra arakaraky mpandrindra milina. Ho anny mpandrindra milina izay avy amini Linux izao ohatra dia / anja sompirana ny fototry ny rakitra na inona na inona ny isanny kapila mateza anananilay solosaina ; tsy misy izany ny ao amini Windows. Arakaraky ny isanny kapila mateza, na eo an-toerana na eo an-tambajotra, ny isanny fototra. Ny fototry ny rak ...

                                               

Arika

Ariky ny mpampita tapany ang.: semiconductor memory arika arakaratra azo ampiasaina aminny haikoriamboanaratra roafototra, ohatra Arika vakiana ihany ang.: Read-only memory Ari-tsolosaina, natao hitahiry fampahalalana na rindrankajy amy fomba vonjimaika na maharitra eo amy solosaina. Ariky ny batery ang.: battery memory, zavatra hita aminny batery nikela kadmiôma izay tsy mahatazona angovo betsaka rehefa ampiasaina matetika. Arika mora mietona ang.: volatile memory Fitahirizam-pahalalana aminny solosaina, fitaovana natao hitahiry fampahalalana.

                                               

Aterineto malagasy

Ny internet dia ny fitambaranny ordinatera na milina fikajiana eranizao tontolo izao aminny alalanny fifandraisana TCP/IP izay nahamora ny fifanakalozana sy fandefasana data. Fenitra

                                               

Famaritana manarakendrika

Aminny taranjanny kajimirindra, ny famaritana manarakendrika dia teknika mifototra aminny fampiasana matematika izay hahafahana mamaritra ny rafitra ary ny fandaharana. Ampiasaina aminny famisavisana rafitra, mamakafaka ny fitondrany, ary mamaritra ny tondrony aminny alalanny fampiasana fitaovana matematika mandaitra. Lazaina fa manarakendika ny famaritana aminny izy io manana rariteny, miombona anaty valam-pahaizana tokana ary aminny fahafahana manatsoaka fampahalalana ilaina avy aminy.

                                               

Fanakelezam-piparitahana

Ny fanakelezam-piparitahana, amin’ny kajimirindra, dia ny fananekelezana na fanesorana ny fiparitahan’ny angona ao amin’ny rafi-drakitra. Ny fanakelezam-piparitahana dia manao izay hampifanakaiky ny singan’angona ao amin’ny kapila mba hampitombo ny hafaingam-pamakiana ary mamela velarana malalaka hampahakelezana ny fiparitahan’ny rakitra hosoratana.

Hardware
                                               

Hardware

Ny hardware dia izay entana mafy rehetra azo tsapai-tanana sy hita maso namboarinny olombelona. Aminny kajimirindra dia ireo zavatra vita aminny olikaratra digital circuit na olika voafintina anaty integrated circuit IC rehetra dia sokajiana hardware.

Adiresin-tahiry
                                               

Adiresin-tahiry

Ny adiresin-tahiry dia haitao aminny kajimirindra izay hahatakarana ny fampahalalana ao anatinny tahiry. Ny adiresin-tahiry dia faritra manokanny tahiry izay azoana mamaky ary mitahiry data, na aminny fomba miserana na aminny fomba maharitra. Izay adiresy izay matetika dia isa feno.

Faingo mihevaheva
                                               

Faingo mihevaheva

Ny faingo mihevaheva dia fomba iray fanoratana ny isa tsimivaky izay ampiasaina aminny solosaina. Aminny faingo mihevaheva, ny isa iray dia ahitana famantarana s izay -1 na +1, sanda raikitra r ary fototra f izay voasanga isa feno afaka miabo na miiba i. Manome ny isa tsimivaky s.r.f i. Ny sandani f dia 2 aminny solosaina, 16 aminny solosaina antitra, 10 aminny mpikajy, na sanda hafa. Ny faingo dia ampihevahevana aminny alalani i.

                                               

Fihoaran-dahinkirika

Ny fihoaran-dahinkirika dia hadisoana anaty fandaharana rehefa manoratra angona anaty lahinkirika ka mihoatra ny faritraritra natokana ho anilay lahinkirika, ka lasa manitsaka ireo faritrarika manodidina. Ny fihoaran-dahinkirika dia tranga manokanny otam-pahatokianarika.

                                               

PDF

Ny PDF dia avy aminny fanalavan-teny frantsay hoe Portable Document Format izay midika hoe teny mifono ka azo entina na afindra toerana. Io pdf io dia teny vita avy aminny kajimirindra ka ampiasaina ao aminny kajimirindra na ireo pejy fanoratra. Niforony orinasa Adobe Systems taminny taona 1993 izy io. Matetika ampiasaina aminireny fanatsarana soratra ireny: sary, loko. no tena manavanana pdf.

PHP
                                               

PHP

Ny PHP, dia fiteny script malalaka, ampiasaina aminny fanamboarana pejin-tranonkala dinamika, fa afaka miasa ohatra ny fiteny rehetra dikaina aminny fomba eo antoerana, aminny alalanny fampiasana rindrankakjy aminny andalana baiko.

Rindrankajy fampiharana an-tranonkala
                                               

Rindrankajy fampiharana an-tranonkala

Aminny taranja kajimirindra, ny rindrankajy fampiharana an-tranonkala na koa fampiharana an-tranonkala dia rindrankajy fampiharana azo alefa aminny alalanny mpitety tranonkala sahala ireo tranonkala tsotra. Mipetraka eo amina lohamilina ny fampiharana an-tranonkala ary manana interfasy fifandraisana, aminny alalanny tambajotra ara-kajimirindra.

Rindrankajy malalaka
                                               

Rindrankajy malalaka

Ny Rindrankajy malalaka dia rindrankajy manana lisansa tenenina hoe malalaka manome anny mpampiasa azy ny fahefahana mampiasa azy, mihanatra momba azy, manova azy ary mivarotra na manome azy anolon-kafa, Tsy andoavam-bola ary tsy misy zavatra tokony omena mba hafahana hanao anireo zava-drehetra notenenintsika teo ambony.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →